Sorona Masina ny Alatsinainy 19 novambra 2018

Herinandro faha-33 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Jer. 29, 11. 12. 14


Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin’ny tany rehetra ny babo aminareo.


Fangatahana

Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian’ny soa rehetra izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Fanombohan’ny Boky Fanambarana nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apôk. 1, 1-4 ; 2, 1-5a


Tsarovy izay nihemoranao dia mibebaha.

Fanambaràn’i Jesoa Kristy, izay nomen’Andriamanitra azy, mba hanehoany amin’ireo mpanompony ny zavatra tsy maintsy ho tonga faingana sy nanirahany anjely hampahalalaina an’i Joany mpanompony; ka dia io no nanambara ny tenin’Andriamanitra sy ny filazan’i Jesoa Kristy, araka ny zavatra rehetra hitany. Sambatra izay mamaky sy ny mihano ny tenin’itý faminaniana itý ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoana. Mamangy ny Eglizy fito any Azia izaho, Joany: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana, avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; avy amin’ny Fanahy fito eo anoloan’ny seza fiandrianana. Manoratra ho an’ny anjelin’ny Eglizin’i Efezy: Izao no lazain’Ilay mitana ny kintana fito eo an-tanany ankavanana, sy mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito: Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny fandeferanao, mbamin’ny tsy fahazakanao ny ratsy fanahy; fantatro fa nozahanao toetra ireo manao azy ho apôstôly nefa tsy izy, ka hitanao fa mpandainga ireny; ary manana fandeferana ianao, ka niaritra noho ny anarako, ary tsy ketraka. Saingy izao no aniniako anao: nihemotra tamin’ny fitiavana voalohany ianao. Koa tsarovinao izay nihemoranao, dia mibebaha, ka miverena amin’ny asanao voalohany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6


Fiv.: Avelako hihinana ny hazon’ny fiainana izay mandresy.

Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso; fa ny Lalàn’ny Tompo no sitrany; ny Lalàny no saininy andro aman’alina!
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy: mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina; izay rehetra ataony, mahomby avokoa!
Tsy mba toy ny ratsy fanahy: fa mova tsy akofa paohin-drivotra! Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo; ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky voalohan’i Makabeo

Makabeo 1, 11-16. 43-45. 57-60. 65-67


Hatezerana mafy loatra no niantonta tamin’ny vahoaka.

Tamin’izany andro izany, nisy solofom-paharatsiana anankiray nivoaka avy amin’ireo mpanjaka, dia i Antiôkosa Epifana, zanak’i Antiôkosa mpanjaka, izay natao antoka tany Rôma, sy tonga mpanjaka tamin’ny fahafito amby telopolo amby zato taonan’ny mpanjakan’ny Greka.

Tamin’izany andro izany, nisy taranaka mpivadika avy amin’i Israely ka nitarika ny hafa betsaka koa, nanao hoe: “Andeha isika hikambana amin’ireo firenena manodidina antsika fa nidiran-doza maro isika, hatrizay nitokanantsika lavitra an’ireo izay.” Ary nataony ho mety harahina izany teny izany. Ka ny sasany tamin’ny vahoaka dia rototra nanatona ny mpanjaka, ka nomeny lalana hanaraka ny fanaon’ny firenena. Nanorina toerana fanaovana asa tena mampatanjaka tao Jerosalema, araka ny fanaon’ny firenena izy ireo. Nofoanan’izy ireo ny marika amin’ny famorana azy, dia nialany amin’izay ny fanekena masina, ary tafakambana tamin’ny firenena sy nivaro-tena hanao ny ota izy.

Namoaka didy tamin’ny fanjakany manontolo i Antiôkosa mpanjaka, mba hiraisan’izy rehetra ho vahoaka tokana, fa samy hanary ny lalàny manokana. Nanaraka ny didin’ny mpanjaka avokoa ny firenena. Nanaiky hanaraka ny fombam-pivavahany koa ny Israelita ankamaroany; ka nanao sorona tamin’ny sampy sy nandoto ny sabata.

Tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana Kasleo, taona fahadimy amby efapolo amby zato, dia naoriny teo ambony ôtelin’ny sorona dorana ny fahavetavetana lozan-tany. Nanorenany ôtely koa teo amin’ny tanànan’i Jodà rehetra, eny amin’ny manodidina. Ary nandoro emboka teo am-baravaran’ny trano sy teny amin’ny kianja izy ireo. Raha mahita Bokin’ny Lalàna eny ho eny izy, rovitiny aloha, dia dorany. Izay nahitana Bokin’ny Fanekena, ary izay niseho ho mbola miraikitra amin’ny lalàna, na zovy na zovy, dia novonoina ho faty, noho ny didin’ny mpanjaka.

Maro anefa ny Israelita no nanohitra tamin-kerimpo sy nanao fikasana mafy tsy hihinana na inona na inona amin’izay maloto. Naleony maty toy izay handoto tena amin’ny hanina, sy hametaveta ny Fanekena masina; ka dia maty izy ireny. Hatezerana mafy loatra no niantonta tamin’i Israely fahizany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 118, 53 sy 61. 134 sy 150. 155 sy 158


Fiv.: Velomy aho, Tompo, hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao.

Entanin’ny hatezerana aho noho ireo ratsy fanahy, izay mandao ny lalànao. Voan’ny fandriky ny ratsy fanahy aho; nefa tsy manadino ny lalànao.
Avoty amin’ny fampahorian’ny olombelona aho, mba hitandremako ny lahatrao. Ireo mpanenjika ahy manatona heloka, fa manalavitra ny lalànao kosa.
Lavitra ny olon-dratsy ny famonjena; satria izy tsy mitady ny fitsipikao. Nahita mpivadika aho: ka narikoriko; ny didinao tsy mba tandremany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 18, 35-43


Inona no tianao hataoko aminao? Mba hahiratra aho, Tompo.

Tamin’izany andro izany, nony mby tao akaikin’i Jerikao i Jesoa, dia nisy jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana. Ary nony nandre ny vahoaka nandalo izy, dia nanontany hoe: “Inona izany?” Ka nilazana fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo. Dia niantso izy nanao hoe: “Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko.” Noraran’izay teo aloha izy mba hangina, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa nanao hoe: “Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko e!” Dia nijanona i Jesoa, ka nasainy hoentina mankeo aminy izy. Ary nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe: “Inona no tianao hataoko aminao?” Ary hoy izy: “Mba hahiratra aho, Tompoko.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Mahiràta, ny finoanao no nahavonjy anao.” Niaraka tamin’izay, dia nahiratra izy ka nanaraka Azy sy nankalaza an’Andriamanitra. Ary ny vahoaka rehetra nahita izany koa nidera an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 72, 28

Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan’Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.


na hoe:

Mk. 11, 23. 24

Lazaiko marina aminareo, hoy ny Tompo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin’ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain’ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.222