Sorona Masina ny Alarobia 10 oktobra 2018

Herinandro faha-27 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Est. 13, 9. 10-11


Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitraponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra eo amin’ny habakabaka; Ianao no Tompon’izao tontolo izao.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon’ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin’izay rehetra mampitebiteby ny fonay ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin’ny fivavahana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia

Gal. 2, 1-2. 7-14


Fantany koa ny fahasoavana nomena ahy.

Ry kristianina havana, efatra ambin’ny folo taona taorian’ny nibebahako, dia niakatra tany Jerosalema indray aho; i Barnabe niaraka tamiko, i Tito nentiko koa. Fanambaràna azoko no niakarako tany; ka nasehoko tamin’izy ireo, indrindra fa tamin’ireo nanan-kaja kokoa, ny Evanjely torìko any amin’ny Jentily, hahitany na efa nihazakazaka tokoa aho, na efa nihazakazaka foana. Nony hitany aza fa izaho no nametrahana ny Evanjely ho an’ny tsy voafora, tahaka an’i Piera ho an’ny voafora, satria izay niasa tamin’i Piera haha-Apôstôly azy amin’ny voafora ihany no niasa tamiko koa haha-Apôstôly ahy ho an’ny Jentily, sady fantany koa ny fahasoavana nomena ahy, dia ny nandray tanana anay sy i Barnabe no nataon’i Jakôba sy i Sefasy ary i Joany, izay natao ho andry fiankinana, ary izany no mariky ny firaisana, na izahay aza ho any amin’ny Jentily, fa izy ireo kosa ho any amin’ny voafora. Hany hafany dia ny hahatsiarovanay ny mahantra; ka zavatra nahazoto ahy rahateo ny hanao izany.

Nony tonga tany Antiôkia anefa i Sefasy, dia notoheriko an-kitsirano izao, fa hita fa nanan-tsiny izy. Satria fony tsy mbola tonga ry zareo sasany avy any amin’i Jakôba, dia niara-nihinana tamin’ny Jentily ihany izy; kanjo nony tonga ry zareo ireo, dia niala izy, ka lasa nihatakataka, fa natahotra an-dry zareo voafora. Ary nisy aza Jody sasany, niara-nanao tsikombakomba taminy koa, ka voatarik’izany hatramin’ny tenan’i Barnabe. Vao hitako kosa fa tsy nandeha mahitsy araka ny fahamarinan’ny Evanjely izy ireo, dia i Sefasy no nilazako teo anatrehan’ny olona rehetra hoe: “Koa ianao Jody aza re, manaraka ny fomban’ny Jentily, fa tsy ny an’ny Jody; ka ahoana no dia ahasahianao manery ny Jentily hanaraka ny fomban’ny Jody?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 116, 1. 2.


Fiv.: Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely.

Ianareo firenena rehetra, aoka hiara-midera ny Tompo. Ry vahoaka eran-tany tontolo, aoka hiantsa ny Tompo ianareo.
Ny fitiavany anay tsy mba lefy, tsy mivadika mandrakizay! Hankalaza ny Tompo àry isika: Izy Tompo manjaka amintsika.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Jônasa Mpaminany

Jônasa 4, 1-11


Ianao malahelo noho ny amin’ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao, ary Izaho ve tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva, tanàna lehibe?

Nampalahelo mafy an’i Jônasa ny namindran’ny Tompo fo tamin’ny mponin’i Niniva, ka tezitra terý izy. Nanao fivavahana tamin’ny Tompo izy nanao hoe: “Indrisy, Tompo ô! Tsy izao indrindra va no nolazaiko, fony aho mbola tany amin’ny taniko. Koa izany no nandosirako ho any Tarsisa aloha, satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra, malain-kitezitra, be fitiavana Ianao, ary manenina amin’ny loza voalazanao. Koa ankehitriny, Tompo ô, esory amiko ny fanahiko, fa aleoko maty toy izay velona.” Fa hoy ny navalin’ny Tompo: “Mety va ny hatezeranao?”

Dia nivoaka ny tanàna i Jônasa, ka nipetraka teo atsinanan-tanàna, nanao trano rantsan-kazo ho azy, sy nipetraka nialokaloka teo ambanin’io mandra-pahitany izay hanjò ny tanàna. Ary ny Tompo Andriamanitra nampaniry tanantanamanga, izay nisondrotra teo ambonin’i Jônasa mba hialokalofan’ny lohany, mba hanafahana azy amin’ny alahelony ka nahatsiaro faly erý i Jônasa, tamin’ny tanantanamanga. Kanjo nony ampitso raha vao niposaka ny mazava atsinanana, dia nandefa fositra ny Tompo hamely ilay tanantanamanga, ka tonga maina izy. Nony niposaka indray ny masoandro, dia nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana ny Tompo sady nasian’ny masoandro ny lohan’i Jônasa; ka efa àna mihitsy izy. Nangataka ny ho faty izy nanao hoe: “Aleoko maty toy izay ho velona.” Fa hoy ny Tompo tamin’i Jônasa: “Mety va izao hatezeranao, noho ny amin’ny tanantanamanga izao?” Ka hoy ny navaliny: “Mety ny hatezerako mandra-pahafatiko.” Dia hoy ny Tompo: “Ianao malahelo noho ny amin’ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao, tsy nampanirianao, izay naniry tamin’ny indray alina monja, dia maty tanatin’ny indray alina koa; ka Izaho va tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva, tanàna lehibe, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, tsy mahay manavaka ny havanany amin’ny haviany, ary biby be dia be!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 85, 3. 4. 5-6. 9-10


Fiv.: Ianao, ry Tompo, mpamindra fo sy mpiantra.

Amindrao fo hatrany re, ry Tompo, fa Ianao no efa antsoiko isan’andro. Itý fanahiko asandratro aminao, dia ho dibo-kafaliana re ny foko.
Tsara fo sady antra Ianao, ry Tompo; he! tianao ireo matoky miantso Anao. Mitalaho an-tanan-droa aho ka henoy, izany antso sy talahoko reneso.
Ary ireo firenena arianao, ho tonga avokoa hiankohoka aminao, fa dia lehibe tokoa ny Anaranao, mahagaga raha ny asa vitanao.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 11, 1-4


Ampianaro hivavaka izahay Tompo ô.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nivavaka tao amin’ny fitoerana anankiray, ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: “Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany.” Ary hoy Izy taminy: “Raha mivavaka ianareo manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro. Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Fitom. 3, 25

Tsara fo ny Tompo ho an’izay miantehitra aminy, ho an’ny fanahy mikatsaka Azy.


na hoe:

1 Kôr. 10, 17

Iray ihany ny mofo, ka vatana iray isika na dia maro aza, satria mofo iray ihany sy kalisy iray ihany no iombonantsika rehetra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina ary hanova anay hitovy amin’Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085