Sorona Masina ny Talata 14 aogositra 2018

Herinandro faha-19 mandavantaona

TALATA

 

Tononkira fidirana

Sal. 73, 20. 19. 22. 23

 

Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain’ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian’ireo mila ady aminao.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ezek. 2, 8 — 3, 4

 

Hano io taratasy io. Dia nohaniko izany, ka mamy ohatra ny tantely izy tao am-bavako.

Hoy ny Tompo tamiko: “Ary ianao, ry zanak’olona, henoy izao lazaiko aminao izao: Aza miodina tahaka izany taranaka miodina izany. Sokafy ny vavanao, ka hano izay omeko anao.” Dia nojereko, ka indro nisy tanana natsotra nankaty amiko, ary indro fa nitana horonan-taratasy. Novelariny teo anoloako io, ka voasoratra ny tao anatiny sy ny teo ivelany; ary hira fisaorana amam-pitomaniana sy fitarainana no voasoratra teo. Hoy Izy tamiko: “Ry zanak’olona, hano io hitanao eo anoloanao io; hano io taratasy io, dia mandehana miteny amin’ny taranak’i Israely.” Nosokafako ny vavako, dia nafahany ahy io taratasy io; ka hoy Izy tamiko: “Ry zanak’olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy itý taratasy atolotro anao itý ny tsinainao.” Dia nohaniko izany, ka mamy hoatra ny tantely izy tao am-bavako. Ary hoy Izy tamiko: “Ry zanak’olona, mandehana mankany amin’ny taranak’i Israely, ary lazao aminy ny teniko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 118, 14 sy 24. 72 sy 103. 111 sy 131.

 

Fiv.: Endrey, mamin’ny lanilaniko ny didinao.

Ny lalan’ny fanambarànao no ifaliako, mihoatra noho ny harena rehetra. Ny fanambarànao no firavoako; ny fitsipikao no filàko saina.
Soa ho ahy ny lalàna avy amin’ny vavanao, mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo! Endrey! mamin’ny lanilaniko ny didinao, ary tsara amin’ny vavako manoatra ny tantely.
Ny fanambarànao no lovako, ry Ilay mandrakizay: izy no fifalifalian’ny foko! Misokatra ny vavako: miemponempona aho; ny baikonao no mahaliana ahy.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Deteronômy

Det. 31, 1-8

 

Mahereza ianao, ry Jôsoe, ary aoka hatanjaka tsara fa ianao no hampiditra itý vahoaka itý any amin’ny tany nampanantenaina.

Niainga i Môizy, ary hoy ny teniny tamin’ny vahoakan’i Israely rehetra: “Efa roapolo amby zato taona androany aho izao, ka tsy afaka mivoaka sy miditra intsony, ary ny Tompo efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita an’io Jordany io ianao. Ny Tompo Andriamanitrao no hita eo alohanao. Izy no handringana ireo firenena ireo eo anoloanao, ka dia hahazo azy ireo ianao. I Jôsoe no hita eo alohanao, araka ny voalazan’ny Tompo. Toy ny nataon’ny Tompo tamin’i Sehôna sy Oga, mpanjakan’ny Amôreana, izay naringany mbamin’ny taniny, no hataony amin’ireo koa. Hatolotry ny Tompo aminareo izy, ka ataovy araka ny lalàna rehetra nandidiako anareo. Mahereza ary matanjaha tsara, fa aza matahotra na mimalo amin’ireo akory, satria ny Tompo Andriamanitrao no miara-mandeha aminao, tsy hahafoy anao Izy na handao anao.”

Dia nantsoin’i Môizy i Jôsoe, ka hoy izy taminy, teo anatrehan’i Israely rehetra: “Mahereza ary matanjaha tsara, fa ianao no hiditra miaraka amin’itý vahoaka itý, any amin’ny tany efa nianianan’ny Tompo tamin’ny razany homena azy ireo; ary ianao no hampanana azy ireo izany. Fa ny Tompo no handeha eo alohanao, Izy no homba anao fa tsy hahafoy anao na handao anao Izy, ka aza matahotra na mivadi-po ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo: Det. 32, 3-4a. 7. 8. 9. sy 12

 

Fiv.: Ny vahoakany no zaran’ny Tompo.

Ny Anaran’Izy Tompo no antsoiko, hobio ny fiandrianan’Andriamanitra. Fa Izy Vatolampy soa ny asany. He rariny izay lalana soritany.
Tsarovy irony andro fahagola re. Todiho ireny taona nifanaraka. Resaho ny rainareo fa hatorony, resaho koa ny Ntaolo fa hambarany.
Ilay Avo raha nanao ny firenena: nizara ny taranak’olombelona, nametra ny vahoaka isan-tokony manaraka ny fokon’i Israely.
Ny lova ho Azy Tompo dia ny olony, Jakôba nofidiny ho anjara lovany. Ny Tompo no hany afaka mitsimbina. Tsy manana andriamani-kafa ny olony.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy. Isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 18, 1-5. 10. 12-14

 

Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza.

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe: “Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?” Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa ka napetrany teo afovoany ary hoy Izy: “Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory. Koa amin’izany, na iza na iza hanetry tena tahaka itý zazakely itý, dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ary izay handray zazakely anankiray tahaka itý amin’ny Anarako, dia mandray Ahy koa. Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra. Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo, ka handeha hitady ilay nania izy? Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia anankiray amin’ireo madinika ireo aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso amin’ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin’ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan’ny herinao ho Sorona famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 30, 17-18

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.

 

na hoe:

Jo. 6, 52

Ny mofo izay homeko, hoy ny Tompo, dia Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, enga anie hahazoanay ny famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin’ny tena fahazavana marina izahay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0197