Sorona Masina ny Alatsinainy 22 oktobra 2018

Herinandro faha-29 mandavantaona

ALATSINANY


Tononkira fidirana

Sal. 16, 6. 8


Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao avo indrindra amin’ny fonay tokoa.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 2, 1-10


Niara-natsangany sy niara-napetrany amin’i Jesoa Kristy any an-danitra isika.

Ry kristianina havana, fahiny dia matin’ny fahadisoana amam-pahotanareo ianareo, ka izany no nizoranareo nanaraka ny satan’izao tontolo izao, sy ny lehiben’izay fahefana eny amin’ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny ao amin’ny zanaky ny tsy finoana. Ary tsy misy hivoasana amin’izany koa ny toetranay rehetra fony izahay nanaraka ny filan’ny nofonay, sy niliba araka ny danin’ny kibo aman-tsaim-pantatray, ka dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa izahay, araka ny toetranay tamin’izany. Fa Andriamanitra izay manan-karena amin’ny famindram-po, noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin’ny fahotana aza isika, no nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo); niara-natsangany isika, sy niara-napetrany amin’i Jesoa Kristy any an-danitra, mba hanehoany amin’ny andro ho avy ny haben’ny harem-pahasoavany, amin’ny hatsaram-pony amintsika ao amin’i Kristy Jesoa. Satria ny fahasoavana no namonjena anareo noho ny finoana, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha. Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa, mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 99, 2. 3. 4. 5.


Fiv.: Izy no nanao ka Azy isika.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo. Ka fo falifaly anompoana ny Tompo. Tongava eo aminy mihira miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra. Fa Azy isika satria noarìny. Sy tena vahoakany ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra. Ny ao an-kianjany idiro amin-dera. Derao Izy Tompo; ny anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo. Fa mandrakizay ny fitiavany antsika. Amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 4, 20-25


Ary tsy ho azy ihany no nanoratana, fa notanana ho fahamarinana izany, fa ho antsika koa.

Ry kristianina havana, tsy nasian’i Abrahama fisalasalana na ahiahy kely akory ny teny napetrak’Andriamanitra taminy, fa nampaherezin’ny finoana izy, ka nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’ny fitokiana mafy Azy ho mahay manatanteraka ny zavatra rehetra nampanantenainy; koa notanana ho fahamarinany izany. Ary tsy ho azy ihany no nanoratana fa notanana ho fahamarinana izany; fa ho antsika izay hitanana izany koa, dia isika izay mino an’Ilay nanangana ho velona an’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay natolotra noho ny fahadisoantsika, ary nitsangana indray mba ho fanamarinana antsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo: Lk. 1, 69-70a. 70b-71. 72-74a. 74b-75


Fiv.: Isaorana ny Tompo Andriamanitr’i Israely noho Izy namangy sy nanavotra ny olony.

Nanolotra antsika herim-pamonjena Izy, avy amin’ny fianakaviana iray; dia ny an’i Davida mpanompo tiany. Fa izany tokoa no efa nolazainy.
Fa teniny nentin’ny mpaminany, dia ireo olo-masiny fahagola. Ny vonjiny hanala amin’ny fahavalo, hanafaka antsika amin’ny mpankahala.
Noho Izy nandala ny Razantsika, dia indro tsaroany ny fanekeny. Fa teny nomeny an’i Abrahama ny hanafaka antsika amin’ny fahavalo.
Amin’izay isika afa-manompo Azy, tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy; fa entin’ny fo tia sy mahatoky ho eo anatrehany lalandava.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 12, 13-21


Ho an’iza àry izay novorìnao?

Tamin’izany andro izany, nisy anankiray tao amin’ny vahoaka nanao tamin’i Jesoa hoe: “Ry Mpampianatra, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko.” Fa hoy i Jesoa taminy: “Ralehilahy ô, iza moa no nanendry Ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo?” Ary hoy Izy tamin’ny olona: “Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana ianareo, fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany.” Dia nanao fanoharana tamin’izy ireo Izy ka nanao hoe: “Nanan-tany nahavokatra be itý lehilahy mpanan-karena anankiray, ka velona eritreritra toy izao: ‘Inona re no hataoko, fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho itý? Izao lahy no ndeha hataoko, hoy izy: horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibebe kokoa aho, dia hangoniko ao daholo rahefa mety ho vokatro sy fananako rehetra, ary holazaiko amin’ny fanahiko hoe: Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin’ny taona maro ianao ka mialà sasatra, mihinàna, misotroa, manaova fihinanam-be.’ Fa hoy kosa Andriamanitra taminy: ‘Ry adala, anio alina ihany dia halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza àry izay novorinao?’ Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an’ny tenany ihany, fa tsy mba mihary eo amin’Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mihanta aminao izahay manolotra izao fanompoana izao, mba ataovy afaka malalaka manompo Anao ny fonay ary diovy amin’ny fahasoavanao, dia ho mendrika ny handraisanay ny Kômonio.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 32, 18-19

Indro ny mason’ny Tompo eo amin’izay matahotra Azy sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana sy hamelona azy amin’ny andro mosarena.


na hoe:

Mk. 10, 45

Tonga hahafoy ny ainy ny Zanak’Olona mba hanavotra ny be sy ny maro.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina ka sady ho ambinina amin’ny zava-mandalo no hahay hankafy ny soa mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0078