Sorona Masina ny Asabotsy 17 novambra 2018

Herinandro faha-32 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 87, 3


Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin’ny antsoko, ry Tompo!


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy Fahatelon’i Md. Joany Apôstôly

3 Jo. and. 5-8


Tsy maintsy manohana ny rahalahy isika mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana.

Ry malala, tsara tokoa ny ataonao rehetra amin’ny rahalahy, fa indrindra amin’ireo vahiny; ka nambaran’izy ireo teo anatrehan’ny Eglizy ny fitiavanao namana. Ary tsara raha mamatsy azy araka ny mendrika an’Andriamanitra ianao, amin’ny fandehanan’izy ireo; fa ho voninahitry ny Anarany no nandehanan’izy ireo, ka tsy nandray na inona na inona tamin’ny jentily izy. Tsy maintsy manohana ny olona toa ireny isika, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 111, 1-2. 3-4. 5-6


Fiv.: Sambatra ny olona matahotra ny Tompo.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo, sy mankasitraka fatratra ny didiny! Ny taranany hahery eto an-tany; ny taranjan’ny olo-marina tahìna.
Fananana sy harena no ao an-tranony; ny fahamarinany maharitra mandrakizay. Ny olo-marina tsilovina raha maizina: dia ireo izay mangoraka sy antra.
Ny tsara fanahy mahery mampisambotra; ny lalany voalamina araka ny rariny; tsia, tsy hirona izy mandrakizay! ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Fahendrena

Fahendrena 18, 14-16 ; 19, 6-9


Nisy lalana malalaka tao amin’ny Ranomasina Mena, ary nifaly toy ny zanak’ondry mifalihavanja izy ireo.

Tamin’izay, raha ilay saron’ny fahanginana lehibe ny tany tontolo, ka nahatratra ny antsasa-dalany ny alina faingam-pandeha iny, dia niezaka avy any an-tampon’ny lanitra ny Teninao mahefa ny zavatra rehetra toy ny mpiady tsy azo ifonana, avy any amin’ny seza fiandrianany, nankeo afovoan’ilay tany voatolotra ho amin’ny fandringanana; nitondra ny didinao tsy azo ovana, toy ny sabatra maranitra; dia teo izy nameno maty hatraiza hatraiza, nahatakatra ny lanitra ka nijoro tamin’ny tany.

Niova toetra avokoa ny zava-boaary manontolo, nanaraka ny didy manokana nomena azy, mba ho voatahiry tsy ho azon’ny loza na inona na inona ny zanakao. Koa nisy rahona hita nanaloka ny toby tamin’ny alony; niseho teo amin’izay nisy rano taloha, ny tany; nisy lalana malalaka tao amin’ny Ranomasina Mena, ary niova ho tanimbolin-java-maitso, ny rano be nisamboaravoara. Nandalo teo izy ireo, firenena iray manontolo, voaaron’ny tananao, nanatri-maso zava-mahagaga, mahatalanjona, toy ny soavaly eny an-tanim-bilona, toy ny zanak’ondry mifalihavanja, nankalaza Anao izy ireo, ry Tompo, Ianao Mpanafaka azy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 104, 2-3. 36-37. 42-43


Fiv.: Tsarovy ny asa mahagaga nataon’ny Tompo.

Hirao Izy! Antsao! Vetsoy ny asany mahagaga! Ireharehao ny Anarany masina! Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo!
Dia nokapohiny ny lahimatoa, tamin’ny taniny: ny santatry ny herin-dahiny rehetra. Dia navoakany tamim-bolafotsy sy volamena ny vahoakany; tsy nisy tamin’ny fokony izay hoe narisarisa.
Eny, tsaroany ny teniny masina tamin’i Abrahama mpanompony: ka dia navoakany ny olony, ka niravo; sy ireo voafidiny, ka nihoby.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 18, 1-8


Andriamanitra hanome rariny ny olom-pinidiny mitaraina aminy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany momba ny tsy maintsy hivavahana lalandava sy amim-paharetana. Hoy Izy: “Tany amin’ny tanàna anankiray nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an’Andriamanitra sy tsy mena-maso olona. Ary tao amin’izany tanàna izany koa, dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe: ‘Omeo rariny aho amin’ilay miady amiko’; fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy. Kanjo tamin’ny farany dia hoy izy anakampo: ‘Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho sy tsy mena-maso olona, dia manahirana ahy itý mpitondratena itý, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva hanorisory ahy.’ Ary henoy, hoy ny Tompo, izay lazain’ilay mpitsara tsy marina, ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary tsy halaky hamonjy azy? Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo. Kanefa rahefa tonga ny Zanak’Olona, moa mba hahita finoana etý ambonin’ny tany Izy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian’ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 22, 1-2

Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin’ny vilo-maitso aho, entiny amin’ny rano manala sasatra.


na hoe :

Lk. 24, 35

I Jesoa Tompo namaky ny mofo no nahafantaran’ny mpianany Azy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin’ny fanomezana masina, koa mihanta aminao; enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0259