Sorona Masina ny Alarobia 26 septambra 2018

Herinandro faha-25 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana


Izaho no vonjin’ny vahoakako, hoy ny Tompo. Na inona na inona manjò azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakizay.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fitiavana Anao sy ny fitiavana ny namana no nataonao fototry ny didinao masina; koa mba ataovy mitandrina ny lalànao izahay hahatongavanay any amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky Ohabolana

Ohab. 30, 5-9


Aza misy omena ahy na ny fahantrana, na ny harena, fa izay hanina ilaiko no omeo ahy.

Voazaha toetra amin’ny afo avokoa ny tenin’Andriamanitra; ampinga ho an’izay mialoka aminy izy. Aza manampy na inona na inona amin’ny teniny; sao anariny ianao, ka ho hita fa mpandainga. Zavatra roa no angatahiko aminao, ka aza dia lavina, dieny mbola tsy maty aho: Ampanalaviro ahy ny fitaka aman-teny mandainga; aza misy omena ahy, na ny fahantrana, na ny harena. Fa izay hanina ilaiko no omeo ahy: fandrao voky aho dia mandà Anao, ka hanao hoe: Iza moa ny Tompo? ary andrao koa mangalatra aho, raha mahantra, ka hanamavo ny Anaran’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 118, 29 sy 72. 89 sy 101. 104 sy 163.


Fiv.: Fanilo ho an’ny tongotro ny Teninao.

Halaviro ahy ny lalan’ny lainga; ny lalànao no aoka hanenika ahy! Soa ho ahy ny lalàna avy amin’ny Vavanao, mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo!
Mandrakizay ny teninao, ry Tompo; eny, mateza toy ny lanitra! Aviliko tsy hankamin’ny lalan-dratsy ny tongotro, mba hitandremako ny Teninao!
Ny lahatrao no nahazoako fahalalana: hany ka halako ny lalam-pitaka rehetra! Halako sy mahadikidiky ahy ny lainga; fa ny lalànao no tiako!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Esdrasa

Esdr. 9, 5-9


Tsy nahafoy anay tao anatin’ny fahandevozana ny Andriamanitray.

Izaho Esdrasa, efa mby amin’ny fotoan’ny fanatitra hariva vao tafarina tamin’ny fahoriako; ary amin’ireto akanjoko sy kapaotiko rovitra, dia rafitra nandohalika sy nanandratra ny tanako aho nankany amin’ny Tompo Andriamanitro, nanao hoe: “Andriamanitro ô, safo-kenatra sy mangaihay loatra aho, tsy sahy miandrandra mankany aminao Andriamanitro, fa nitombo nihoatra ny lohanay ny helokay, ary niakatra nanakatra ny lanitra ny fahotanay. Hatramin’ny andron’ny razanay ka mandraka androany, dia efa meloka loza erý izahay; ary noho ny helokay ihany no nanolorana anay mbamin’ny mpanjakanay sy ny mpisoronay, ho eo an-tanan’ny mpanjaka hafa, ho matin-tsabatra, ho babo, horobaina, ary hangaihay tahaka ny amin’izao anio izao. Nisy andro anefa nanehoan’ny Tompo Andriamanitray ny famindram-pony taminay, dia navelany hisy sisa afaka izahay, ka nomeny fialofana eo amin’ny fitoerany masina, mba hanazavan’Andriamanitray ny masonay, sy hamelombelomany kely ny ainay ao anatin’ny fahandevozanay. Fa andevo izahay, nefa tsy nahafoy anay tao anatin’ny fahandevozanay ny Andriamanitray. Nitarika ireo mpanjakan’i Persa hanisy soa anay Izy, hamelombelona ny ainay, mba hanaovanay ny tranon’Andriamanitray, sy hamboaranay ny rava eo, dia hanomezany anay fonenana voafefy amin’i Jodà sy i Jerosalema.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo: Tôb. 13, 2. 4. 6. 7. 8


Fiv.: Lehibe Ianao, ry Tompo, ao amin’ny mandrakizay.

Isaorana ilay Andriamanitra velona mandrakizay, Ilay mandrakizay ny fanjakany! Fa mikapoka Izy ka mamindra fo, mampidina an-tSeoly ka mampiakatra! Ary tsy misy olona izay afaka amin’ny tanany!
Aharihario ny halehibiazany! Asandrato eo anoloan’ny miaina rehetra Izy! Fa Izy no Tompo sy Andriamanitsika, Raintsika amin’ny taona rehetra.
Raha miverina aminy amin’ny fo tontolo ianareo, sy manao ny marina eo anoloany amin’ny fanahy tontolo, dia hiverina aminareo koa Izy, sy tsy hanafin-tava aminareo intsony.
Jereo ny nataony anareo: ka mankalazà Azy amin’ny vava tontolo! Isaory ny Tompon’ny fahamarinana! Hirao ny Mpanjaka mandrakizay!
Izaho mankalaza Azy atý an-tany namaboana ahy, maneho ny hery sy halehibiazany amin’itý firenena mpanota: «Miverena, ry mpanota, manaova ny marina eo anoloany: sao mba ho sitrany ianareo ka hamindrany fo!»


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 9, 1-6


Nirahiny izy ireo hitory ny fanjakan’ny lanitra sy hanasitrana ny marary.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa namory ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra sy hanasitrana ny aretina. Ary naniraka azy hitory ny fanjakan’Andriamanitra sy hanasitrana ny marary. Dia hoy Izy taminy: “Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any, na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa. Ary na aiza na aiza trano hidiranareo, dia itoero mandra-pialanareo amin’izany tanàna izany. Ary raha misy mandà tsy handray anareo, dia mialà amin’izany tanàna izany, ka na ny vovoka amin’ny tongotrareo aza dia ahintsano ho fiampangana azy ireo.” Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra, ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao; ka izay ankatoavinay amin’ny finoana anie mba ho azonay amin’ny Sakramenta.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 118, 4-5

Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra, ka ahitsio izany diako; ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.


na hoe:

Jo. 10, 14

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; fantatro izay ondriko ary ny ondriko mahalala Ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Tompo mora fo ô, enga anie izahay nomenao hery tamin’ny Sakramentanao mba hotoloranao fanampiana lalandava, ka ny Sakramenta sy ny toe-piainanay anie no hahazoanay ny fanavotana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097