Sorona Masina ny Asabotsy 18 aogositra 2018

Herinandro faha-19 mandavantaona

SABOTSY

 

Tononkira fidirana

Sal. 73, 20. 19. 22. 23

 

Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain’ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian’ireo mila ady aminao.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ezek. 18, 1-10. 13b. 30-32

 

Hotsaraiko araka ny lalany avy ny tsirairay.

Tonga tamiko ny Tenin’ny Tompo, nanao hoe: “Ahoana ange no anonontononanareo itý ohabolana itý, ny amin’ny tanin’i Israely, ataonareo hoe: Ny ray no mihinam-boaloboka marikivy, ka ny zanany no madilo nify! Velona Aho, — teny marin’ny Tompo Andriamanitra, — tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany intsony, eo amin’i Israely. Ahy ny fanahy rehetra, na ny fanahin’ny ray na ny fanahin’ny zanaka, samy Ahy avokoa, ka ny fanahy izay manota, dia izy no ho faty.

Raha misy olona marina, ka manaraka ny rariny sy ny hitsiny, tsy mihinana eny an-tendrombohitra, tsy manandra-maso an’izay sampin-dozan’ny taranak’i Israely, tsy manala baràka ny vadin’ny namany, tsy mandeha amin’ny vehivavy izay mbola ao anatin’ny fahalotoany, tsy mampahory olona, mamerina amin’ny mpitrosa ny nataony antoka, tsy manao halatra, manome hanina ny noana, manafy lamba ny mitanjaka, tsy manao zana-bola be loatra, tsy maka zana-bola, mamily ny tanany tsy hanao ratsy, mitsara marina ny an-daniny avy, ary manaraka ny didiko sy mitandrina ny lalako ka tsy mivadika amin’izany, dia olo-marina io ka ho velona izy, — teny marin’ny Tompo Andriamanitra.

Fa izany olona izany raha miteraka zaza masiaka, izay mandatsa-dra, ka manao amin’ny rahalahiny ny iray amin’ireo zavatra ireo, dia tsy maintsy ho faty tokoa, ary ny rany ho aminy ihany.

Koa hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’i Israely, — teny marin’ny Tompo Andriamanitra. Miverena ka mibebaha amin’ny fahotanareo rehetra ka tsy handoza anareo ny tsy fahamarinana. Ario lavitra anareo ny fahotana sy ny fahadisoana rehetra nataonareo; manaova fo vaovao sy saina vaovao. Fa nahoana no dia ho faty ianareo, ry taranak’i Israely? Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty; koa mibebaha ianareo ka aoka ho velona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 30, 12-23. 14-15. 18-19

 

Fiv.: Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra.

Fo madio vaovao no angatahiko sy fanahy mahatoky tanteraka. Aza alàna aminao aho, ry Tompoko, ny Fanahy aza esorinao amiko.
Amereno hafaliana aho ho vonjiko, dia tolory fanahy tena mendrika. Ny mpanota hotoroako lalana, aminao no tsy maintsy hiverenany.
Lavinao tsotra izao ny fanatitra, toy izany ireo sorona dorana; ny fanahy torotoro, ry Tompoko, io no sorona tianao hatolotro.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Jôsoe

Jôs. 24, 14-29

 

Fidio anio ilay tsy maintsy hotompoinareo.

Tamin’izany andro izany, niteny tamin’ny vahoaka i Jôsoe nanao hoe: “Matahora ny Tompo ary manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana; ario ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony sy tany Ejipta, ka manompoa ny Tompo. Raha tsy sitrakareo kosa ny hanompo ny Tompo dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina; na ny Andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony; na ny andriamanitry ny Amôreana izay onenanareo ny taniny. Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny Tompo.”

Dia namaly ny vahoaka, ka nanao hoe: “Lavitra anay izay handao ny Tompo ka hanompo andriamani-kafa. Fa ny Tompo Andriamanitsika no nampiakatra antsika mbamin’ny razantsika avy tany amin’ny tany Ejipta, amin’ny trano fanandevozana ary nanao ireo fahagagana lehibe teo imasontsika, ary niaro antsika tamin’ny lalana nalehantsika sy tamin’ny firenena rehetra nandalovantsika. Ny Tompo nandroaka ny vahoaka rehetra sy ny Amôreana nonina tamin’itý tany itý. Izahay koa hanompo ny Tompo fa Andriamanitsika Izy.”

Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka: “Tsy mahatompo ny Tompo ianareo, fa Izy dia Andriamanitra masina, Andriamanitra saro-piaro; tsy hamela ny fahadisoana amam-pahotanareo. Raha mahafoy ny Tompo ianareo, ka manompo andriamani-kafa dia hifotitra Izy sy hampahory anareo ary handringana anareo Izy izay efa nanao soa anareo.” Fa hoy ny vahoaka tamin’i Jôsoe: “Tsia, fa hanompo ny Tompo izahay.” Ka hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka: “Vavolombelona amin’ny tenanareo ianareo, fa nifidy ny Tompo hotompoina.” Hoy ny navaliny: “Vavolombelon’izany izahay.” — “Ario àry amin’izao ny andriamani-kafa eo aminareo, ary avereno amin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely ny fonareo.” Ka hoy ny vahoaka tamin’i Jôsoe: “Ny Tompo Andriamanitsika no ho tompoinay, ary ny feony no hohenoinay.”

Nanao fanekena tamin’ny vahoaka i Jôsoe tamin’izany andro izany ka nanome didy aman-dalàna azy ireo tao Sikema. Nosoratan’i Jôsoe tamin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra ireo teny ireo. Naka vato lehibe izy, ka natsangany teo ambanin’ny aoka, teo amin’ny fitoerana voatokana ho an’ny Tompo. Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra: “Indro itý vato itý no ho vavolombelona amintsika, fa efa nandre ny teny rehetra nolazain’ny Tompo tamintsika io; ho vavolombelona aminareo koa io, mba tsy handavanareo ny Andriamanitrareo.” Dia nampodian’i Jôsoe ny vahoaka samy ho any amin’ny lovany avy. Nony afaka izany dia maty i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’ny Tompo, tamin’ny fahafolo amby zaton’ny taonany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 15, 1-2a sy 5. 7-8. 11

 

Fiv.: Ianao, ry Tompo, no zara lovako!

Andriamanitra Tompo ô, ambeno f’Ianao re no hany ifefeko, hasambarako tokana an-tany. Ianao re, ry Tompo, no lova, hany zarako mandrakizay, toeran-tsoa no natokana ho ahy.
Ka isaorako, Tompo, Ianao fa nanolotra saina, fanahy sy nanoro ny foko hatrany. Eo alohako foana ny Tompo; tsy hiala an-kavanako Izy; ka isaorako mandrakizay!
E ny lalan’ny fiainana izao dia hatoronao ahy hatrany, ka nameno hafaliana ny foko. Ho finaritra mandrakizay, izay mitoetra eo ankavananao, hasambarana tsy mety ritra.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 19, 13-15

 

Aza raràna tsy hanatona Ahy ny zaza, fa an’ny tahaka azy ireny ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany, nisy zazakely maromaro nentina teo amin’i Jesoa, mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy; fa noraran’ny mpianany mafy ireo. Ka hoy i Jesoa taminy: “Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an’ny tahaka azy ny fanjakan’ny lanitra.” Ary rahefa nametra-tanana tamin’izy ireo Izy, dia nizo-dalana indray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso amin’ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin’ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan’ny herinao ho Sorona famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 30, 17-18

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.

 

na hoe:

Jo. 6, 52

Ny mofo izay homeko, hoy ny Tompo, dia Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, enga anie hahazoanay ny famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin’ny tena fahazavana marina izahay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744