Sorona Masina ny Alahady 15 jolay 2018

ALAHADY FAHA-15 mandavantaona — B

NOFIDIN’ANDRIAMANITRA ISIKA MBA HIRAHINY

Tononkira fidirana

Sal. 16, 15

Nohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan’ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireto manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin’ny anarana entiny sy hifikitra amin’izay tena maha-kristianina azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Amôsy Mpaminany

Amôs. 7, 12-15

Mandehana ianao maminany any amin’ny vahoakako.

Tamin’izany andro izany, hoy i Amasiasa, mpisoron’i Betela, tamin’i Amôsy: “Ry mpahita ô, mandehana mandositra any amin’ny tanin’i Jodà, ka any ianao no mihinàna hanina; any ianao no maminania. Fa aza maminany aty Betela intsony, satria fitoera-masin’ny mpanjaka ny aty, ary tranom-panjakana”. Izao no navalin’i Amôsy an’i Amasiasa: “Tsy mba Mpaminany aho na zanaky ny Mpaminany; fa mpiandry omby sy mpamboly aviavy. Ary nalain’ny Tompo tany aorian’ny biby fiompy aho, dia nataon’ny Tompo tamiko hoe: Mandehàna ianao, maminany any amin’i Israely vahoakako”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 84, 9ab-10. 11-12. 13-14


Fiv.: Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao; omeo anay ny famonjena avy aminao.

Hihaino izay lazain’ny Tompo aho: moa tsy fiadanana no lazainy ho an’ny olony mpivavaka aminy.
Akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny, efa honina eto amin’ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana, mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana, ny fahamarinana mitrebona ety an-tany, ny rariny kosa mitranga eny an-danitra.
Ny Tompo amim-peo avo manome orana, ny tanintsika manome ny vokany; ny rariny mizotra eo anoloany, ny fiadanana manjohy ny diany.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 1, 3-14 (lava); na 3-10 (fohy kokoa)


Nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Andriamanitra.

Ry kristianina havana, hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra, sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao, mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika, ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny fony, mba ho zanaka hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika; nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany, dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin’Ilay malalany. Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben’ny fahasoavany, izay nomen’Andriamanitra be dia be ho antsika tamin’ny fahendrena amam-pahalalana rehetra, fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin’ny safidim-pony, izay nofidin’ny hatsaram-pony hotanterahiny, rehefa feno ny andro: dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany.


(Ajanona eo raha ny fohy no atao).


Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika, rahefa voatendry rahateo isika, araka ny fikasan’Ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny Fony, mba ho fankalazana ny voninahiny isika, dia isika izay nanantena an’i Kristy rahateo. Tao aminy ianareo no nino, rehefa nahare ny tenin’ny fahamarinana, ny Evanjelin’ny famonjena anareo, ka nasiana ny tombo-kasen’ny Fanahy Masina, Izay nampanantenaina sy santatry ny lovantsika, mandra-pahatanteraky ny fanavotana an’izay rehetra nofidin’Andriamanitra ho fankalazana ny voninahiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 6, 7-13

Nanomboka naniraka azy ireo Izy.

Tamin’izany andro izany, niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy i Jesoa, ka naniraka azy tsiroaroa, sy nanome fahefana azy handroaka ny fanahy maloto. Ary noraràny tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin’ny fehikibony, afa-tsy tehina ihany, fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa. Ary hoy koa Izy taminy: “Na aiza na aiza alehanareo, dia mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo. Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo, dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo ho fiampangana azy”. Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy, sy nandroaka demony maro ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ilàna finoana lalina sy fitiavana tsy lefin’ny sarotra, ny fitoriana ny Evanjely; koa angataho Andriamanitra mba hifidy Apôstôly mitombo isa hatrany sy feno hatsaram-panahy, hanamasina ny olombelona ankehitriny.

Valy: Maro ny vokatra Tompo, fa ny mpijinja no vitsy:
Aniraho mpijinja re ny taninao, fa maro ny vokatra.

* Tena vavolombelon’i Kristy mahasarika olona ny Pretra mahafoy tena ary tsy manantena valiny; koa mangataha mba ho toy izany avokoa ny Pretran’ny Eglizy eran-tany.
* Mila mpitondra mahafoy tena na firenena na raharaham-bahoaka; koa mivavaha mba hampian’Andriamanitra tsy ho revo hitady soa ho an’ny tenany ny mpitondra isan’ambaratonga, fa mba samy hikatsaka ny soa iombonana.
* Be ny toerana sy ny firenena mandà tsy handray ireo Iraky ny Tompo; koa mivavaha ho an’ireo kristianina havantsika, voasembantsembana noho izany ka tsy afa-mivavaka sy tsy mahazo Sakramenta.
* Maro ny marary sy ny mijaly eran-tany; koa mivavaha mba ho maro no hanaiky hirahin’Andriamanitra ho mpanasoa ary mpankahery azy ireny.
* Mivavaha mba hampian’Andriamanitra isika ho tsara fandray ny hafatra avy amin’ny Evanjely, ary tsy hanosi-bohon-tanana ny mpampihavana.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Jesoa Tompo ô, mba omeo fon’Apôstôly izahay mpianatrao, hiezaka hampahalala Anao sy hanasoa ny mpiara-belona aminay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra IV, ohatra.


Kômonio

Sal. 83, 45

Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin’ny Tempolinao, ry Tompon’ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mandrakizay izy ireo.


na hoe:

Jo. 6, 57

Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako dia mitoetra ao amiko, ary Izaho ao aminy, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0911