Sorona Masina ny Asabotsy 13 oktobra 2018

Herinandro faha-27 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Est. 13, 9. 10-11


Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitraponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra eo amin’ny habakabaka; Ianao no Tompon’izao tontolo izao.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon’ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin’izay rehetra mampitebiteby ny fonay ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin’ny fivavahana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia

Gal. 3, 22-29


Efa zanak’Andriamanitra amin’ny finoana ianareo rehetra.

Ry kristianina havana, nohidian’ny Soratra Masina tao amin’ny fahotana izao rehetra izao, mba ho ny finoana an’i Jesoa Kristy no hahazoan’izay mino, ny fampanantenana. Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia nohidiana hambenan’ny Lalàna isika, mba ho amin’ny finoana izay efa haseho atý aoriana. Ny Lalàna àry dia toy ny mpitaiza nitarika antsika ho amin’i Kristy, mba hohamarinina amin’ny finoana isika. Koa nony tonga ny finoana, dia tsy fehezin’izay mpitaiza intsony isika; fa efa zanak’Andriamanitra amin’ny finoana eo amin’i Jesoa Kristy ianareo rehetra. Satria ianareo rehetra natao Batemy ho an’i Kristy, dia nitafy an’i Kristy avokoa. Ka tsy misy Jody na Jentily intsony; tsy misy mpanompo na tsy mpanompo; tsy misy lahy na vavy intsony, fa tena iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa. Ary raha an’i Kristy ianareo, dia taranak’i Abrahama tahaka Azy, ka mpandova araka ny fampanantenana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 104, 2-3. 4-5. 6-7


Fiv.: Tsaroany mandrakizay ny Fanekeny.

Hirao Izy! Antsao! Vetsoy ny asany mahagaga! Ireharehao ny Anarany Masina! Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo!
Katsaho ny Tompo sy ny heriny! Tadiavo lalandava ny tavany! Tsarovy ny asa mahagaga nataony, ny asany mahatalanjona, ny fitsaran’ny vavany.
Ry taranak’i Abrahama mpanompony, ry zanak’i Jakôba, ianareo voafidiny! Izy no Tompo Andriamanitra: manerana ny tany tontolo ny fitsarany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalanao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 11, 27-28


Sambatra ny kibo izay nitondra Anao! Fa vao mainka sambatra izay mihaino ny tenin’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, nisy vehivavy anankiray niantso teo afovoan’ny vahoaka ka nanao tamin’i Jesoa hoe: “Sambatra ny kibo izay nitondra Anao, sy ny nono izay ninonoanao!” — “Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa, izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Fitom. 3, 25

Tsara fo ny Tompo ho an’izay miantehitra aminy, ho an’ny fanahy mikatsaka Azy.


na hoe:

1 Kôr. 10, 17

Iray ihany ny mofo, ka vatana iray isika na dia maro aza, satria mofo iray ihany sy kalisy iray ihany no iombonantsika rehetra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina ary hanova anay hitovy amin’Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0709