Sorona Masina ny Alahady 28 oktobra 2018

ALAHADY FAHA-30 mandavantaona — B

MPANELANELANA SY MPANASITRANA MAHAY MIANTRA I JESOA KRISTY

Tononkira fidirana

Sal. 104, 3-4

Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny Tavany.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 31, 7-9

Haveriko eo amin’ny vahoaka ny jamba sy ny mandringa.

Izao no lazain’ny Tompo: Mihobia an-kafaliana ny amin’i Jakôba, manaova firavoravoana, noho ny amin’ilay lohan’ny firenena; ataovy re ny feonareo, mihirà hira fiderana, ka lazao hoe: Ry Tompo, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’i Israely! Indro Aho mamerina azy, avy any amin’ny tany avaratra; manangona azy, avy any amin’ny faran’ny tany. Ho eo amin’izy ireo ny jamba sy ny mandringa, ny manana anaka sy ny efa mihetsi-jaza; hanao dia be izy ireo no hiverina aty. Hiverina amin-dranomaso izy; ary eo amin’ny fifonany no hitondrako azy miverina; eny amin’ny rano velona, no hitarihako azy, amin’ny lalana marin-tampona tsy hahatafintohina azy; satria efa ray ho an’i Israely Aho, ary lahimatoako i Efraîma.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 125, 1-2ab. 2d-3. 4-5. 6.


Fiv.: Lalina tokoa ny nataon’ny Tompo taminay ka faly moa izahay.

Raha ny Tompo nampody an’i Siôna izay babo, dia toa nofinofy ny anay; vakin’ny hehy izahay, nanakoako ny hiranay!
Ireo firenena kosa nitakoritsika: “Lalina ity nataon’ny Tompo taminy!” Lalina tokoa ny nataony taminay: koa akory izany hafalianay!
Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay; avereno faingana toy ny ranotrambo.
Izay mamafy amin-dranomaso no mijinja amin-kira. Eny, tokoa, raha mandroso no tomany am-panipazana ny voa; fa nony miverina, manakora sy mihoby no milanja ny vokatra!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 5, 1-6


Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka.

Ry kristianina havana, rehefa mety ho Mpisorombe ka alaina amin’ny olona, dia tendrena ho solon’ny olona amin’ny fifampiraharahàny amin’Andriamanitra, mba hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota; sady mahay miantra ny tsy mahalala sy ny mania izy, satria na ny tenany aza mba voan’ny fahalemena ihany koa, ka noho izany fahalemeny izany, tsy maintsy manao sorona ho an’ny tenany, toy ny ataony ho an’ny vahoaka ihany koa izy. Ary tsy misy mahazo maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany, afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra tahaka an-dry i Aarôna ihany. Dia toy izany koa i Kristy, fa tsy Izy no nanandra-Tena ho Mpisorombe, fa Ilay nanao taminy hoe: “Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany”; sy nilaza amin’ny teny hafa koa hoe: “Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 10, 46-52

Rabony ô, aoka mba hahiratra aho.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany, dia tonga tao Jerikô, ary nipetraka nangataka teo amoron-dalana kosa i Bartime jamba zanak’i Time. Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izany, dia rafitra niantso izy nanao hoe: “Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko”. Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: “Ry zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko”. Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy. Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe: “Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao”. Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy. Ary hoy i Jesoa taminy: “Inona no tianao hataoko aminao?” Dia hoy ilay jamba: “Rabony ô, aoka mba hahiratra aho”. Ary hoy i Jesoa: “Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao”. Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaka

Ry kristianina havana, maro ny jamba eran’ny lalan’izao tontolo izao; ary na dia amintsika koa aza angamba. Koa mivavaha hangataka an’i Kristy hampahiratra antsika hahita ny tena fahazavana marina.

Valy: Arotsahy aminay ny fahazavanao sy ny fahamarinanao.

* Mivavaha mba ho hain’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra aseho ny olona rehetra ny fahazavana entin’ny Evanjely.
* Maro ny mpitondra vahoaka no tsy hazavain’ny finoana, koa mangataha amin’Andriamanitra mba tsy ho jembin’ny fandokafan’ny vahoaka izy ireny, fa hahita ny lalana atoron’i Kristy.
* Na mijaly be mpaneso sy be mpanenjika aza ny olona sasany, dia misy mitovy amin’ilay jamba teo amoron-dalana, ka miantso an’i Jesoa Kristy na dia tsy mahita Azy aza; koa angataho Andriamanitra hihaino ny fitarainan’ireo mijaly, sy ho avy hanatona azy.
* Ento am-bavaka eo amin’Andriamanitra ireo olona sy fikambanana mikarakara ny jamba, ary mivavaha mba hisy vokany ny fisasarany ary mba hahavonona antsika rehetra hanampy azy.
* Hatraiza hatraiza, ary amin’ny zava-mitranga rehetra, dia ilàna finoana velona sy fandresena lahatra, ny vavan’ny mpanenjika; koa mangataha amin’ny Tompo mba hataony matoky Azy sy homeny herim-po lalandava isika.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ianao, ry Jesoa, nampahiratra ny jamba; ary mila Anao tokoa izahay amin’izao korontana eran-tany izao; koa ampitomboy ny finoanay, ary Ianao irery anie no hoekenay ho fahazavana hitarika anay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin’ny fanompoam-pivavahana ataonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra I, ohatra.


Kômonio

Sal. 19, 6

Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin’ny Anaranao Andriamanitray.


na hoe:

Efez. 5, 2

Tia antsika i Kristy ary nahafoy ny ainy ho antsika, nanolotra ny Tenany tamin’Andriamanitra ho sorona mamerovero.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran’ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin’ny endri-javatra ankehitriny anie, mba tena ho azonay any an-koatra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0251