Sorona Masina ny Alahady 30 septambra 2018

ALAHADY FAHA-26 mandavantaona — B

IZA AVY NO TENA AN’I KRISTY?

Tononkira fidirana

Dan. 3, 31. 29. 30. 43. 4.

Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben’ny famindram-ponao izahay.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao, koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin’ny zava-tsoa any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Fanisana

Fanis. 11, 25-29

Noho ny amiko va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan’ny Tompo.

Tamin’izany andro izany, nidina teo amin’ny rahona ny Tompo dia niteny tamin’i Môizy; nangalany ny Fanahy izay tao amin’i Môizy, ka nataony tao amin’ny loholona fitopolo lahy, naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny Fanahy, nefa tsy notohiziny izany. Nisy olona roa lahy, atao hoe Eldada ny anankiray, ary i Medada ny anankiray, nijanona teo an-toby; ary tonga tao amin’izy ireo ny Fanahy; anisan’ny voasoratra izy ireo nefa tsy nankany amin’ny trano lay, ary naminany teo an-toby izy. Dia nihazakazaka nilaza izany tamin’i Môizy ny zazalahy anankiray, nanao hoe: “Maminany atsy an-toby i Eldada sy i Medada”. Niteny niaraka tamin’izay i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’i Môizy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: “Ry Môizy tompoko ô, rarao izy roa lahy”. Fa hoy ny navalin’i Môizy azy: “Noho ny amiko va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan’ny Tompo, ary hataon’ny Tompo ao aminy ny Fanahiny”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 18, 8. 10. 12-13. 14


Fiv.: Mahafaly fo ny fitsipiky ny Tompo.

Ny lalàn’ny Tompo lavorary, mamelombelona fanahy; ny didin’ny Tompo mahatoky, mampahendry olon-tsotra.
Ny tenin’ny Tompo madio, maharitra mandrakizay; ny fitsaràn’ny Tompo koa marina, samy rariny avokoa.
Koa ny mpanomponao mankasitraka ireny, fa tombontsoa ireny raha voatandrina. Ny hadisoan’ny tena, tsy mba hita: avelao ny ota izay tsy tandriko.
Ny avonavona iarovy ahy, ity mpanomponao anie tsy ho voafehiny, ka dia ho afaka amin’ny loto sy ny hadisoana bevava.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Jakôba Apôstôly

Jak. 5, 1-6


Ny harenareo efa lo.

Anareo mpanan-karena kosa indray izao: Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona. Ny harenareo efa lo; ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao; ny volamena sy ny volafotsinareo efa harafesina; ary ny harafesiny dia hiampanga anareo, sy handevona ny nofonareo, toy ny afo. Efa nanangona hatezerana ho anareo ho amin’ny andro farany ianareo. Indro, mitaraina ny karaman’ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo; ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’ny tafika ny fitarainany. Nivelona teto an-tany tamin’ny hanim-py ianareo sy nanaram-batana tamin’ny fahafinaretana; namoky ny fonareo tamin’ny andro fandringanana ianareo. Nanameloka sy namono ny olo-marina ianareo, fa tsy nanohitra anareo izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 9, 37-42. 44. 46-47

Izay tsy manohitra anareo, dia momba anareo. Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy.

Tamin’izany andro izany, namaly ny tenin’i Jesoa i Joany ka nanao taminy hoe: “Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay; nefa tsy namantsika ka noraranay”. Fa hoy i Jesoa: “Aza raranareo izy; fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana. Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny Anarako, satria an’i Kristy ianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy. Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarîna amin’ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy. Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy, fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa avarina any amin’ny gehena, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina. Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manana tongotra roa avarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina. Raha ny masonao no manafintohina anao, esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao, toy izay mana-maso roa avarina any amin’ny gehen’afo, izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ny Soratra Masina novakina androany dia miangavy antsika ho tsara fo amin’ny olona rehetra; koa mivavaha indrindra ho an’ireo mandeha amin-kitsim-po sy mitady ny marina ary mikatsaka ny rariny.

Valy: Tsy ho very mandeha ‘zay rehetra mifefy aminao.

* Mivavaha mba ho tsara fo amin’ny olona rehetra mandrakariva ny mpiandraikitra ny Fiangonana, ka tsy hanosi-bohon-tanana an’iza na iza.
* Maro ny mahafoy tena maimaim-poana, amin’ireo mbola tsy mahalala ny Evanjely; koa angataho Andriamanitra mba hitahy ny herim-pony tsy ho lefy, ary hamaly soa ny fahafoizany sy ny fandavan-tenany.
* Ny gazety sy ny fomba filazàm-baovao dia mety hahasoa ary mety hanimba; koa mivavaha ho an’ny mpanoratra sy ny mpanao gazety ary ny mpampiely vaovao, mba hikendreny izay marina sy izay mahasoa mandrakariva.
* Mivavaha isika ho an’ny mpampianatra rehetra: hiezahany hatrany hitarika ny mpianany hanaraka ny tsara sy ny soa ary ny marina.
* Mifampivavaha isika fiantson’ny olona hoe: «mpivavaka» mba tsy ho fanafintohinana ho an’ny olona na ny tenintsika, na ny ataontsika fa ho vavolombelona hahitan’ny olona an’i Kristy tokoa.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, ampio izahay ho tsara fo sy hanao ny marina amin’ny olona rehetra; ho tsara fandray izay manatona anay, ary hahatarika azy rehetra hanao ny tsara amin’ny fahafoizanay tena sy ny fahamarinanay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie ity tolotra entinay ity sy ho tonga Ioharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra V, ohatra.


Kômonio

Sal. 118, 49-50

Tsarovy ny teninao tamin’ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay asainao antenaiko; izany no fiononako amin’ny fahoriako.


na hoe:

1 Jo. 3, 16

Izao no ahafantarantsika fa tena tia antsika Andriamanitra: nahafoy ny ainy ho antsika Izy, ka tsy maintsy mahafoy aina ho an’ny namana isika.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, ity mistery avy any an-danitra ity; ary miara-mijaly amin’i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin’ny voninahitrao.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0809