Sorona Masina ny Alarobia 14 novambra 2018

Herinandro faha-32 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Sal. 87, 3


Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin’ny antsoko, ry Tompo!


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Tito

Tit. 3, 1-7


Naniasia isika fahiny, saingy voavonjy noho ny famindram-pony.

Ry malala, ampahatsiarovy ny mpino fa adidin’izy ireo ny manaiky ny mpitondra sy ny manam-pahefana, ka tsy maintsy manoa azy ireo izy sy vonon-kanao ny asa soa rehetra, tsy hilaza ratsy olona, tsy hifanditra, fa hifanaraka sy hampiseho halemem-panahy lehibe amin’ny olona rehetra. Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilan-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifin’ny hankahalaina no nifankahala koa. Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona, dia tsy noho ny asan’ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony; Izy no namonjy antsika tamin’ny fanasàna nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina, izay nampidininy be dia be tamintsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika; mba hohamarinin’ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6


Fiv.: Ny Tompo miandry ahy, tsy orin’inona aho.

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inona aho; izaho ampiraotiny amin’ny vilo-maitso, entiny amin’ny rano manala sasatra, velombelominy fanahy.
Tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany! Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza: satria ianao miaraka amiko: ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy!
Rosoanao sakafo eo imason’ny rafiko aho: ka ny loha mitavona ilo, ny kapoaka safomorona!
Eny, hatsaram-po sy hasambarana no manjohy amin’ny fiainana tontolo; ny tranon’ny Tompo no fonenana taona maro mifandimby.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Fahendrena

Fahendrena 6, 1-11


Mihainoa, ry mpanjaka, mba hianaranareo ny fahendrena.

Mihainoa, ry mpanjaka, ary mamantara; mihainoa ny fampianarana, ianareo mitsara hatramin’ny faran’ny tany. Mampandria sofina, ianareo mpifehy ny sarambabem-bahoaka, ... ianareo mirehareha amin’ny fifehezanareo vahoaka be. Fantaro fa ny Tompo no nanome anareo ny hery, ary ny Avo indrindra no nanome anareo ny fahefana, dia Izy no handinika ny asanareo, sy hizaha toetra ny hevitrareo. Noho ianareo izay mpanao raharaha amin’ny fanjakany tsy mbola nitsara ara-drariny, na nitandrina ny lalàna, na nandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra; dia hiantefa aminareo Izy, mahatsiravina sy tampoka fa fitsarana mafy no hatao amin’izay mandidy. Ny madinika, avela heloka amim-pamindram-po, fa ny manam-pahefana kosa faizina mafy. Tsy misy olona hihemoran’Ilay Mpanjakan’ny olona rehetra, ary tsy misy olona ambony hiatoany amin-kenamaso; fa samy noarìny ny lehibe sy ny kely, ary samy ahìny na ireto na iretsy. Nefa ny manam-pahefana hanaovana fitsapana mafy. Koa dia ianareo no hitenenako, ry mpanjaka, mba hianaranareo ny fahendrena, ka tsy ho lavo ianareo. Izay mitandrina ny lalàna masina, amim-pahamasinana, hohamarinina; ary izay mianatra azy hanan-kavaly. Koa aoka hankamamìnareo ny teniko; aoka haniry azy ianareo dia hahazo fampianarana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 81, 3-4. 6-7


Fiv.: Mitsangàna, ry Andriamanitra, hitsara ny tany.

Omeo rariny ny malahelo sy ny kamboty; omeo hitsiny ny tsy manana sy ny ory! Afaho ny malahelo sy ny mahantra ka esory amin’ny tanan’ny olon-dratsy! Andriamanitra ianareo, hoy Aho fahiny, sy zanak’Ilay Avo avokoa! Aoka, fa ho faty toy ny olombelona ihany ianareo, sy ho lavo tahaka ny nofo rehetra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 17, 11-19


Ny vahiny indray itý no hany niverina hankalaza ny voninahitr’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany nony nandeha ho any Jerosalema i Jesoa, dia nanara-tsisina an’i Samaria sy Galilea. Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy, dia nifanena tamin’ny boka folo lahy izay nijanona teny lavidavitra teny. Dia niantso izy ireo ka nanao hoe: “Ry Jesoa Mpampianatra ô, mamindrà fo aminay.” Vantany vao nahita azy ireo Izy, dia nanao hoe: “Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona”; ka nony nandeha ho any izy ireo dia sitrana teny am-pandehanana. Ary ny anankiray tamin’ireny, rahefa nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery. Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy, dia nisaotra Azy; ary Samaritanina izy io. Dia niteny i Jesoa ka nanao hoe: “Moa tsy folo lahy va no nadio? Ka nankaiza àry ny sivy? Ny vahiny indray itý no hany niverina tamin’izy ireny mba hankalaza an’Andriamanitra?” Dia hoy Izy taminy: “Mitsangana, ary mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian’ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 22, 1-2

Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin’ny vilo-maitso aho, entiny amin’ny rano manala sasatra.


na hoe :

Lk. 24, 35

I Jesoa Tompo namaky ny mofo no nahafantaran’ny mpianany Azy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin’ny fanomezana masina, koa mihanta aminao; enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0241