Sorona Masina ny Zoma 02 novambra 2018

2 NOVAMBRA

 

FAHATSIAROVANA NY MPINO NODY MANDRY

Sorona voalohany

MBOLA HITSANGAN-KO VELONA NY MATY

Tononkira fidirana

1 Tes. 4, 14; 1 Kôr. 15, 22

Toy ny nahafatesan’i Jesoa sy nitsanganany ho velona no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa. Ary toy ny nahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no hahaveloman’ny olona rehetra ao amin’i Kristy.

 

Tsy asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Mba henoy ny vavakay, ry Tompo mora fo, mino ny Zanakao nitsangan-ko velona izahay, ka mba ho mafy orina koa anie ny fanantenanay mpanomponao fa hitsangan-ko velona ireo havanay nody mandry noho ny toky nomenao anay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky faharoan’i Makabeo

2 Mak. 12, 43-46

Valisoa tsara indrindra no voatahiry ho an’ireo nody mandry tamim-pitiavam-bavaka.

Tamin’izany andro izany, dia nampanao vokatra i Jodasa filohan’i Israely, ka nahavory drakma roa arivo, nampanateriny hanaovana sorona fanonerana any Jerosalema. Asa soa sy mendrika, avy amin’ny fiheverana ny fitsanganan-ko velona izany. Satria raha tsy mino izy fa tsy maintsy hitsangan-ko velona ny miaramila maty an’ady, dia zava-poana sy tsy misy antony ny mivavaka ho an’ny maty. Noheveriny koa fa valisoa tsara indrindra no voatahiry ho an’izay mody mandry amim-pitiavam-bavaka, ka hevitra masina ombam-pitiavam-bavaka izany. Izany no nanaovany an’izany sorona fanonerana izany ho an’ny maty, mba ho afaka amin’ny fahotany izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 41, 3. 4. 5bde.

 

Fiv.: Ny fanahiko mangetaheta an’ilay Andriamanitra velona.

Ny fanahiko mangetaheta an’Andriamanitra, ilay Andriamanitra velona.
Rahoviana aho no afaka hanarana sy hankafy ny hasoan’Andriamanitra?
Ranomaso no sakafoko na andro na alina; lalandava; «Aiza ity Andriamanitrao?»
Vao tsaroako manko ny fahiny, dia miempo ny fanahiko ato amiko: Endrey izany izaho mitarika vahoaka izay mandroso ao an-tranon’Andriamanitra amin’ny horaka an-danonana manakoako!

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

2 Kôr. 5, 1. 6-10

 

Manan-trano haharitra mandrakizay any an-danitra isika.

Ry kristianina havana, fantatray fa rehefa rava ity trano lay itoeranay eto an-tany ity, manan-trano tsy nataon-tanan’olona, fa narafitr’Andriamanitra izahay, dia trano haharitra mandrakizay any an-danitra. Koa noho izahay manana mandrakariva izany toky izany, sady mahalala fa lavitra ny Tompo izahay raha mbola mitoetra amin’ny vatana (satria finoana moa no andehanantsika fa tsy fahitana), dia izany toky izany no itiavanay kokoa ny miala amin’ny vatana, mba hitoetra eo akaikin’ny Tompo. Ary izany ihany koa no ikelezanay aina mba hankasitrahin’ny Tompo, na mitoetra amin’ny vatana izahay na miala aminy. Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisantsika tsirairay avy, izay tandrifin’ny asantsika fony mbola tao amin’ny vatana, na soa izany na ratsy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an’izao tontolo izao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 14, 1-6

Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa. Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo, ary rehefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa. Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay alehako”. Dia hoy i Tômà taminy: “Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko, ka ahoana no hahafantaranay ny lalana?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin’izao andro iarahantsika amin’ny Eglizy manontolo mahatsiaro manokana ireo rehetra nody mandry izao, dia asondroty ny fontsika hiara-mivavaka ho azy rehetra, ary isika koa mba hahatontosa ny adidy eto an-tany eo am-panantenana ny fitsangan-ko velona.

Valy: Tompo ô, henoy ny vavakay olonao.

* Mivavaha ho anay Eglizy mba hijoro hatrany ho famantarana ny famonjena sy ny fiainana nentin’i Kristy ho antsika olombelona tsy an-kanavaka izy.
* Mangataha ho an’izay rehetra manana andraikitra amin’ny trano fitsaboana, mba ho maro no hahay hanomana ireo am-bavahoana.
* Mivavaha manokana ho an’izay rehetra ho faty mandritra ity volana ity, mba hahazoany toerana any amin’izay omanin’i Jesoa any an-tranon’ny Ray.
* Mivavaha ho antsika miangona eto mba tsy hanjehy ny andro ho lava isika fa hiasa isan’andro hanomana ny mandrakizay amin’ny fiainana feno fitiavana.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Tompo ô, tsaroanay anio ireo mpino rehetra nody mandry; koa mihanta aminao izahay: mba rotsahy ny andon’ny famindram-ponao izy rehetra, ary ataovy miray lova amin’ny Olomasina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Jereo amim-pitiavana ireto fanatitra ireto, ry Tompo; koa raiso hiaraka amin’ny Zanakao any amin’ny voninahitrao ireo mpanomponao efa nody mandry, fa iray izahay ao amin’izao Sakramenta lehibe naorin’i Kristy izao.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

 

Prefasy:

 

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Ilay nanaiky ho faty ho solon’ny maro mba tsy hahafaty ny olon-drehetra; eny, olona iray no sitrany ho faty, dia ny Tenany ihany mba hahavelona anay rehetra mandrakizay.

Izany no iarahanay mihira amin’ny Anjely ka faly midera Anao manao hoe: Masina, Masina, Masina...

 

Kômonio

Jo. 11, 25-26

Izaho no fananganana sy fiainana, izay mino Ahy, na maty aza, mbola ho velona; ary izay rehetra velona ka mino Ahy, tsy ho faty mandrakizay.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ataovy tafita any amin’ny toeram-pahazavana sy fiadanana ireo mpanomponao efa nody mandry, fa hahasoa azy ireo no nankalazanay ny Sakramenta ahatsiarovana ny Paka.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Sorona faharoa

AO NY LANITRA: HAHASAMBATRA MANDRAKIZAY

Tononkira fidirana

4 Esdr. 2, 34-35

Tompo ô, mba omeo ny fialan-tsasatra mandrakizay ireo havanay nody mandry, ary hazavao amin’ny fahazavana mandrakizay.

 

Tsy asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, Voninahitry ny mpino Ianao ary fiainan’ny olo-marina; ary ny Zanakao maty no ho velona no nanavotra anay; koa mba amindrao fo ireo havanay nody mandry, fa efa nino ny hitsangan-ko velona izy; ka enga anie ho velom-pinaritra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 25, 6a. 7-9

Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay.

Amin’izany andro izany, ny Tompon’ny tafika dia hanomana fanasana amin’ity tendrombohitra ity ho an’ny firenena rehetra. Horovitiny eto amin’ity tendrombohitra ity ny voaly manarona ny olona rehetra mbamin’ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra. Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay; ny Tompo Andriamanitra hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra; ny henatry ny vahoakany hoesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra; fa efa niteny ny Tompo. Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany: “Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy, dia ny Tompo izay nantenaintsika. Aoka isika hanao fifaliana sy hiravoravo amin’ny famonjeny”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Tononkira 38, 10. 14. 16

 

Fiv.: Izaho no fananganan-ko velona.
Izay mino Ahy, na maty aza mbola ho velona.

Vao misasaka ity ny fiainako, hoy aho, dia ho any amin’ny maty sahady aho, ka ny androko sisa rehetra dia afoy avokoa!
Mikoraraika toa sidintsidina aho, mitolokoloko toa voromailala; valalanina ny masoko miandra; mijaly aho, ry Tompo, ka iantrao!
Ireo mandry any amin’ilay hady tsy manantena Anao intsony; fa ny velona toa ahy izao no hany mankalaza Anao.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Boky Fanambaràna nosoratani Md. Joany Apôstôly

Apôk. 14, 13

 

Sambatra ny maty izay maty ao amin’ny Tompo.

Tamin’izany andro izany, izaho Joany nandre feo avy any an-danitra nanao hoe: “Soraty: Sambatra hatramin’izao ny maty izay maty ao amin’ny Tompo”. Eny, hoy ny Fanahy, aoka hiala sasatra amin’ny asany izy, fa ny asany hanaraka azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Any an-danitra ny fanjakantsika ary avy any no iandrasantsika ny Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 17, 24-26

Ray ô, tiako hiaraka amiko any amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niandrandra ny lanitra, ary nivavaka nanao hoe: “Ray ô, tiako hiaraka amiko any amin’izay itoerako, ireo nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao. Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto koa no nahalala fa Ianao no naniraka Ahy. Efa nampahafantariko ny Anaranao izy, sady mbola hampahafantariko koa, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary mba ho ao aminy koa Aho”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Ranombavaky ny mpino

Amin’izao andro fahatsiarovana an’ireo nody mandry izao, dia mivavaha mba homen’Andriamanitra ny hasambarana izy sy ireo rehetra manantena Azy.

Valy: Ianao, ry Tompo, no mpamelona anay sy mpamonjy anay.

* Mivavaha mba ho hain’ny Eglizy Renintsika ny hamelona ny fanantenantsika zanany ny amin’ny tena hiafarantsika mandrakizay.
* Mangataha mba ho fantatr’ireo rehetra miandraikitra raharaham-bahoaka, ny teny fampanantenan’Andriamanitra, hanampy azy hitondra ny raharahan’ny tany, araka ny irîn’Izy Tompo.
* Mangataha ho an’ireo rehetra namoy havana, mba hahazo toky izy, noho ny fampanantenan’Andriamanitra, fa sambatra eo anilan’ny Tompo ireo havany lasa any an-koatra.
* Mangataha mba homen’Andriamanitra toky isika fa ho sambatra mandrakizay eo anilany: ho tafahaona aminy sy amin’ireo havantsika rehetra tsarovana anio.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Hahasoa hahatsara an’ireo mpanomponao nody mandry anie, ry Tompo, ny vavakay mitalaho aminao: koa diovy izy ho afaka amin’ny fahotany rehetra, ary raiso ho anisan’ireo navotanao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba diovy ho afa-pahotana amin’ny Ran’i Kristy atao Sorona izao, ireo mpanomponao nody mandry, fa mpamindra fo sy be fitiavana Ianao, ka enga anie ireo nosasanao tamin’ny ranon’ny Batemy mba hodiovinao hatrany.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy:

 

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.

Fa tendry avy aminao no ahaterahanay, safidinao no mitondra anay ary didinao no manafaka anay amin’ny fahotana eto amin’ny tany izay namoronana anay. Ary noho izahay navotan’ny Zanakao maty ho anay, dia lahatrao no itsangananay toa Azy be voninahitra.

Izany no iarahanay amin’ny Anjely sy ny Olomasina rehetra mihira sy mankalaza Anao amin’ilay antsa ventesinay lalandava manao hoe: Masina, Masina, Masina...

 

Kômonio

4 Esdr. 2, 35-34

Hanazava ireo havanay nody mandry anie, ry Tompo, ny fahazavana mandrakizay, miaraka amin’ny Olomasinao any an-danitra, satria tsara fo Ianao. Tompo ô, mba omeo fialan-tsasatra mandrakizay ireo havanay nody mandry ary hazavao amin’ny fahazavana mandrakizay, miaraka amin’ny Olomasinao any an-danitra, satria tsara fo Ianao.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, noraisinay tamin’ny Kômonio ny Zanakao Lahy tokana, dia Ilay natao Sorona ho anay sy nitsangan-ko velona be voninahitra; koa mihanta aminao izahay ho an’ny havanay nody mandry: enga anie izy hodiovin’izao Sorona anavaozana ny Paka izao, mba ho sambatra hitsangan-ko velona indray andro any.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Sorona fahatelo

MAMY NY MIAINA

Tononkira fidirana

Rôm. 6, 11

Ilay Andriamanitra nanangan-ko velona an’i Kristy Jesoa no hamelona ny vatantsika mety maty amin’ny Fanahiny mitoetra ao anatintsika.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, nandresy ny fahafatesana ny Zanakao Lahy tokana, ka noraisinao any an-danitra; koa mba ataovy mandresy tanteraka ny fahafatesana ireo mpanomponao nody mandry, dia ho afaka hibanjina Anao Mpahary sy Mpanavotra azy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Daniela Mpaminany

Dan. 12, 1-3

Maro amin’ireo mandry amin’ny vovo-tany no hifoha.

Amin’izany andro izany, hitsangana i Misely ilay filoha ambony, izay miandany amin’ny zanaky ny firenenao, ka amin’izany no ho androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy, hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany. Amin’izay dia ho voavonjy ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra eo amin’ny boky . Ary maro amin’ireo mandry amin’ny vovo-tany no hifoha: ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay, fa ny sasany ho amin’ny latsa amam-panariana mandrakizay. Izay ho efa hendry, hamirapiratra hoatra ny famirapiratry ny lanitra; ary izay ho efa nitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana, ho tahaka ny kintana mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 42. 3. 4. 5.

 

Fiv.: Lavitra ny Tompo isika raha mbola ety an-tsesitany nefa kosa ny Fanahy efa antoka ho antsika.

Ny hazavanao sy ny fahamarinanao alefaso hitantana ahy hatrany am-bohitrao masina, hatrany amin’ny fonenanao: ka eo amin’ny ôtelin’Andriamanitra aho, ilay Andriamanitra fototry ny hafaliako, no hidera Anao amim-baliha, ry Andriamanitra Andriamanitro.
Ry fanahiko ô, ahoana no manjonitra? no misento mahalana ato amiko? Matokia fa izaho mbola hidera an’ilay Andriamanitro Mpamonjy ahy!

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Boky Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apôk. 21, 1-5a

 

Ny fahafatesana dia tsy hisy intsony.

Izaho Joany, dia nahita lanitra vaovao sy tany vaovao; fa efa lasa ny lanitra voalohany, sy ny tany voalohany, ary tsy hisy intsony koa ny ranomasina. Dia indro hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy any amin’Andriamanitra, dia i Jerosalema vaovao, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina, voaomana hihaona amin’ny vadiny. Ary inay nisy feo reko avy ao amin’ny seza fiandrianana nanao hoe: “Indro ny tranolain’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Izy hiara-monina amin’izy ireo. Izy ireo moa ho vahoakany, ary Izy Andriamanitra mitoetra ao aminy kosa, ho Andriamanitr’izy ireo. Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha”. Dia hoy Ilay nipetraka teo ambony seza fiandrianana: “Indro havaoziko ny zavatra rehetra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aieloia.

Izao no sitra-pon’ny Raiko dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka sy mino Azy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 11, 21-27

Izaho no fananganana sy fiainana.

Tamin’izany andro izany, hoy i Marta tamin’i Jesoa: “Raha taty Ianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko. Ary na dia izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin’Andriamanitra, dia homen’Andriamanitra Anao”. Hoy i Jesoa taminy: “Hitsangana ny anadahinao”. Fa hoy i Marta taminy: “Fantatro fa hitsangana izy, amin’ny farandro fitsanganan’ny maty”. Hoy i Jesoa taminy: “Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino Ahy na dia maty aza, dia ho velona indray; ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?” Ary hoy izy taminy: “Eny, Tompoko, mino aho fa Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona, Ilay hoe ho tonga amin’izao tontolo izao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Ranombavaky ny mpino

Amin’izao vavaka hiarahantsika manao izao, ry kristianina havana, dia tsarovy ireo havantsika rehetra efa nantsoin’ny Ray, tsarovy koa ny Eglizy, ary mitalahoa amin’ny Tompo Andriamanitra, mba hampandriany fahalemana izao tontolo izao ary homeny ny famonjeny isika.

Valy: Ray ô, tia anay ny Zanakao, ka tsinjovy izahay.

* Mangataha mba hiharihary amintsika rehetra ao amin’ny Eglizy fa mamy ny miaina miaraka amin’Andriamanitra sy ny miara-miaina amin’ny samy kristianina.
* Mivavaha ho an’ireo rehetra mitantana ny raharaham-bahoaka, mba hampanjakany hatrany ny fahamarinana, ka hahitan’ny olombelona rehetra fa mamy ny miaina.
* Tsarovy ireo rehetra mijaly, tsy mahita ny anjara masoandrony sy ny kamboty ary ny mananotena: mba hahitany fa ampy ho ray aman-dreny Andriamanitra, ary mamy ny miaina miaraka aminy na eo aza ny fitsapana.
* Mivavaha mba homen’Andriamanitra toerana any amin’ny Fanjakan’ny lanitra, ireo mpino rehetra efa maty, fa any no tena hahitana fa mamy ny miaina.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Andriamanitra Tompon’ny velona sy ny maty ô, Ianao mamindra fo amin’izay fantatrao fa olom-pinidinao, noho ny finoany sy ny asany; koa mihanta aminao izahay: enga anie ho hitanay hatrany fa mamy ny miaina miaraka aminao, na ety na any an-koatra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, raiso sy ankasitraho ny Sorona atolotray ho an’ny mpanomponao rehetra tafandry ao amin’i Kristy: ary enga anie hanafaka azy amin’ny fatoran’ny fahafatesana ity Sorona tsy manampaharoa ity; mba hahazoany ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy:

 

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay:

Satria na mendrika ny ho very aza izahay, dia eo ny fitiavanao sy ny fahasoavanao; ka izahay levon’ny fahafatesana noho ny fahotana, dia voaavotra noho ny fandresen’i Kristy ary antsoiny hiara-belona aminy.

Izany no ankalazanay Anao lalandava ety an-tany miaraka amin’ny herin’ny lanitra, mihoby Anao Avo Indrindra tsy an-kijanona manao hoe: Masina, Masina, Masina...

 

Kômonio

Fil. 3, 20-21

Miandry ny Mpamonjy isika, miandry an’i Jesoa Kristy Tompo, ilay hanova ny vatantsika mora simba, hitovy endrika amin’ny Vatany mamirapiratra.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Kômonio noraisinay anie hahabe ny famindram-po harotsakao amin’ireo mpanomponao nody mandry; ary efa vita Batemy izy, ka mba tolory ny hafaliana feno fatra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087