Sorona Masina ny Alakamisy 23 aogositra 2018

Herinandro faha-20 mandavantaona

ALAKAMISY

 

Tononkira fidirana

Sal. 83, 10-11

 

Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan’i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an’izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin’ny zavatra rehetra sy ambonin’ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ezek. 36, 23-28

 

Nomeko fo vaovao ianareo ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo.

Izao no lazain’ny Tompo: “Hamasiniko ny Anarako lehibe izay voaala baràka, eny amin’ny firenena nanalanareo baràka azy, dia ho fantatry ny firenena fa Tompo Andriamanitra Aho — Teny marin’ny Tompo Andriamanitra —, rahefa manamasin-tena ao aminareo, eo imasony Aho. Halaiko avy any amin’ny firenena ianareo, hangoniko avy any amin’ny tany rehetra ka hampodìko eo amin’ny taninareo. Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; ny fahalotoanareo rehetra mbamin’ny fahavetavetanareo rehetra, hataoko afaka aminareo. Homeko fo vaovao ianareo, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; hesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato, ary hataoko manaraka ny fitsipiko ianareo, ka hitandrina ny didiko, sy hanaraka izany. Honina eo amin’ny tany nomeko ny razanareo ianareo, dia ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 50, 12-13. 14-15. 18-19

 

Fiv.: Hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; hafahako amin’ny fahalotoanareo; hodioviko amin’ny sampinareo.

Fo madio vaovao no angatahiko sy fanahy mahatoky tanteraka. Aza alàna aminao aho, ry Tompoko, ny Fanahy aza esorinao amiko.
Amereno hafaliana aho ho vonjiko, dia tolory fanahy tena mendrika. Ny mpanota hotoroako lalana, aminao no tsy maintsy hiverenany.
Ny fanahy torotoro, ry Tompoko, io no sorona tianao hatolotro. Tsy hodianao tsy hita, Andriamanitro, ny fanahy torotoro sy trotraka.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’ny Mpitsara

Mpits. 11, 29-39a

 

Hatolotra ho sorona amin’Andriamanitra izay mivoaka ny trano voalohany indrindra.

Tamin’izany andro izany, tonga tamin’i Jefte ny Fanahin’ny Tompo ka nandeha namaky an’i Galaada sy i Manase izy, ary tonga hatrany Masfà, any Galaada: ary avy ao Masfà any Galaada dia nandroso hamely ny taranak’i Amôna. Nivoady tamin’ny Tompo i Jefte nanao hoe: “Raha atolotrao eo an-tanako ny taranak’i Amôna, dia ho an’ny Tompo ary atolotro ho sorona dorana izay mivoaka ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy, rahefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ny taranak’i Amôna aho.” Dia nandroso hamely ny taranak’i Amôna i Jefte, ary natolotry ny Tompo teo an-tanany ireny, ka nasiany hatrany Arôera ka hatrany akaikikaikin’i Menita, nahazoany tanàna roapolo, sy hatrany Abela-Keramina, ka dia resy mafy tokoa izy ireo. Dia voaetry teo anoloan’ny zanak’i Israely ny taranak’i Amôna.

Niverina nankany an-tranony any Masfà i Jefte, ka intý ny zanany vavy no nivoaka hitsena azy, nitondra amponga tapaka sy nandihy. Zanany vavy tokana io, tsy nanana afa-tsy io izy, tsy nisy lahy na vavy hafa. Vao nahita azy i Jefte dia nandrovitra ny fitafiany, ka nanao hoe: “Adray, anaka, mahaketraka ahy ianao ary anisan’izay mahavery hevitra ahy, fa efa niloa-bava tamin’ny Tompo aho, ka tsy afa-mifody intsony.” Dia hoy izy taminy: “Dada ô, efa niloa-bava tamin’ny Tompo ianao, ka ataovy amiko izay naloaky ny vavanao, satria efa novalian’ny Tompo ny nataon’ny taranak’i Amôna fahavalonao taminao.” Ary hoy izy tamin-drainy: “Itý no mba soa ataovy amiko: Avelao malalaka aho, mandritra ny roa volana: dia handeha ho any an-tendrombohitra, ary hitomany ny fahavirjiniako miaraka amin’ireo namako.” Hoy ny navaliny azy: “Ndeha àry.” Dia navelany handeha roa volana izy. Ka nandeha niaraka tamin’ny namany, nitomany ny fahavirjiniany tany an-tendrombohitra izy. Nony tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin-drainy izy, ka notanterahiny taminy ny voady efa nataony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 39, 5. 7-8a. 8b-9. 10

 

Fiv.: Intý aho tamy, Tompo, hanao ny sitrakao.

Sambatra ny olona manao ny Tompo ho tokiny, tsy miherika amin’ny rendrarendra sy ankosotra!
Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra, nosokafanao mantsy ny sofiko. Tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana. Ka hoy aho hoe: Intý aho tamy!
Voasoratra ao amin’ny Boky ny momba ahy. Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitro, no mamiko. Eny, ato anatin’ny foko ny Lalànao.
Torìko ao am-piangonam-be ny Fahamarinanao. Fantatrao, ry Tompo, tsy akomboko ny molotro.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 22, 1-14

 

Antsoy ho atý amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny lehiben’ny mpanora-dalàna sy ny loholona indray nanao itý fanoharana itý hoe: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy, ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina, ho any amin’ny fampakaram-bady, fa tsy nety nankany ireo. Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe: Lazao amin’ny nasaina hoe: Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra nafahy, ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra, koa tongava atý amin’ny fampakaram-bady ianareo. Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny iray nankany amin’ny sahany, ny iray nankany amin’ny varony; ary ny sasany nisambotra ny ankiziny, ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.

Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany, ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany, sy nandoro ny tanànany. Dia hoy izy tamin’ny ankiziny: Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady, fa ny nasaina no tsy mendrika. Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana, ary asao ho atý amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo. Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny, nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy, ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana. Ary niditra ny mpanjaka nizaha ny mpihinana, ka nahita lehilahy anankiray tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady, dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra eto, nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady? Fa sina ilay olona; ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: Afatory ny tongotra aman-tanany, ka ario any amin’ny maizina any ivelany io, any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidîna.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 129, 7

Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin’ny Tompo!

 

na hoe:

Jo. 6, 51-52

Izaho no mofo velona nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo; raha misy mihinana izany mofo izany dia ho velona mandrakizay.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin’i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0852