Sorona Masina ny Talata 28 aogositra 2018

Herinandro faha-21 mandavantaona

TALATA

 

Tononkira fidirana

Sal. 85, 1-3

 

Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo itý mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro!

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao mba hifikitra amin’ny tena hasambarana ny fonay eto anivon’itý fiainana miovaova itý.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

2 Tes. 2, 1-3a. 14-17

 

Tano ny fampianarana noraisinareo, na tamin’ny teny am-bava, na ny tamin’ny taratasinay.

Ry kristianina havana, ny amin’ny hahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy, dia mihanta aminareo izahay mba tsy hety hozongozonin-tsaina mora foana ianareo, na ho azo ampitahorina foana, na amin’ny fanahy izany, na amin’ny teny, na amin’ny taratasy hamboina ho avy aminay, mova tsy ny efa antomotra iny ny andron’ny Tompo. Aza mety hofitahin’ny olona velively. Ny Evanjelinay no niantsoan’Andriamanitra anareo, mba hahazoanareo ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika. Koa tomoera tsara, ry kristianina havana; ary tano ny fampianarana noraisinareo, na ny tamin’ny teny am-bava, na ny tamin’ny taratasinay. Enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Andriamanitra Raintsika, izay efa tia antsika, ka nanome antsika fanalàna alahelo mandrakizay, sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana, no hanafaka alahelo ny fonareo sy hankahery anareo amin’ny asa tsara aman-teny soa rehetra!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 95, 10. 11-12. 13

 

Fiv.: Tamy ny Tompo hitsara ny tany.

Ilazao ny firenena: Manjaka ny Tompo! Izao tontolo izao mafy orina, tsy hihontsona. Ny vahoaka tsarainy araka ny hitsiny.
Aoka hifaly ny lanitra, hiravo ny tany, hidobodoboka ny riaka sy izay mameno azy, hibitaka ny saha sy izay rehetra ao aminy, hanakora avokoa ny hazo any an’ala.
Mba hitsena ny Tompo: fa tamy Izy mba hitsara ny tany, hitsara ny tontolo araka ny rariny, sy ireo vahoaka araka ny hitsiny.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

1 Tes. 2, 1-8

 

Tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo fa ny ainay koa aza.

Ry kristianina havana, tenanareo no mahalala, fa tsy foana ny fidiranay tatý aminareo; fa nony avy nampahoriana sy nalam-baràka tany Filipy izahay, araka ny fantatrareo rahateo, dia tonga nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tatý aminareo, tamim-pitokiana lehibe an’Andriamanitra sy tanatin’ny ady mangotraka. Fa tsy mba avy amin’ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny hafetsena ny fitorianay teny, fa araka ny nankasitrahan’Andriamanitra ny hametrahana ny Evanjely aminay no ampianaranay azy, tsy toy ny mila sitraka amin’ny olombelona, fa amin’Andriamanitra izay mizaha toetra ny fonay. Satria tsy mba nanao teny fandokafana na oviana na oviana izahay, araka ny fantatrareo; na mba nanao ny asanay ho filam-bola (Andriamanitra no vavolombelona), na nitady voninahitra tamin’olombelona, na taminareo izany, na tamin’ny hafa; ary na dia azonay natao aza ny manampatra fahefana, noho ny maha-Apôstôlin’i Kristy anay, dia naleonay nanetry tena teo aminareo, mova tsy ny reny mitaiza ny zanany. Fa noho ny fitiavanay anareo, dia tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo, fa ny ainay koa aza, satria efa tonga maminay loatra ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 138, 1-2. 3-4. 5-6

 

Fiv.: Tompo ô, mandinika ahy Ianao ka mahafantatra!

Tompo ô, mandinika ahy Ianao, ka mahafantatra! Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana; mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro!
Voadinikao aho na mamindra na miato; ny lalako tsy misy manavao Anao. Ny teny tsy mbola eo amin’ny lelako, dia indro, ry Tompo, efa fantatrao tontolo!
Voambombanao aho na aloha na aoriana; ny tananao mipetraka eo amboniko! Fahalalana mahagaga loatra amiko; avo loatra, tsy hamboiko takarina!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 23, 23-26

 

Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe: “Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina aloanareo; nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana. Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela. Ry mpitari-dalana jamba, ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo! Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia diovinareo, nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahonònana. Ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia mba ho madio koa ny vohony.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, Sorona tokana no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 103, 13-15

Tompo ô, lonaky ny andon’ny Ianitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon’ny olombelona.

 

na hoe:

Jo. 6, 55

Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako dia manana ny fiainana mandrakizay, hoy ny Tompo, ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra hahavitanay asa mendrika hankasitrahanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0633