Sorona Masina ny Alatsinainy 24 septambra 2018

Herinandro faha-25 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana


Izaho no vonjin’ny vahoakako, hoy ny Tompo. Na inona na inona manjò azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakizay.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fitiavana Anao sy ny fitiavana ny namana no nataonao fototry ny didinao masina; koa mba ataovy mitandrina ny lalànao izahay hahatongavanay any amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky Ohabolana

Ohab. 3, 27-34


Ao an-tranon’ny ratsy fanahy ny ozon’ny Tompo.

Anaka, aza mandà ny hanao soa amin’izay tokony hanaovana izany, raha mbola azonao atao koa ny manao izany aminy. Aza manao amin’ny namanao hoe: “Mandehana ka miverena; rahampitso aho manome”, raha azonao atao ny manome eo no ho eo. Aza misaina hanisy ratsy ny namanao, rahefa mitoetra mibonaika eo anilanao izy. Aza mifanditra foana aman’olona, raha tsy nahavita ratsy taminao izy. Aza mialona izay olona mpanao an-keriny, na mifidy izay lalana ombany kely akory; satria halan’ny Tompo ny olon-dratsy fanahy, fa izay mahitsy fo no hifankazarany indrindra. Ny ozon’ny Tompo dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy; fa ny fonenan’ny marina kosa omeny tso-drano. Mananihany izay mpananihany Izy; ary manome fahasoavana izay manetry tena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 14, 2-3ab. 3de-4ab. 5


Fiv.: Zovy no honina ao am-bohitrao masina, ry Tompo?

Dia izay mizotra tsy aman-tsiny sy mitandro ny rariny: milaza izay tena ao am-po, tsy mamela ny lela haniasia.
Tsy manisy ratsy ny namana, na manebaka ny miara-monina; tsy manao ny olo-meloka ho zavatra, fa manaja izay matahotra ny Tompo.
Tsy mampanàna vola, na mandray kolikoly hahavoa ny madio. Izay manao izany tsy hihontsona mandrakizay.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Esdrasa

Esdr. 1, 1-6


Aoka hiakatra any Jerosalema ny olona rehetra, na iza na iza, hanorina ny tranon’ny Tompo.

Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa mpanjakan’i Persa, dia namporisihin’ny Tompo ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa, mba hahatanteraka ny tenin’ny Tompo, nolazainy tamin’ny vavan’i Jeremia: ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra, hiely eran’ny fanjakany izao teny izao: “Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa: Efa nomen’ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany, ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho Azy any Jerosalema, any Jodà. Ka iza aminareo no vahoakany? Homba azy anie ny Andriamanitr’izy ireo, ary aoka hiakatra any Jerosalema any Jodà izy, ka hanao ny tranon’ny Tompo Andriamanitr’i Israely, dia ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema. Aoka ny olona rehetra sisan’i Jodà ao amin’ny fonenana itoerany, na iza na iza, dia hoampian’ny olona ao amin’io fonenana io, amin’ny volafotsy, volamena, fanaka, biby fiompy, mbamin’ny fanomezana an-tsitra-po hanaovana ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema.” Dia nitsangana ny loham-pianakavian’i Jodà sy i Benjamina, ny mpisorona sy ny levita, dia izay rehetra namporisihin’Andriamanitra ny fanahiny, ka lasa nandeha hanao ny tranon’ny Tompo any Jerosalema. Samy nanampy azy ireo avokoa ny olona nifanakaiky taminy, tamin’ny fanaka, volafotsy, volamena, fanaka hafa, biby fiompy ary zavatra saro-bidy, mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6


Fiv. : Lalina tokoa ny nataon’ny Tompo taminay.

Raha nampody ny babo nankao Siôna Izy Tompo, mova tsy ohatra ny olona lasa nofy izahay! Tolatolaky ny hehy aoka izany erý tamin’izay. Tsy niato ny hira sy kalo teo am-bavanay.
Takoritsika re izao nataon’ny firenena: «Fa mba lalina indray itý nataon’ny Tompo azy ireo! Eny, lalina ho’aho itý nataon’ny Tompo aminay! Ka dia faly tokoa, haravoana moa raha ny anay.»
Ampodio, ry Tompo, ny namanay mbola babo. Ho toa rano mahery mamaky efitra ireny! Raha mamafy no sendra tomany sy ranomaso, mbola hijinja ao anatin’ny hafaliana aoriana.
Raha mandroso no sendra ka velon-tsento tomany, ireo mpamboly mivoaka mandeha mamafy ny voa! Mbola hiverina avy any ireo velon-kira, fa milanja ny vokatra lasa mody any an-trano.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 8, 16-18


Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambany farafara, fa eo ambony fanaovan-jiro no apetrany mba hahitan’izay miditra ny mazava.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambany farafara; fa ao ambony fanaovan-jiro no apetrany, mba hahitan’izay miditra ny mazava. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary. Koa tandremo àry ny fihainonareo, fa izay manana no homena, ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin’izay heveriny ho ananany aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao; ka izay ankatoavinay amin’ny finoana anie mba ho azonay amin’ny Sakramenta.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 118, 4-5

Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra, ka ahitsio izany diako; ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.


na hoe:

Jo. 10, 14

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; fantatro izay ondriko ary ny ondriko mahalala Ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Tompo mora fo ô, enga anie izahay nomenao hery tamin’ny Sakramentanao mba hotoloranao fanampiana lalandava, ka ny Sakramenta sy ny toe-piainanay anie no hahazoanay ny fanavotana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0261