Sorona Masina ny Alakamisy 18 oktobra 2018

18 Oktôbra

Md. LIOKA, Evanjelista

(Taonjato voalohany)

 

Fankalazana

I Md. Lioka dia Grika teraka tany Antiôkia (Syrie). Olona nanam-pahaizana tokoa izy, fa afa-tsy ny fahaizany nandahatra tsara ny teny grika, dia dokotera mpitsabo fanta-daza indrindra tao Antiôkia tanàna nipetrahany. Ary araka ny lovan-tsofina, dia mpanao sary hoso-doko koa izy, ka izy no voalohany nanao ny sarin’i Masina Maria sy Jesoa Kristy Tompo.
Rahefa nahita an’i Jesoa i Md. Lioka, dia nino Azy, ka tonga mpianany, ary nahafoy ny zava-drehetra mba hanarahany Azy sy hitoriana Azy.
Namana tsy nahasaraka an’i Md. Paoly izy tamin’ny dia rehetra nataony nitory an’i Kristy hatrany Filipy (Grèce). “Dokotera malala” no fiantson’i Md. Paoly azy (Kôl. 4, 14). Nefa dia maro koa ny tany noteteziny samirery nitoriana ny tenim-pamonjena ka niaretany fihafiana sy fijaliana maro sosona. I Md. Lioka no nanoratra ny Evanjely fahatelo izay ahitana ny antsipirian’ny fiandohan’ny tantaran’i Jesoa hatreo amin’ny naha-torontoronina Azy mihitsy. Afa-tsy izany, ny velabelariny tsara indrindra ao amin’ny Evanjely, dia ny asa sy ny teny nataon’i Kristy izay naneho ny hatsaram-pony sy ny fangorahany ny mpanota mibebaka. Izy koa no nanoratra ny Asan’ny Apôstôly izay milazalaza ny niorenan’ny Fiangonana sy ny toetoetry ny kristianina voalohany.
Mangataha amin’Andriamanitra mba hahay mamola-tena sy mifototra amin’ny fivavahana tahaka ny nataon’i Md. Lioka isika amin’ny fiezahana hanaraka ny fitsipika ambaran’ny Evanjely.

 

Tononkira fidirana

Iz. 52, 7

Endrey izany hatsaran'ny tongotr’ilay eny an-tendrombohitra sy manambara ny fiadanana; mitory hasambarana, manambara famonjena.

 

Asiana Voninahitra anie ...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, nofidinao hampianatra sy hanoratra ny Evanjely i Masindahy Lioka, mba hanambara ny misterin’ny fitiavanao ny mahantra sy ny madinika; koa enga anie ireo miravaka ny Anaranao mba ho fo iray sy fanahy iray hatrany, ary ny vahoakanao rehetra mba hahita ny famonjena mandrakizay avy aminao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay... Amen.

 

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

2 Tim. 4, 9-17a

 

I Lioka irery no eto amiko.

Ry malala, tongava faingana atý amiko ianao, fa nilaozan’i Damasy aho, noho ny fitiavany an’izao tontolo izao, ka lasa nankany Tesalônika izy. I Kresensy lasa nankany Galasia, ary i Tito any Dalmatia; i Lioka irery no eto amiko, ka alao i Marka, ento miaraka aminao, fa manampy ahy fatratra amin’ny raharaha izy. I Tisìko dia nirahiko ho any Efezy. Ento kely ilay kapaoty navelako tany Trôasy ao amin’i Karpôsa rahefa mankatý ianao, ary ny boky koa, fa indrindra ny taratasy hoditra. Be loatra ny ratsy nafitsok’i Aleksandra mpanefy varahina tamiko; ny Tompo no hamaly azy araka ny asany. Ary ianao koa mitandrema tena tsara aminy, fa mafy izay nanoherany ny teninay izay. Tsy nisy nanampy ahy tamin’ny nandaharako voalohany hiaro tena; fa nilaozan’izy rehetra aho; enga anie ka tsy hotanana ho helony izany! Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy, mba hanatontosako ny fitorian-teny, sy handrenesan’ny jentily rehetra azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 144, 10-11. 12-13ab. 17-18

 

Fiv.: Mitanisa ny voninahitry ny fanjakanao ny mpivavaka aminao, ry Tompo.

 

na hoe: Ny voninahitr’Andriamanitra Ray:
Hamirapiratra eo amin’i Kristy, eo amin’ny Fiangonany,
Mandrakizay, mandrakizay, eny e, mandrakizay.

Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra! Misaotra Anao ny mpivavaka aminao! Miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo, sy miteny ny asanao mahery.
Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery; sy ny voninahitra sy harevaky ny fanjakanao! Fanjakana mandrakizay tokoa ny fanjakanao; amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao!
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra! Ny Tompo eo anilan’izay rehetra miantso Azy: dia izay rehetra miantso Azy amim-pahamarinana!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 10, 1-9

 

Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy.

Tamin’izany andro izany, nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: “Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany. Mandehana; indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia. Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory any an-dalana. Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: ‘Fiadanana anie ho amin’itý trano itý’; ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. Ary mitoera amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano. Ary amin’izay tanàna idiranareo, raha mandray anareo ny olona, dia hano izay atolony anareo; sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: ‘Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.’”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mba ataovy afaka manompo Anao malalaka izahay noho izao Sorona masina izao, ary enga anie ny fanatitra atolotray hankalazana an’i Masindahy Lioka mba hitondra fanàfana sy voninahitra ho anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Apôstôly I

 

Kômonio

Lk. 10, 1. 9

Nirahin’ny Tompo ny mpianany hanambara amin’ny tanàna halehany hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, hanamasina anay anie ny Kômonio noraisinay teo amin’ny ôtelinao ary koa hanamafy finoana anay ny Evanjely notorìn’i Masindahy Lioka.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085