Sorona Masina ny Alatsinainy 01 oktobra 2018

Herinandro faha-26 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Dan 3, 31. 29. 30. 43. 42


Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben’ny famindram-ponao izahay.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin’ny zava-tsoa any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jôba

Jôb. 1, 6-22


Ny Tompo no nanome, ny Tompo no naka; hisaorana anie ny Anarany.

Indray andro, nony tonga teo anatrehan’ny Tompo ireo zanak’Andriamanitra, dia mba tonga teo afovoan’izy ireo koa i Satana. Ka hoy ny Tompo tamin’i Satana: “Avy aiza ianao?” Dia hoy ny navalin’i Satana: “Avy nitety ny tany aho sy nitsangantsangana teny.” Ary hoy ny Tompo tamin’i Satana: “Efa nandinika an’i Jôba mpanompoko va ianao? Tsy misy olona toa azy eny ambonin’ny tany, marina, mahitsy, matahotra an’Andriamanitra, ary mifady ny ratsy.” Fa hoy i Satana namaly ny Tompo: “Moa matahotra an’Andriamanitra maimaim-poana va i Jôba? Tsy efa vitanao fefy manodidina va ny tenany, ny ankohonany mbamin’ny ananany rehetra? Fa nambininao ny asan’ny tanany, ka manenika ny tany ny biby fiompiny. Fa ahinjiro ny tananao dia kasiho ny ananany, raha tsy manozona Anao manatrika izy!” Ka hoy ny Tompo tamin’i Satana: “Indro azonao anaranam-po avokoa izay ananany, fa ny tenany tokana no aza kasihin-tanana.” Dia niala teo anatrehan’ny Tompo i Satana.

Ary indray andro, raha ilay nihinana sy nisotro divay tao an-tranon’ny zokiny lahimatoa iny, ireo zanany lahy aman-janany vavy, dia nisy iraka tonga nilaza tamin’i Jôba hoe: “Raha mbola niasa ny omby, ka nihinana teo akaikiny koa ny ampondravavy, dia tonga tampoka ny Sabeanina nandroba azy ireo, sady namono ny ankizilahy tamin’ny lelan-tsabatra, fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao.” Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: “Nilatsaka avy any an-danitra ny afon’Andriamanitra ka nandoro ny ondry mbamin’ny ankizilahy, sy nandevona azy, fa izaho irery no hany afa-nandositra hilaza izany aminao.” Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: “Niantoraka tamin’ny rameva ny Kaldeanina nizara telo toko, ka nandroba azy, sady namono ny ankizilahy tamin’ny lelantsabatra; fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao.” Mbola miteny eo io, dia nisy iray koa tonga nilaza hoe: “Nihinana sy nisotro divay tao amin’ny zokiny lahimatoa, ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ary indro nisy rivotra mahery nifofofofo avy any an-dafin’ny efitra nanainga ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin’ireo zatovo ny trano, ka maty izy; izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao.”

Dia nitsangana i Jôba tamin’izay, nandrovitra ny fitafiany, nanaratra ny lohany, nidaboka tamin’ny tany ary niankohoka nanao hoe: “Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’i neny, ary mitanjaka no hiverenako any indray. Ny Tompo no nanome, ny Tompo no naka; hisaorana anie ny Anaran’ny Tompo.” Tamin’izany rehetra izany i Jôba tsy nanota akory, na nilaza hadalana momba an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 16, 1. 2-3. 6-7


Fiv.: Anongilano sofina aho, henoy teny, ry Tompo.

Henoy ny antsoko, ry Tompo! Ataovy re ny tarainako! Mampandria sofina amin’ny tonom-bavako, izay tsy avy amina molotra mpamitaka!
Ny Tavanao mamoaha ny rariny ho ahy, ny masonao mahità ny hitsiny. Savao ny foko; tampohy alina aho; manasedrà fa tsy hahita tsiny!
Miantso aho, ka valio, ry Andriamanitra: anongilano sofina, henoy teny! Ataovy mahatalanjona ny hatsaram-ponao lehibe, ry Ilay Mpamonjy amin’ny fahavalo an’izay mifefy amin’ny tananao!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Zakaria Mpaminany

Zak. 8, 1-8


Indro Aho hanafaka ny vahoaka avy any atsinanana sy avy any andrefana.

Tonga ny tenin’ny Tompon’ny tafika nanao hoe: “Saro-piaro dia saro-piaro an’i Siôna Aho, sady entim-pahatezerana mafy Aho, noho ny aminy. Tafaverina eto Siôna Aho, ka te-honina eo afovoan’i Jerosalema; i Jerosalema hantsoina hoe: “Ny tanànan’ny fahamarinana”; ary ny tendrombohitry ny Tompon’ny tafika, hatao hoe: “Ny tendrombohitry ny fahamasinana.” Mbola hisy anti-dahy sy anti-bavy indray, hipetraka eny amin’ny kianja any Jerosalema, samy hitana tehina avy noho ny andro niainany efa maro. Ny kianjan’ny tanàna ho feno zazalahy aman-jazavavy milalao eny amin’ny kianjany. Amin’izany andro izany, na hiseho ho zava-mahagaga aza izany eo imason’izay sisa amin’itý firenena itý; moa ho zava-mahagaga eo imasoko koa va izany? — teny marin’ny Tompon’ny tafika —. Indro Aho hanafaka ny vahoakako avy any amin’ny tany atsinanana sy ny tany andrefana; hoentiko mody izy honina ao afovoan’i Jerosalema, ka izy ho vahoakako ary Izaho ho Andriamanitr’izy ireo amin’ny rariny sy ny hitsiny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 101, 16-18. 19-21. 29 sy 22-23


Fiv.: Hanorina an’i Siôna ny Tompo, ka hiseho anatin’ny Voninahiny.

Hatahotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena, ny voninahitrao, ny Mpanjaka rehetra eran-tany! Ny Tompo mantsy hanorina an’i Siôna, ka hiseho anatin’ny voninahiny, hanatrika ny vavak’izay norobaina, tsy hanosika ny talahon’izy ireo!
Soraty izany ho an’ny taranaka any aoriana: ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho àry! Avy any an-toerany Masina any ambony Izy mitsinjo, avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany: hahahenoany ny senton’ny mpifatotra, hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.
Ny zanaky ny mpanomponao handry fehizay, ary ny taranany hijoro eo anoloanao! Ka ho voatantara ao Siôna ny Anaran’ny Tompo, sy ao Jerosalema ny fiderana Azy, raha ho tafaray mba hanompo ny Tompo ireo vahoaka sy ireo fanjakana!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 9, 46-50


Izay kely indrindra eo aminareo no ho lehibe indrindra.

Tamin’izany andro izany, nisy hevitra tonga tao an-tsain’ireo mpianatra, dia ny amin’izay lehibe aminy. Fantatr’i Jesoa ny hevitra tao am-pony, ka naka zaza kely anankiray Izy napetrany teo anilany, dia hoy Izy tamin’izy ireo: “Na iza na iza mandray itony zaza kely itony amin’ny Anarako dia mandray Ahy, ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe.” Dia niteny i Joany nanao hoe: “Ry Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony tamin’ny Anaranao izahay, ka noraranay, satria tsy namantsika izy.” Fa hoy i Jesoa taminy: “Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie itý tolotra entinay itý sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 118, 49-50

Tsarovy ny teninao tamin’ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izany no fiononako amin’ny fahoriako.


na hoe:

1 Jo. 3, 16

Izao no ahafantarantsika fa tena tia antsika Andriamanitra: nahafoy ny ainy ho antsika Izy, ka tsy maintsy mahafoy aina ho an’ny namana isika.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, itý mistery avy any an-danitra itý; ary miara-mijaly amin’i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin’ny voninahitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008