Sorona Masina ny Alarobia 31 oktobra 2018

Herinandro faha-30 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Sal. 105, 3-4


Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 6, 1-9


Aza manompo eo imaso fotsiny fa aoka ho toy ny mpanompon’i Kristy.

Ry zanaka, maneke ao amin’ny Tompo ny ray aman-dreninareo, fa izany no rariny. Manajà ny ray aman-dreninao, io no voalohan-didy misy teny fampanantenana dia ny hoe: mba hahita soa sy ho ela velona etý ambonin’ny tany ianao. Ianareo ray aman-dreny kosa, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa beazo amin’ny famaizana amam-pananarana ao amin’ny Tompo izy. Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo, amim-pahatahorana sy fangovitana, ary amim-pahatsoram-po, toy ny anekena an’i Kristy; aza manompo eo imaso fotsiny, toy ny mila sitraka amin’olombelona, fa toy ny mpanompon’i Kristy, manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fo tokoa; ary manompoa amim-pitiavana, toy ny manompo ny Tompo fa tsy ny olombelona; satria fantatrareo marina fa isam-batan’olona, na mpanompo na olona afaka, dia samy hovalian’Andriamanitra soa, amin’izay soa nataony avy. Ianareo tompo koa, mba manaova toy izany amin’izy ireo, ka ajanony ny fandrahonana, satria fantatrareo fa tsy mba mizaha tavan’olona ilay Tompon’izy ireo sy Tomponareo any an-danitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 144, 10-11. 12-13ab. 13de-14


Fiv.: Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo.

Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra! Misaotra Anao ny mpivavaka aminao! Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo, sy miteny ny asanao mahery.
Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery, sy ny voninahitra sy harevaky ny fanjakanao! Fanjakana mandrakizay tokoa ny Fanjakanao; amin’ny taona mifandimby ny fahefanao!
Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra! Ny Tompo manohana izay rehetra ho lavo, sy mampitraka izay mitanondrika.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 8, 26-30


Fantatsika fa ny zava-drehetra dia entin’Andriamanitra hanasoa izay tia Azy.

Ry kristianina havana, ny Fanahy no manohana ny fahalementsika, satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan’izy Fanahy ihany no mangataka amin’ny fitarainana tsy azo lazaina; ary Izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin’ny Fanahy, sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olo-masina. Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany. Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin’ny Zanany koa, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy. Ary izay notendreny no nantsoiny koa; izay nantsoiny no nohamarininy koa; izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 12, 4-5. 6


Fiv.: Matoky ny hatsaram-ponao aho, ry Tompo.

Jereo! Valio aho, ry Tompo Andriamanitro! Hazavao maso, ndrao renoky ny fahafatesana; ndrao ataom-pahavalo hoe: Resy terý! na hifalian-drafilahy fa mihontsina!
Matoky ny hatsaram-ponao aho; mifaly amin’ny famonjenao ny foko. Eny, mihira aho, ry Tompo, noho ny soa nataonao.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 13, 22-30


Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana, hipetraka hihinana eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nitety tanàna sy vohitra maro ka nampianatra sy nandroso ho any Jerosalema. Ary nisy olona anankiray nanontany Azy hoe: “Tompoko, moa dia vitsy ihany no ho voavonjy?” Ka hoy Izy tamin’ny olona: “Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety; fa lazaiko aminareo fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka. Satria raha efa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano no tavela any alatrano ianareo ka handondòna ny varavarana hanao hoe: ‘Tompoko, vohay izahay’, dia hovaliany hoe: ‘Tsy fantatro izay niavianareo.’ Ary amin’izay ianareo dia hanao hoe: ‘Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay, ary nampianatra teny amin’ny kianjanay Ianao.’ Fa hovaliany hoe: ‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro izay niavianareo; mialà amiko ianareo rehetra mpanao ratsy.’ Ary amin’izay vao hisy fitomaniana sy fikitroha-nify rahefa hitanareo eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba mbamin’ny mpaminany rehetra, fa ianareo kosa ho voaroaka any ivelany. Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana, ary avy any Avaratra sy Atsimo, hipetraka hihinana eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary indro hisy farany izay ho voalohany, ary hisy voalohany ho farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin’ny fanompoam-pivavahana ataonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 19, 6

Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin’ny Anaranao Andriamanitray.


na hoe:

Ef. 5, 2

Tia antsika i Kristy ary nahafoy ny ainy ho antsika; nanolotra ny tenany tamin’Andriamanitra ho sorona mamerovero.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran’ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin’ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0913