Sorona Masina ny Alahady 07 oktobra 2018

ALAHADY FAHA-27 mandavantaona — B

FIANAKAVIANA IRAY NY OLOMBELONA

Tononkira fidirana

Est. 13, 9. 10-11

Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitra-ponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra eo amin’ny habakabaka; Ianao no Tompon’izao tontolo izao.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon’ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin’izay rehetra mampitebiteby ny fonay ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin’ny fivavahana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Jenezy

Jen. 2, 18-24

Ho nofo iray ihany izy roa ireo.

Hoy ny Tompo Andriamanitra: “Tsy tsara raha irery ny olona; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy”. Ary ny Tompo Andriamanitra, izay efa namorona tamin’ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha sy ny vorona rehetra eny amin’ny habakabaka, dia nampiavy azy hankeo amin’i Adama mba hahitany izay hanononany azy avy, hitondran’ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen’i Adama azy avy. Dia nomen’i Adama anarana avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha, nefa tsy hitany izay ho mpanampy an’i Adama mitovy aminy. Ka nataon’ny Tompo Andriamanitra renoky ny torimaso i Adama, dia natory; ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray, fa nofo no nakombony ho solony. Ny taolan-tehezana nalain’ny Tompo Andriamanitra tamin’i Adama dia namoronany vehivavy iray, ka nentiny teo amin’i Adama. Ary hoy i Adama: “Amin’izao, ity no taolana avy amin’ny taolako, sy nofo avy amin’ny nofoko. Hantsoina hoe vehivavy izy (isha), satria nalaina avy tamin’ny lehilahy (ish)”. Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 127, 1-2. 3. 4-5. 6.


Fiv.: Hitahy antsika anie ny Tompo amin’ny andro rehetra hiainantsika.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, izay mizotra feizay amin’ny lalany. Eny, ahazoanao tombontsoa ny asanao: hasambarana moa ny anao!
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao; ny zanakao solofon’ôliva manodidina ny latabatrao.
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo! Avy ao Siôna anie ny Tompo hitahy anao hatrany:
Hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema amin’ny andro rehetra hiainanao. Sy hahitanao ny zanaky ny zanakao. Ho eo amin’i Israely anie ny fiadanana!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 2, 9-11


Fototra iray ihany no niavian’izy rehetra, na ny manamasina na ny hamasinina.

Ry kristianina havana, Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely, dia Izy Jesoa, no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy. Fa mendrika an’ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra, izay mitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra, ny nandavorary ao amin’ny fijaliana Ilay iavian’ny famonjena an’ireo. Satria fototra iray ihany no niavian’izy rehetra, na ny manamasina na ny hamasinina, hany ka tsy mahamenatra Azy ny miantso azy ireo hoe rahalahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao, Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 10, 2-16 (lava); na 2-12 (fohy kokoa)

Aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona.

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe: “Mahazo misao-bady va ny lehilahy?” Ary izao no navaliny azy ireo: “Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?” Dia hoy izy: “Nomen’i Môizy alalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy”. Fa hoy kosa i Jesoa: “Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo. Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra; noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona”. Nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin’izany indray ny mpianany, ka hoy Izy taminy: “Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana; ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa dia mijangajanga”.


Eto no ajanona raha ny fohy no atao, tohizina raha ny lava.


Ary nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahany tanana, nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra; ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe: “Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo, satria ny toa azy no hanana ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy mandray ny fanjakan’ny lanitra tahaka ny zazakely dia tsy hiditra any”. Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, noarîn’Andriamanitra lahy sy vavy ny olombelona mba hifankatiavan’ny mpivady sy hiarahany miaina ho sambatra; koa miaraha mivavaka ho an’ny tokantrano rehetra eran-tany sy hanjakan’ny fifankatiavana ao amin’ny fianakaviam-ben’ny olombelona rehetra.

Valy: Mandrosoa e, mandrosoa ao an-tranonay Ianao, ry Jesoa!

* Mivavaha ho an’ny Eveka sy ny Pretra mba hahasambatra azy ny nanokanany tena, hiasa hahafianakavian’Andriamanitra ny olombelona rehetra.
* Mivavaha ho an’ny mpitondra sy ny mpanao lalàna mba ho didy mifanaraka amin’ny sitra-pon’Andriamanitra no havoakany momba ny fianakaviana, ka hahasambatra ny tokantrano tsirairay.
* Misy fianakaviana tafasaraka vokatry ny ady na ny tsy fifanarahana na tsy fahampian’ny fitiavana; koa mivavaha mba hahatafaverina azy amin’ny hasambarana sy ny fitiavana ao amin’ny tokantranony.
* Mivavaha ho an’ny tokantranontsika tsirairay sy ny fianakaviambentsika iray fiangonana, mba hanjakan’ny fitiavana bebe kokoa hatrany, eto amintsika rehetra.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Jesoa Tompo ô, nasainao maka tahaka ny fianakavianao Andriamanitra ny fianakavianay ety an-tany, ary fototra ijoroan’ny firenena. Koa ombao fitiavana na ireo miomana hanorina tokantrano na ny ray amandreny na ny zanaka; ary mba tsofy rano izahay tsy hisara-mianakavy na ety an-tany na rehefa any an-koatra.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra VI, ohatra.


Kômonio

Fitom. 3, 25

Tsara fo ny Tompo ho an’izay miantehitra aminy, ho an’ny fanahy mikatsaka Azy.


na hoe:

1 Kôr. 10, 17

Iray ihany ny Mofo, ka vatana iray isika na dia maro aza; satria Mofo iray ihany sy kalisy iray ihany no iombonantsika rehetra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina ary hanova anay hitovy amin’Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0078