Sorona Masina ny Asabotsy 20 oktobra 2018

Herinandro faha-28 mandavantaona

SABOTSY

 

Tononkira fidirana

Sal. 129, 3-4

 

Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr’i Israely!

 

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 1, 15-23

 

Nataony Filoha ambony indrindra i Kristy amin’ny Eglizy izay tenany.

Ry kristianina havana, nony reko ny finoanareo an’i Jesoa Kristy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra, dia tsy mitsahatra ny manao fisaorana noho ny aminareo aho, sy mahatsiaro anareo amin’ny fivavahako, mba homen’ny Rain’ny voninahitra, Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo ny fanahin’ny fahendrena, amam-panambaràna hahalalana Azy tsara; ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina, ary ny halehiben’ny fahefany mihoa-pampana ho an’izay mino, hita amin’ny fiasan’ny heriny tsitoha. Naharihariny tao amin’i Kristy izany heriny izany, tamin’ny nananganany Azy ho velona, sy nametrahany Azy teo ankavanany any an-danitra, ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra, ny fifehezana rehetra, ny fahefana rehetra, ny fanjakana rehetra, ary ny anarana rehetra azo tononina, tsy amin’izao fiainana izao ihany, fa amin’ny fiainana ho avy koa, fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra, ary nataony filohany ambony indrindra Izy amin’ny Eglizy, izay tenany, famenon’Izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany amin’ny rantsam-batany rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 8, 2-3a. 4-5. 6-7

 

Fiv.: Voninahitra ho Anao, ry Tompo, izay nanome ny zavatra rehetra hozakain’ny Zanakao.

Intý aho hihira ny fiandriananao. Ambony sy madera manoatra ny lanitra. Ireo vao minono sy ireo zaza bodo no he miantsa Anao ka mitory fiderana.
Raha hitako ny lanitra nataon’ny tananao, ny volana, ny kintana ’zay namboarinao; fa inona ny olona no mba tsiahivinao! Ny zanak’olombelona e tsimbininao!
Fa lasa ambany kely noho Andriamanitra izy. Ka enim-boninahitra izy nasondrotrao. Ny asan-tananao foinao hozakainy. Ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 4, 13. 16-18

 

Nanantena izy na dia tsy nisy tokony hanantenany aza.

Ry kristianina havana, tsy ny Lalàna no nahazoan’i Abrahama sy ny taranany fampanantenana handova izao tontolo izao, fa ny fahamarinana avy amin’ny finoana. Koa ny finoana no handovana, mba ho araka ny fahasoavana, ka ho mafy ho an’ny taranaka rehetra ny fampanantenana, dia tsy ho an’izay amin’ny Lalàna, fa ho an’izay amin’ny finoan’i Abrahama koa, satria raintsika rehetra izy (araka ny voasoratra hoe: “Natsangako ho rain’ny firenena maro ianao”) eo anatrehan’izay ninoany, dia Andriamanitra mpamelona ny maty, sy mpiantso ny tsy misy toy ny misy. Nino izy, fa nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza, ka tonga rain’ny firenena maro, araka ny voalaza taminy hoe: “Ho tahaka izany ny taranakao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 104, 6-7. 8-9. 42-43

 

Fiv.: Tsaroan’ny Tompo mandrakizay ny fanekeny.

Ry taranak’i Abrahama mpanompony, ry zanak’i Jakôba ianareo voafidiny! Izy no Tompo Andriamanitra: manerana ny tany tontolo ny fitsarany.
Tsaroany mandrakizay ny fanekeny: dia ny teny napetrany ho an’ny taranaka arivo: ilay niantohany tamin’i Abrahama, sy nianianany tamin’i Isaaka.
Eny, tsaroany ny teniny masina tamin’i Abrahama mpanompony; ka dia navoakany ny olony ka niravo; sy ireo voafidiny, ka nihoby.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 12, 8-12

 

Ny Fanahy Masina no hanoro anareo eo no ho eo izay tsy maintsy holazainareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona dia hoeken’ny Zanak’Olona koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra; fa izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona kosa dia holavina koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra. Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’Olona dia hahazo famelan-keloka ihany, fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka intsony. Raha entina ho any amin’ny Sinagôga sy ny mpifehy ary ny manam-pahefana ianareo, dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo fa hatoron’ny Fanahy Masina anareo eo no ho eo ihany izay holazainareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin’ny voninahitra any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 33, 11

Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.

 

na hoe:

1 Jo. 3, 2

Rahefa hiseho ny Tompo, dia hitovy aminy isika, satria hahita Azy araka ny toetrany.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin’ny maha-Andriamanitra Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.024