Sorona Masina ny Alahady 21 oktobra 2018

ALAHADY FAHA-29 mandavantaona — B

NY FIJALIANA: AZO AMPIASAINA HO FANAVOTANA

Tononkira fidirana

Sal. 16, 6. 8.

Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao Avo Indrindra amin’ny fonay tokoa.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 53, 10-11

Rehefa nanatitra sorom-pifonana ho an’ny fanahiny izy, dia hahita taranaka, ho lava andro iainana.

Sitraky ny Tompo ny nanorotoro ny Mpanompony tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panorenana, dia hahita taranaka izy, ho lava andro iainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’ny Tompo. Noho ny fijalian’ny fanahiny, dia nahita izy, ka ho afa-po. Ilay marina, Mpanompoko, noho ny fijaliany, hanamarina olona betsaka, ary ny tenany hivesatra ny helok’ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 32. 4-5. 18-19. 20 sy 22


Fiv.: Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo, araka ny hitokianay Anao.

Eny, marina ny tenin’ny Tompo, ny asany rehetra mahatoky, ny rariny sy hitsiny no tiany, mameno ny tany ny fitiavany.
Izay matahotra ny Tompo ahîny, eny, izay miantehitra amin’ny fitiavany hafahany amin’ny fahafatesana, hovelominy amin’ny taona mosarena.
Izahay manantena ny Tompo ilay Mpitahy sy Mpiaro anay. Ny fitiavanao, ry Tompo ô, ho eo aminay matoky anao!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 4, 14-16


Aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana.

Ry kristianina havana, manana Mpisorona lehibe isika izay lasa namaky ny lanitra, dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra, koa aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika. Satria tsy Mpisorombe tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra Izy, afa-tsy ny fahotana. Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro hilàntsika izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 10, 35-45 (lava); na 42-45 (fohy kokoa)

Tonga ny Zanak’Olona mba hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe: “Ry Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay hangatahinay aminao”. Ary hoy Izy: “Inona no tianareo hataoko aminareo?” Dia hoy ireo: “Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao”. Ary hoy i Jesoa taminy: “Tsy fantatrareo izay angatahinareo; moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo, na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?” Hoy ireo taminy hoe: “Zakanay”. Fa hoy kosa i Jesoa: “Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa; fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany”. Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany; fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe:


Eto no monomboka raha ny fohy no atao ka izao no anombohana azy:


(Tamin’izany andro izany, i Jesoa niantso ny roa ambin’ny folo lahy ka nilaza hoe:)


“Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana. Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo, ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra. Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, tsy mbola mifampitondra toy ny mpiray tam-po ny olombelona fa mbola mijery ny maha-samy hafa razana sy volon-koditra ary toe-karena sy fomba fiaina. Koa mangataha amin’i Jesoa Kristy mba samy ho vonon-kanompo toa Azy isika sy ny olombelona rehetra.

Valy: Tianao ‘zahay e Jesoa, enga anie ‘zahay ho voninahitry ny Ray e.

* Mpanompo an’Andriamanitra ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra; koa mivavaha mba tsy hahalalany sasatra, fa handraisany izay rehetra midodododo mankeo aminy sy mandom-baravarana azy.
* Indraindray ny lehibe eto an-tany manjakazaka amin’ny vahoaka; koa angataho Andriamanitra mba hanoro ny fony sy ny fanahiny hanaraka ny Evanjely, hahavonona azy hanampy ny olona rehetra tsy an-kanavaka.
* Maro ny tsy manana asa eran’izao tontolo izao; koa mivavaha ho an’ny ray sy renim-pianakaviana rehetra mba hananany ny ampy hamelomany ny ankohonany.
* Ny fiainan’ny olona sasany dia lany manontolo anaovana raharahan’olon-kafa koa angataho Andriamanitra hamaly soa ny fisasarany ary hanoro ireo mpampiasa ho tsara fo aminy.
* Mivavaha mba ho Andriamanitra no hotompoina voalohany indrindra eto amin’ny Firenentsika sy eto amintsika iray fiangonana, amin’izay rehetra iezahantsika.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Jesoa ô, Tompon’izao tontolo izao Ianao, nefa nifidy ny hanompo ny olombelona arin-tananao; koa ampianaro izahay hahatsiaro fa toetra soa ny mietry sy mahafoy tena hanompo ny namana.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mihanta aminao izahay manolotra izao fanompoana izao, mba ataovy afaka malalaka manompo Anao ny fonay ary diovy amin’ny fahasoavanao, dia ho mendrika handraisanay ny Kômonio.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra III, ohatra.


Kômonio

Sal. 32, 18-19

Indro ny mason’ny Tompo eo amin’izay matahotra Azy sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana sy hamelona azy amin’ny andro mosarena.


na hoe:

Mk. 10, 45

Tonga hahafoy ny ainy ny Zanak’olona, mba hanavotra ny be sy ny maro.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina; ka sady hoambinina amin’ny zava-mandalo, no hahay hankafy ny soa mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1502