Sorona Masina ny Zoma 28 septambra 2018

Herinandro faha-25 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana


Izaho no vonjin’ny vahoakako, hoy ny Tompo. Na inona na inona manjò azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakizay.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fitiavana Anao sy ny fitiavana ny namana no nataonao fototry ny didinao masina; koa mba ataovy mitandrina ny lalànao izahay hahatongavanay any amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’ny Mpitoriteny

Mpitoriteny 3, 1-11


Misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra atý ambany masoandro.

Samy misy fotoana voatendry ho azy avokoa ny zavatra rehetra; misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra atý ambany masoandro: fotoana hahaterahana, ary fotoana hahafatesana; fotoana hambolena, ary fotoana hanongotana izay nambolena. Fotoana hamonoana ary fotoana hanasitranana; fotoana hanjerana ary fotoana hananganana; fotoana hitomaniana ary fotoana hihomehezana; fotoana higogogogoana ary fotoana handihizana. Fotoana hanelezam-bato, ary fotoana hanangonana azy; fotoana hamihinana, ary fotoana hifadiana ny fifamihinana. Fotoana hitadiavana, ary fotoana hamerezana; fotoana hitahirizana, ary fotoana hanariana. Fotoana handrovitana, ary fotoana hanjairana; fotoana hanginana, ary fotoana hitenenana. Fotoana hitiavana, ary fotoana hankahalana; fotoana hiadiana, ary fotoana hihavanana.

Inona no soa azon’izay miasa, amin’ny hasasarana iaretany? Nodinihiko ny asa asain’Andriamanitra isasaran’ny zanak’olombelona; ka ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy; ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireo koa, nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafarany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 143, 1a sy 2abd. 3-4


Fiv.: Isaorana ny Tompo vatolampiko.

Isaorana ny Tompo vatolampiko, Ilay fialofako sy toera-mafy ho ahy, fiarovana avo ho ahy sy mpanafaka ahy! Ilay ampinga sy aroko.
Tompo ô, inona ny olombeloria no dia ahìnao? ny zanak’olombelona voaarakao maso? Ny olombelona dia toa tsio-drivotra; ny androny, aloka mihelina!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’Akjea Mpaminany

Akjea 1, 15b — 2, 1-9


Tsy ho ela dia hofenoiko voninahitra itý Trano itý.

Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa, tamin’ny volana fahafito, andro faharaika amby roapolon’ny volana, tonga ny tenin’ny Tompo, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, nanao hoe: “Lazao amin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora any Jodà, sy amin’i Jôsoe, zanak’i Jôsedeka, mpisorona lehibe, ary ny vahoaka sisa rehetra, ataovy hoe: Iza aminareo sisa velona, no nahita itý trano itý tanatin’ny voninahiny taloha, sy ahoana no toetra ahitanareo azy ankehitriny? Tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo va itý? Ary ankehitriny matokia, ry Zôrôbabela — teny marin’ny Tompo —. Matokia, ry Jôsoe, zanak’i Jôsedeka, mpisorona lehibe. Matokia ianareo vahoaka rehetra amin’ny tany — teny marin’ny Tompo —, ary miasà! fa momba anareo Aho, — teny marin’ny Tompon’ny tafika —. Mbola eo ihany ny fanekena nataoko taminareo, fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta; ary mitoetra eo aminareo ny Fanahiko; koa aza matahotra akory. Fa izao no lazain’ny Tompon’ny tafika: indray mandeha ihany, sady tsy ho ela, no mba hanozongozonako ny lanitra sy ny tany, mbamin’ny ranomasina sy ny tanety. Hanozongozona ny firenena rehetra Aho ka ho tonga ny rakitry ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra itý trano itý, hoy ny Tompon’ny tafika. Ahy ny volafotsy, Ahy ny volamena — teny marin’ny Tompon’ny tafika —. Ho lehibe ny voninahitr’itý Trano itý, ny voninahitra farany hihoatra ny voalohany; ary eto amin’itý fitoerana itý no hametrahako ny fiadanana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 42, 1-2. 3. 4


Fiv.: Matokia an’Andriamanitra: izaho mbola hidera Azy. Izy no Mpamonjy Ahy sy Andriamanitro.

Omeo rariny aho, ry Andriamanitra, iandanio manohitra ny firenena tsy mpivavaka! Afaho amin’ny olona mpamitaka sy mpanao ratsy, fa Ianao no Andriamanitra mandako! Ahoana aho no mijoretra asiam-pahavalo?
Ny hazavana sy fahamarinanao alefa hitarika ahy ka hahatonga hatrany am-Bohitrao masina, hatrany amin’ny Fonenanao.
Hankeo amin’ny ôtelin’Andriamanitra aho, eo amin’ilay Andriamanitra fototry ny hafaliako, ka hidera Anao amim-baliha, ry Andriamanitra Andriamanitro.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo Andriamanitra ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 9, 18-22


Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra. Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany, raha nivavaka tany amin’ny toerana mangingina i Jesoa ka teo aminy koa ny mpianany, dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe: “Ataon’ny vahoaka ho iza moa Aho?” Ary namaly ireo ka nanao hoe: “Ny sasany manao hoe: i Joany Batista, ny sasany milaza hoe i Elia, ary ny sasany manao hoe: ny anankiray amin’ny mpaminany taloha no nitsangan-ko velona.” “Fa ianareo kosa, hoy Izy, mba manao Ahy ho iza?” Dia namaly i Piera ka nanao hoe: “I Kristin’Andriamanitra.” Nefa norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza izany amin’olona, sady nampiany hoe: “Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona, ka harian’ny loholona sy lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao; ka izay ankatoavinay amin’ny finoana anie mba ho azonay amin’ny Sakramenta.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 118, 4-5

Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra, ka ahitsio izany diako; ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.


na hoe:

Jo. 10, 14

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; fantatro izay ondriko ary ny ondriko mahalala Ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Tompo mora fo ô, enga anie izahay nomenao hery tamin’ny Sakramentanao mba hotoloranao fanampiana lalandava, ka ny Sakramenta sy ny toe-piainanay anie no hahazoanay ny fanavotana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0605