Sorona Masina ny Zoma 14 septambra 2018

14 SEPTAMBRA

FANKALAZANA NY NANANDRATANA NY HAZOFIJALIANA

Tononkira fidirana

Gal. 6, 14


Raha isika, dia ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika no aoka hireharehantsika; ao aminy no misy ny famonjena, ny fiainana sy ny fitsanganan-ko velona. Izy no namonjy antsika sy nanafaka antsika.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Eny, Andriamanitra, lahatrao ny namantsihana ny Zanakao Lahy tokana hamonjena ny olombelona; ka enga anie izahay mankatò izany mistery izany ety an-tany mba ho mendrika hahazo ny vokatry ny fanavotana any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Fanisana

Fan. 21, 4b-9


Izay voakaikitra ka mijery ny bibilava varahina dia ho velona aina.

Tamin’izany andro izany, dia nanomboka ho tofoky ny lalana sy ny asa ny vahoaka, ka niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Môizy nanao hoe: “Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty aty an’efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan’itony hanina tsinontsinona itony.” Ary Andriamanitra tamin’izay nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka: nokaikerin’ireny ny vahoaka ary nahafatesana betsaka ny olona tamin’i Israely. Nankeo amin’i Môizy ny vahoaka ka nanao hoe: “Efa nanota izahay fa niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy ianao. Mivavaha amin’Andriamanitra mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo.” Dia nivavaka ho an’ny vahoaka i Môizy, ka hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: “Manaova ianao bibilava mahamay ka apetraho amin’ny tsato-kazo, fa ho velona aina izay rehetra voakaikitra ka mijery izany.” Dia nanao bibilava varahina i Môizy, ka napetrany teo amin’ny tsato-kazo anankiray, ary raha nisy voakaikitry ny bibilava, dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 77, 1-2. 34-35. 36-37. 38.


Fiv.: Tsy hanadino ny asan’ilay Mahery aho.

Henoy ny lalàko, ry oloko; ny tenin’ny vavako anongilano sofina: hiloa-bava Aho hilaza fanoharana, hanonona zava-miafina hatry ny ela.
Fa raha novonoiny izy dia nitady Azy, mba niverina nikatsaka Azy ihany; mba tsaroany fa Izy Tompo no Vatolampiny, ilay Avo indrindra no Mpanavotra azy.
Kanjo fitaka no teo am-bavany, lainga no tamin’ny lelany; ny fony tsy niorina tamin’ny Tompo, ny faneken’ny Tompo tsy airaiketany.
Izy Tompo anefa, noho ny indrafony namela hadisoana ka tsy nandringana, tsy mba nanarana hatezerana, tsy sasatra nampody havinirana.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fil. 2, 6-11


Nilatsa-Tenany ho ambany Izy; ho valin’izany kosa dia nasandratr’Andriamanitra Izy.

I Kristy Jesoa na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo, ka tonga mitovy amin’ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-Tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra Izy, sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra, mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambany, ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 3, 13-17


Tsy maintsy asandratra ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe: “Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’olona izay any an-danitra. Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra, no tsy maintsy anandratana ny Zanak’olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin’izao fankalazana ny Hazofijaliana izao, dia mivavaha ho an’ny sokajin’olombelona rehetra, mba samy hiandrandra any amin’ny Hazofijaliana, fa any ny Famonjena, any ny fanafodin’ny manjo rehetra.

Valy: Aina sy vonjy Ianao, ry Tompo ô!

* Mivavaha isika ho an’ny kristianina rehetra ao amin’ny Eglizy, hahatsiarovany fa ny fijaliana iaretana miaraka amin’i Kristy dia fanavotana an’izao tontolo izao miaraka aminy.
* Mivavaha ho an’ireo mpanjakazaka sy mpamoritra vahoaka, mba tsy hamesatra olona fotsiny izy, fa mba hanaiky hitondra ny anjara hazofijaliany koa.
* Be ny marary, ny mpigadra, ny kamboty, ny voan’ny tsindry hazo lena: koa mivavaha mba hiandrandra an’i Kristy izy, hahazoany fiononana sy fanantenana.
* Be ny mandeha maka rivotra any an-toeran-kafa amin’izao mpianatra mahazo andro izao; koa mangataha amin’Andriamanitra mba ho tena fanovozan-kery vaovao sy farisihana amin’ny adidy miandry, ny fialan-tsasatra sy fialam-boly atao amin’izany.
* Ary isika vory eto, mifampivavaha mba ho haintsika atolotra ho fanonerana ny ota sy fanantenana ny lanitra, ny fijaliana iaretantsika sy ny fijaliana hitantsika.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ry Jesoa Kristy Tompo ô, ny nijalianao teo amin’ny Hazofijaliana no manamasina ny fijalianay sy ny fahorianay; koa enga anie izay iaretanay, mba horaisinao hanonerana ny helokay sy hahazoanay ny Famonjena.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, enga anie izao Sorona izao handio anay ho afaka amin’ny hadisoana rehetra, fa efa nitondra ny fahotan’izao tontolo izao, ho levona teo amin’ny Hazofijaliana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy:


Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.

Satria ny Hazofijaliana no sitrakao hamonjena ny taranak’olombelona: ka ny nipoiran’ny fahafatesana ihany no iverenan’ny aina indray, ary ilay nandresy tamin’ny hazo dia ho resy amin’ny hazo indray amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Ilay ideran’ny Anjely Anao Avo indrindra, itsaohan’ny Fiandrianana Anao, anajan’ny Fahefana Anao amin-tahotra ary iarahan’ny Lanitra sy ny Herin’ny lanitra ary ny Serafima sambatra sy ravo, mankalaza ny voninahitrao. Mihanta aminao izahay: avelao hikambana amin’ny feon’izy ireo ny feonay, hihoby Anao sy hitalaho manao hoe: Masina, Masina, Masina. . .


Kômonio

Jo. 12, 32

Rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany Aho, dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nomenao hery tamin’ny sakafo masina izahay, ry Jesoa Kristy Tompo, ka mitalaho an-tanandroa aminao: enga anie ireo navotanao tamin’ny Hazofijaliana loharanon’aina, mba hitsangan-ko velona enim-boninahitra.

Fa Ianao velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0421