Sorona Masina ny Zoma 09 novambra 2018

9 NOVAMBRA

FANKALAZANA NY NITOKANANA NY BAZILIKA AO LATRAN

Eo amin’ny toerana iorenan’ny Bazilikan’i Latran, dia ahitana trano ngezabe anankiroa: ny iray dia ny Bazilika, ny iray kosa dia ny Lapan’i Latran. Io lapa io dia fananan’ny Amperora tao Rôma taloha, fa tamin’ny taonjato fahefatra no lasa fonenan’ny Papa.
Ny Bazilika izay manakaiky azy eo kosa no Katedraly voalohany eto amin’izao tontolo izao. Ary tao indrindra no fanaovana Batemy ny alin’ny Sabotsy Masina. Natokana ho fanajana ny Mpamonjy izy io tany am-piandohany, fa tato aoriana vao natao teo ambany fiarovan’i Md. Joany, na Batista na Evanjelista.
Io Bazilika io hatramin’ny ela no Renifiangonana tao Rôma, ary toerana nivorian’ny Kônsily Eokomenika dimy lehibe...

 

Tononkira fidirana

Apôk. 21, 2

 

Indro ny tanàna masina, ilay Jerosalema vaovao, hitako nidina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitra, mihaingo toy ny ampakarina voaomana ho an’ny vadiny.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE…

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, ireo mpino, vato velona sy voafantina no andrafetanao fonenana mandrakizay ho Anao; koa ampitomboy ao amin’ny Eglizinao ny herin’ny fahasoavana nomenao, mba hampirafitra ny vahoaka mino Anao hatrany, hijoro ho ilay Jerosalema fonenana any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ez. 47, 1-2. 8-9. 12

 

Ary nahita rano nivoaka avy ao an-Tempoly aho, ary velona avokoa izay nalehan’io rano io.

Tamin’izany andro izany, dia nentin’ny Anjely niverina ho eo amin’ny varavaran’ny trano indray aho. Ary indro nisy rano nivoaka avy eo ambanin’ny tokonan’ny trano, amin’ny lafiny atsinanana, fa mitodika miantsinanana ny anoloan’ny trano; ka nidina ny rano avy ao ambanin’ny lafin-trano ankavanana tao atsimon’ny ôtely. Nentiny nivoaka tamin’ny alo-baravarana avaratra aho, dia nasainy nanodidina eo ivelany aho mandra-pahatonga eo amin’ny alo-baravarana ivelany mitodika miantsinanana; ka indro ny rano nandeha tamin’ny lafiny ankavanana. Hoy izy tamiko: “Ity rano ity dia mandeha mankany amin’ny faritany atsinanana; hidina ho any amin’ny tany lemaka vao hiditra ho ao amin’ny ranomasina; hoentina mankany amin’ny ranomasina izy, dia ho tonga mahasalama ny rano. Ny zava-manana aina mihetsiketsika any amin’izay alehan’ny ony roa, na aiza na aiza, ho velona avokoa, ka ho be dia be ny hazandrano; satria raha vao tonga any ity rano ity, dia ho tonga mahasalama ny ranomasina, ary hahavelona avokoa izay alehan’ny ony maria. Eo akaikin’ny ony, amin’ny morony an-daniny avy, hisy hazo mamoa isan-karazany haniry, ka ny raviny tsy mba halazo, ary ny voany tsy mba hitsahatra. Hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria hivoaka avy ao amin’ny fitoerana masina ny ranony; ny voany ho fihinana tsara ary ny raviny ho fanasitranana tsara.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 45, 2-3. 5-6. 8-9

 

Fiv.: Ny tompon’ny tafika no momba anay, ny Andriamanitr’i Jakôba no Fiarovana-Avonay.

Andriamanitra ny anay no aro sy hery, hita hatrizay fa mamonjy amin’ny sarotra; izahay tsy hanahy raha ny tany hihozona, ny vohitra hihovotra afovoan-dranomasina.
Misy ony mampifaly ny tanànan’Andriamanitra, ny masina indrindra amin’ny fonenan’ny Avo: tsy hirona fa Andriamanitra eo anivony ka hamonjy raha ho avy ny maraina.
Ny Tompon’ny Tafika momba anay; ny Andriamanitr’i Jakôba: Fiarovana-Avonay! Tongava hizaha ny asan’ny Tompo, ny zava-mahagaga vitany eran-tany.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 3, 9b-11. 16-17

 

Tempolin’Andriamanitra ianareo.

Ry kristianina havana, trano arafitr’Andriamanitra ianareo. Noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy, dia nanao ny fanorenana toy ny tompo-marika mahay aho, ary ny hafa kosa mandrafitra eo amboniny. Samia anefa mitandrina izay arafiny eo amboniny; satria tsy misy mahazo manao fanorenana hafa afa-tsy izay efa vita, dia i Jesoa Kristy. Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra? Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra dia mba horavan’Andriamanitra kosa, satria masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay rehetra mangataka ao an-tranoko dia mahazo, hoy ny Tompo; izay mitady dia mahita, ary izay mandondòna dia hovohaina.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 2, 13-22

 

Ny Vatany no Tempoly nolazainy.

Nony akaiky ny Pakan’ny Jody dia niakatra tany Jerosalema i Jesoa. Ary hitany tao anatin’ny Tempoly ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola nipetraka tao, ka nanao kotopia tamin’ny tady madinika Izy, dia nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry hiala amin’ny Tempoly; nararany ny volan’ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra, ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromailala: “Esory eto ireo, fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.” Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe: Ny fitiavako ny tranonao no maharîtra ny aiko. Fa niteny koa ny Jody ka nanao taminy hoe: “Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao Ianao?” Dia namaly azy i Jesoa nanao hoe: “Ravao ity Tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana.” Ka hoy ny Jody: “Enina amby efapolo taona no nanaovana ity Tempoly ity, ka Ianao ve dia hanangana azy indray amin’ny hateloana e?” Ny Vatany anefa no Tempoly nolazainy.

Ary nony tafatsangan-ko velona Izy, dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany, ka nino ny Soratra Masina sy ny teny voalazan’i Jesoa izy ireo.

— Izany àry ay tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, vahoaka navotan’i Kristy isika, andrafetan’Andriamanitra ny Eglizy, koa mivavaha mba samy ho tena vato velona isika mpino rehetra eran-tany, ary hirafitra toy ny vato anorenana trano, ka hijoro ho Fiangonan’Andriamanitra sy tanànany masina ety an-tany.

Valy: Tompo ô, tongava e, tongava eo anivon’ny vahoakanao ô

* Mivavaha ho an’ny Pretra hiezahany hanatsara ny trano fiangonana, fa indrindra hanatsara ny tena fiainan’ny mpiangona rehetra.
* Mivavaha ho an’ireo mpiandraikitra raharaham-bahoaka, fa indrindra ny fanorenan-tanàna, mba ho hainy omena fonenana antonona ny maha-zanak’Andriamanitra azy ny olombelona.
* Mivavaha ho an’ireo mpanao mari-trano sy ireo mpitantana ny fanorenana, mba hotarihin’ny fitiavana lalandava izy ireny, eo am-panorenana trano fonenana.
* Tsarovy ireo tsy mahita honenana, na maro an-trano loatra, na vahiny tsy manan-kialofana; koa mivavaha mba hampian’Andriamanitra izy hanana fonenana haha-fianakaviana sambatra azy.
* Trano ihaonana amin’Andriamanitra ny fiangonana, ka toerana masina sy mendrika haja; koa mivavaha mba hitombo fitiavana sy fanajana ny fiangonantsika isika mba hampafana ny fontsika mivavaka sy hampisondrotra ny hirantsika iderana an’Andriamanitra.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Tompo ô, hatezerana ara-drariny sady masina no nandroahanao ireo olona mba tsy hivarotra tao an-Tempoly; koa ampio izahay rehetra mino Anao ho feno fanajana ny Tranonao masina, mba ho tena trano fivavahana marina tokoa ny fiangonanay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mba raiso ny fanatitra atolotray ary ankatoavy ny vavaka ataonay mba ho azonay eto ny hasin’ny Sakramenta sy ny vokatry ny fangatahanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy:

 

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.

Fa tsara fo Ianao ka manaiky hipetraka amin’ny trano fivavahana naorinay, handrotsaka ny fahasoavanao hanampy anay lalandava mba hahatonga anay ho tempolin’ny Fanahy Masina velona amirapiratan’ny voninahitrao.

Fa ambaran’ireo fiangonana hita maso ny Eglizy voatokana ho an’i Kristy, ka arafitrao sy hamasininao tsy an-kijanona ho reny tretrika otronin-taranaka alinalina mba hasandratrao hiray voninahitra aminao any an-danitra.

Izany no iarahanay amin’ny Olomasina sy ny Anjely rehetra midera Anao tsy an-kijanona manao hoe: Masina, Masina, Masina. . .

 

Kômonio

1 Pier. 2, 5

Mirafeta ao amin’i Kristy ianareo, toy ny vato velona ho tempoly fanahy ary ho mpisorona masina.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, nataonao tandindona hisantaranay ilay Jerosalema any an-danitra ny Eglizinao ety an-tany ary mandray Sakramenta izahay, ka mba ataovy tempolin’ny Fanahy Masina, haiditrao any amin’ny fonenanao be voninahitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008