Sorona Masina ny Alakamisy 11 oktobra 2018

Herinandro faha-27 mandavantaona

ALAKAMISY

 

Tononkira fidirana

Est. 13, 9. 10-11

 

Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitraponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra eo amin’ny habakabaka; Ianao no Tompon’izao tontolo izao.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon’ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin’izay rehetra mampitebiteby ny fonay ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin’ny fivavahana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia

Gal. 3, 1-5

 

Amin’ny asan’ny Lalàna va no anaovany an’izany, sa amin’ny fihainoana ny finoana?

Ry Galata tsy manan-tsaina, iza no dia nandrebireby anareo, nefa he fa voapetaka tsara teo imasonareo i Jesoa mifantsika! Izao ihany no tiako ho fantatra aminareo: ny asan’ny Lalàna va no andraisanareo ny Fanahy, sa ny fihainoana ny finoana? Ahoana no dia maha-kely saina anareo loatra toy izany, fa nanomboka tamin’ny Fanahy ianareo, ka dia hiafara amin’ny nofo indray ve? Dia ho nahafantatra foana zava-mahagaga toy izany va ianareo? Ka asa raha tsy ho foana tokoa! Izay manome anareo ny Fanahy, sy mahavita asa lehibe eo aminareo, amin’ny asan’ny LaIàna va no anaovany an’izany, sa amin’ny fihainoana ny finoana?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo: Lk. 1, 69-70. 71-72. 73-75

 

Fiv.: Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr’i Israely, noho Izy namangy sy nanavotra ny olony.

Nanolotra antsika herim-pamonjena Izy: avy amin’ny fianakaviana iray. Dia ny an’i Davida mpanompo tiany. Fa izany tokoa no efa nolazainy. Fa teniny nentin’ny Mpaminany: dia ireo olomasiny fahagola.
Ny vonjiny hanala amin’ny fahavalo; hanafaka antsika amin’ny mpankahala. Noho izy nandala ny Razantsika dia indro tsaroany ny Fanekeny.
Fa teny nomeny an’i Abrahama ny hanafaka antsika amin’ny fahavalo. Amin’izay isika afa-manompo Azy tsy anatin’ny tahotra sy ahiahy. Fa entin’ny fo tia sy mahatoky ho eo anatrehany lalandava!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 11, 5-13

 

Mangataha dia hahazo ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Raha misy aminareo manan-tsakaiza mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe: ‘Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho, fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko, nefa tsy manan-katolotra azy aho’, ary ilay tompon-trano kosa hamaly ka hanao hoe: ‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy; izaho sy ny zanako efa tafandry ka tsy afaka hifoha hanome anao aho.’ Lazaiko aminareo, fa raha maharitra mandondòna izy, na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano, dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy. Ary hoy Izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita; mandondòna, dia hovohàna. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no vohàna. Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny, na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny, na hanome maingoka azy, raha atody no angatahiny? Koa raha ianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Fitom. 3, 25

Tsara fo ny Tompo ho an’izay miantehitra aminy, ho an’ny fanahy mikatsaka Azy.

 

na hoe:

1 Kôr. 10, 17

Iray ihany ny mofo, ka vatana iray isika na dia maro aza, satria mofo iray ihany sy kalisy iray ihany no iombonantsika rehetra.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina ary hanova anay hitovy amin’Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082