Sorona Masina ny Alarobia 03 oktobra 2018

Herinandro faha-26 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Dan 3, 31. 29. 30. 43. 42


Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben’ny famindram-ponao izahay.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin’ny zava-tsoa any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jôba

Jôb. 9, 1-12. 14-16


Ahoana no hahamarina ny olombelona mifandahatra amin’Andriamanitra?

Namaly an’ireo namany i Jôba nanao hoe: “Fantatro tsara fa izany tokoa no izy: Ahoana no hahamarina ny olombelona mifandahatra amin’Andriamanitra? Fa raha mitady hifamaly aminy izy, dia tsy hahavaly Azy, na dia iray amin’ny arivo aza. Fa hendry Andriamanitra ao am-pony, mahefa Izy amin’ny heriny. Zovy moa no nanohitra Azy, ka tsy naninon-tsy naninona? Mamindra ny tendrombohitra Izy, ka tsy fantatr’izy ireo: mandrodana ireny amin’ny hatezerany Izy; manifikifika ny tany amin’ny fanorenany Izy, dia mihozongozona ny andriny. Mandidy ny masoandro Izy, dia tsy miposaka io; asiany tombo-kase ny kintana. Izy irery no mamelatra ny lanitra, mandia ny onjan-dranomasina. Izy no nahary ny Orsa, ny Telo-nohorefy, ny Kotokelimiadilaona ary ny lafin’ny lanitra atsimo. Manao zava-dehibe tsy hay fantarina Izy, dia zava-mahagaga tsy tambo isaina. Indro fa mandalo eo akaikiko Izy, tsy mahita Azy aho; manalavitra indray Izy, tsy mahatsikaritra aho. Raha mipaoka remby Izy, zovy no hahasakana izany? Zovy no hanao aminy hoe: ‘Fa inona itý ataonao?’ Ka izaho ve no hanonofy izay hamaly Azy, ka hifantina izay teny hifandaharako aminy? Na hanana ny marina aza aho tsy hahavaly akory, ny hangataka ny famindram-pon’Izy mpitsara ahy no hataoko. Na ho nanaiky ny fitarainako aza Izy, dia tsy hoheveriko ho nihaino ny feoko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 87, 10bd-11. 12-13. 14-15


Fiv.: Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako, ry Tompo!

Tontolo andro aho miantso Anao, sy mananty tanana aminao! Moa ny maty mba miaiky Anao hahefa zava-mahagaga? Ny matoatoa moa mitsangana hidera Anao?
Misy miteny ny hatsaram-ponao va any am-pasana? na ny fahamarinanao any amin’ny toeram-pahaverezana? Angaha fantatra any amin’ny maizina ny zava-mahatalanjona vitanao? sy any amin’ny tanin’ny fanadinoana ny fitiavanao ny rariny?
Eny, ry Tompo, mitaraina aminao aho! Mitsena Anao vao maraina ny fivàvako! Nahoana, ry Tompo, no dia arianao ny fanahiko, sy afeninao ahy ny Tavanao?


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Nehemia

Nehem. 2, 1-8


Raha mba nahita fitia teo anatrehan’ny Mpanjaka aho dia mba alefaso any an-tanindrazako hanamboarako azy.

Tamin’ny volana Nisàna, taona faharoapolo nanjakan’i Artakserksesa mpanjaka, raha ilay efa mby teo anoloany iny ny divay, dia noraisiko izaho Nehemia ny divay ka natolotro ny mpanjaka, ary nitandrina aho mba tsy halahelo teo anatrehany. Ka hoy ny mpanjaka tamiko: “Nahoana itý ianao no malahelo tarehy, kanefa tsy marary tsinona? Tsy inona izao, fa alahelon’ny fo mihitsy!” Nivadi-po terý aho, ka namaly ny mpanjaka hoe: “Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka! Hataoko ahoana no tsy falahelo tarehy, kanefa ny tanàna nisy ny fasan-drazako rava ary ny vavahadiny levon’ny afo?” Dia hoy ny mpanjaka tamiko: “Inona no tianao hangatahina amiko?” Nivavaka tamin’Andriamanitry ny lanitra aho, dia namaly ny mpanjaka hoe: “Raha sitraky ny mpanjaka ka mba nahita fitia eo imasony koa itý mpanompony dia alefaso aho ho any Jodà, any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako azy indray.” Nipetraka teo anilany koa ny mpanjakavavy tamin’izay, ary hoy ny mpanjaka tamiko: “Haharitra ohatrinona ny dianao, ary rahoviana no hiverina ianao?” Dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy, ka nilaza fetr’andro taminy aho. Ary hoy koa aho tamin’ny mpanjaka: “Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homena taratasy aho, ho an’ny governora any an-dafin’ny ony, mba hamelany ahy handeha, mandra-pahatongako any Jodà, ary taratasy anankiray koa ho an’i Asafa mpitandrina ny alan’ny mpanjaka, mba hanomezany hazo ahy, hanaovana sakamandimby hatao amin’ny varavaran’ny trano mimanda manoloana ny tempoly sy hatao amin’ny mandan’ny tanàna, mbamin’ny trano hihatahako.” Dia nomen’ny mpanjaka ahy izany, fa nomba ahy ny tanana manambin’Andriamanitro.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 136, 1-2. 3. 4-5. 6


Fiv.: Aoka hipetaka amin’ny lanilaniko ny lelako, raha tsy mahatsiahy anao aho!

Teo amoron’ny onin’i Babela, nitorovoka izahay, nitomany mafy nahatsiahy an’i Siôna! Ny lokanganay nahantonay tamin’ny hazomalahelo izay teny.
Dia avy ny mpamabo nangataka hira, ny mpifaoka anay nangata-pifaliana: «Ihirao hiran’i Siôna hoe izahay!»
Fa dia hataonay ahoana no fihira ny hiran’ny Tompo atý an-tanin’olona? Raha sanatria manadino anao aho, ry Jerosalema, aoka ho maina ny tanako.
Aoka hipetaka amin’ny lanilaniko ny lelako, raha tsy mahatsiahy anao aho, raha tsy ianao, ry Jerosalema, no hany antom-pifaliako!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ka tariho amin’ny fahamarinanao aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 9, 57-62


Hanaraka Anao aho, na aiza na aiza halehanao.

Tamin’izany andro izany, raha mbola teny an-dalana ho any Jerosalema i Jesoa sy ny mpianany, dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: “Hanaraka Anao aho, na aiza na aiza halehanao.” Fa hoy i Jesoa taminy: “Ny amboadia manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany; fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany.” Ary hoy Izy tamin’ny anankiray hafa: “Manaraha ahy.” Dia izao no navalin’io: “Aoka aloha, Tompoko, handevina ny raiko aho.” Fa hoy i Jesoa taminy: “Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy, fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra.” Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe: “Hanaraka Anao aho, Tompoko, fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho.” Fa hoy i Jesoa taminy: “Rahefa mety ho mpitana angadin’omby miherika, dia tsy sahaza ny Fanjakan’Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie itý tolotra entinay itý sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 118, 49-50

Tsarovy ny teninao tamin’ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izany no fiononako amin’ny fahoriako.


na hoe:

1 Jo. 3, 16

Izao no ahafantarantsika fa tena tia antsika Andriamanitra: nahafoy ny ainy ho antsika Izy, ka tsy maintsy mahafoy aina ho an’ny namana isika.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, itý mistery avy any an-danitra itý; ary miara-mijaly amin’i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin’ny voninahitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2048