Sorona Masina ny Alakamisy 16 aogositra 2018

Herinandro faha-19 mandavantaona

ALAKAMISY

 

Tononkira fidirana

Sal. 73, 20. 19. 22. 23

 

Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain’ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian’ireo mila ady aminao.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ezek. 12, 1-12

 

Miaingà hifindra antoandro eo imason’izy ireo.

Tonga tamiko ny tenin’ny Tompo, manao hoe: “Ry zanak’olona, ianao monina eto amin’ny taranaka miodina, izay mana-maso hahitana, fa tsy mahita; manan-tsofina handrenesana, fa tsy mandre; satria taranaka miodina izy ireo. Koa fehezo ny fanananao, ry zanak’olona, hoatra ny hifindra tany fonenana; dia miaingà hifindra antoandro eo imason’izy ireo; mifindrà eo imasony avy eo amin’izay itoeranao, ho any amin’ny fitoeran-kafa; angamba ho hitany amin’izany, fa taranaka miodina izy. Avoahy antoandro eo imasony ny fanananao, hoatra ny fananan’ny mifindra tany honenana; ary miaingà hariva eo imasony, ianao, hoatra ny fiaingan’ny olona mifindra tany honenana. Gorobahy eo imasony ny manda, dia avoahy eo ny fanananao; ataovy an-tsoroka eo imasony izany, dia ento rahefa ilay maizimaizina iny; saròny ny tavanao, ataovy amin’izay tsy hahitanao ny tany; satria efa nataoko famantarana ho an’ny taranak’i Israely ianao.” Dia nataoko izany, araka izay nandidiana ahy: navoakako antoandro ny fananako, hoatra ny fananan’ny mifindra tany honenana; nogorobahako tamin’ny tanako ny manda nony hariva; navoakako ny fananana rahefa ilay maizimaizina iny dia nolanjaiko teo imason’izy ireo.

Nony maraina, tonga tamiko ny tenin’ny Tompo, nanao hoe: “Ry zanak’olona, moa ny taranak’i Israely, izay taranaka miodina, tsy nilaza taminao va, nanao hoe: ‘Inona itý ataonao?’ Lazao aminy hoe: ‘Izao no lazain’Andriamanitra Tompo: itý teny faminaniana itý, dia ho an’ny andriana ao Jerosalema, mbamin’ny taranak’i Israely rehetra, ao amin’izany tanàna izany.’ Lazao hoe: ‘Famantarana ho anareo aho; tahaka izay nataoko, no hatao amin’izy ireo; hasesi-tany izy, ho any amin’ny fahababoana. Ny andriana eo aminy, hanao an-tsoroka ny fananany, rahefa ilay maizimaizina iny, dia hiainga; hogorobahan’ny olona ny manda, hamoahana azy; hosaronany ny tavany, ka tsy hahita maso ny tany izy.’”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 77, 56-57. 58-59. 61-62

 

Fiv.: Tsy hanadino ny asan’Ilay mahery ianareo.

Kanjo ireto naka fanahy an’Andriamanitra, nikomy tamin’ny Avo, tsy nitandrina ny Fanambaràny: fa nianòtra sy nivadika tahaka ny razany, sy nifotitra toy ny tsipîka manody.
Nampahatezitra Azy tamin’ny fitoerana-avony, sy nahasaro-piaro Azy tamin’ny sampiny. Nandreny Andriamanitra ka tezitra, ka nariany marimarina i Israely.
Nafoiny ho babo ny heriny, sy ho eo an-tanam-pahavalo ny voninahiny. Natolony ny sabatra ny vahoakany: fa nandroatra loatra tamin’ny lovany Izy.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Jôsoe

Jôs. 3, 7-10a. 11. 13-17

 

Ny fiaran’ny faneken’ny Tompo mialoha anareo ao anatin’i Jordany.

Tamin’izany andro izany, hoy ny Tompo tamin’i Jôsoe: “Indro Aho hanomboka hanandratra anao eo imason’i Israely rehetra mba ho fantany fa toy ny nombàko an’i Môizy no ombàko anao koa. Ary ianao dia manomeza izao didy izao amin’ny mpisorona mitondra ny fiaran’ny fanekena: Rahefa tonga eo amoron’ny ranon’i Jordany ianareo, dia mijanòna ao anatin’i Jordany.” Ary i Jôsoe nilaza tamin’i Israely hoe: “Manatòna ianareo, ary mihainoa ny tenin’ny Tompo Andriamanitrareo.” Dia hoy i Jôsoe: “Izao no hahafantaranareo fa eo afovoanareo tokoa ny Andriamanitra velona, ka tsy maintsy horoahiny eo anoloanareo tokoa ny Kananeanina. Indro handroso eo alohanareo ao anatin’i Jordany ny fiaran’ny faneken’ilay Tompon’ny tany rehetra. Ary raha vao miroboka ao anatin’ny ranon’i Jordany ny faladian-tongotry ny mpisorona mitondra ny fiaran’Andriamanitra Tompon’ny tany rehetra, dia ho tapaka ny ranon’i Jordany, ny midina avy any ambony, ka hihandrona hoatra ny antontan-javatra.”

Nony efa nivoaka ny lainy ny vahoaka hita amin’i Jordany dia nialoha ny vahoaka ny mpisorona mitondra ny fiaran’ny fanekena. Raha vao tonga teo Jordany ny mpitondra ny fiara, ary niroboka ny sisin-drano ny tongotry ny mpisorona mpitondra ny fiara — fa tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jordany mandritra ny fararano, — dia nihandrona ny rano midina avy any ambony, ka niavosa hoatra ny antontan-javatra tery lavitra erý, akaikin’ny tanànan’i Adôma, izay anilan’i Sartàna, ary tapaka mihitsy ny midina mankany amin’ny ranomasina Arabaha, dia ny ranomasin-tSira, ka nita tandrifin’i Jerikao ny vahoaka. Nitsatoka tsy nihetsika tamin’ny tany maina eo afovoan’i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny faneken’ny Tompo, nandritra ny nitan’i Israely rehetra tamin’ny tany maina, mandra-pahatafitan’ny firenena rehetra an’i Jordany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 113A, 1-2. 3-4. 5-6

 

Fiv.: Aleloia!

Fony nandao an’i Ejipta i Israely, an’ilay vahoaka lozabe ny tranon’i Jakôba, i Jodà tonga toerany masina, i Israely zary fanjakany.
Ny ranomasina nahita, ka nandositra; i Jordany nanao dia mianòtra; ny vohitra niantsambotra toa osilahy, ny havoana toa zanak’ondry.
Ahoana itý ianao no mandositra, ry ranomasina? ary i Jordany no manao dia mianòtra? ny vohitra no miantsambotra toa osilahy? ny havoana no toa zanak’ondry?

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 18, 21-35 ; 19, 1

 

Izaho tsy milaza aminao hamela hatramin’ny impito fa hatramin’ny impitopolo fito.

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa i Piera nanao hoe: “Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho? Hatramin’ny impito va?” Dia hoy i Jesoa taminy: “Izaho tsy milaza aminao hoe: hatramin’ny impito fa hatramin’ny impitopolo fito. Koa amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony; ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina. Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany, mbamin’ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa. Dia niankohoka ilay mpanompo, ka nifona taminy hoe: “Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra.” Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany, ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy.

Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo, dia tojo itý mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato; noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe: “Aloavy ny trosako any aminao.” Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe: “Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra.” Nefa tsy nety izy fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa. Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany, ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony. Dia nampanalain’ny tompony izy ka nilazany hoe: “Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao, noho ianao nifona tamiko, ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?” Dia tezitra ny tompony ka natolony ny mpampijaly izy, ambara-pandoany ny trosa rehetra.

Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.” Rahefa avy niteny izany i Jesoa dia niala tao Galilea ka tonga teny an-tsisin’i Jodea, an-dafin’i Jordany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso amin’ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin’ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan’ny herinao ho Sorona famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 30, 17-18

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.

 

na hoe:

Jo. 6, 52

Ny mofo izay homeko, hoy ny Tompo, dia Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, enga anie hahazoanay ny famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin’ny tena fahazavana marina izahay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0558