Sorona Masina ny Alarobia 07 novambra 2018

Herinandro faha-31 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Sal. 37, 22-23


Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan’ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fil. 2, 12-18


Miasà hahatomombana ny famonjenareo tena; fa Andriamanitra no miasa sy mandavorary izany ao aminareo.

Ry malala, efa nanaiky mandrakariva ianareo, ka miasà amin-tahotra sy hovitra hahatomombana ny famonjenareo tena, tsy tahaka ny fony aho tany aminareo fotsiny, fa mihoatra noho izany aza amin’izao izaho tsy any aminareo izao fa miasa ao aminareo Andriamanitra hanananareo fikasana tsara sy hanatanterahanareo izany araka ny faniriany rahateo. Ataovy tsy amim-pimonjomonjoana sy tsy amim-pisalasalana ny zavatra rehetra, mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao, mitana ny tenin’ny fiainana; dia hisy ho reharehako amin’ny andron’i Kristy fa tsy ho nihazakazaka foana aho, na ho nisasatra foana aho. Ary faly aho na dia ny tenako aza no haidina hampombaina ny fanolorana amam-pisoronan’ny finoanareo, ka miara-mifaly aminareo rehetra. Mifalia amin’izany koa ianareo, ary miaraha mifaly amiko.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 26, 1. 4. 13-14


Fiv.: Ny Tompo no fanilo sy vonjiko.

Ny Tompo no fanilo sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan’ny aiko: zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy, sy tozoiko indrindra, ry Tompo: dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo amin’ny andro rehetra hiainako mba hankafy ny hatsaran’ny Tompo, sy hibanjina ny toerany masina.
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo any amin’ny tanin’ny velona! Mahandrasa ny Tompo, marisiha! Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 13, 8-10


Ny fitiavana no fahatanterahan’ny didy an-tsakany sy an-davany.

Ry kristianina havana, aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo, afa-tsy ny fifankatiavana; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna. Satria ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza miampanga lainga, aza mitsirirì-javatr’olona, mbamin’ny didy hafa rehetra, dia voalaza fohy amin’ny teny hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana, ka dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna an-tsakany sy an-davany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 111, 1-2. 4-5. 9


Fiv.: Ny tsara fanahy mangoraka sy mampisambotra.

Sambatra ny olona matahotra ny Tompo, sy mankasitraka fatratra ny didiny! Ny taranany hahery eto an-tany; ny taranjan’ny olo-marina tahìna.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina: dia ireo mangoraka sy antra. Ny tsara fanahy mahery mampisambotra; ny lalany voalamina araka ny rariny.
Malala-tanana izy, manome ny mahantra; ny fahamarinany maharitra mandrakizay; ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 14, 25-33


Izay tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro.

Tamin’izany andro izany, nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’i Jesoa, ka nitodika Izy nanao tamin’ireo hoe: “Raha misy manatona Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin’ny rahalahiny sy ny anabaviny ary na dia ny ainy aza, dia tsy mety ho mpianatro. Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany sy tsy manaraka Ahy dia tsy mety ho mpianatro. Ka iza tokoa moa aminareo no te-hanao tilikambo ka tsy mipetraka aloha hitety izay ho laniny, na hanana ny ampy hamitana azy izy, na tsia, sao vita ny fototra vao tsy afa-manefa azy izy ka holatsain’izay rehetra mahita hoe: ‘Mba nanomboka nanao trano ralehilahy io, nefa tsy nahavita tsinona.’ Sa iza no mpanjaka handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, ka tsy hipetraka aloha hihevitra na ho azony atao amin’ny miaramila iray alina ny hikatroka amin’ny fahavalo roa alina avy hamely azy na tsia? Fa raha tsy hahomby izy, dieny mbola lavitra ilay mpanjaka anankiray dia handefa iraka hanao raharaham-pihavanana aminy izy. Toy izany koa, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mety ho mpianatro.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 15, 11

Ny Lalan’ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.


na hoe:

Jo. 6, 58

Hoy ny Tompo hoe: tahaka Ahy nirahin’ny Ray izay velona ka velona amin’ny Ray, no hahavelona amiko an’izay mihinana Ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin’ny herinao; ary havaozy amin’ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2064