Sorona Masina ny Alahady 08 jolay 2018

ALAHADY FAHA-14 mandavantaona — B

NA OSA AZA ISIKA, EO I KRISTY HO HERINTSIKA

Tononkira fidirana

Sal. 47, 10-11

Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin’ny Tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon’ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin’ny fanandevozan’ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ez. 2, 2-5

Taranaka mpiodina izy, nefa hahalala fa misy Mpaminany eo aminy.

Tamin’izany andro izany, dia niditra tato anatiko ny Fanahy, sady nampitsangana ahy, ka nandre ny Tompo niteny tamiko aho. Hoy Izy tamiko: “Ry zanak’olona, indro ianao irahiko, ho any amin’ny zanak’i Israely, ho any amin’ireo vahoaka mpiodina izay niodina tamiko, fa efa nanota tamiko, mandrak’androany aza, ireo sy ny razany. Ireo zanaka manao tarehy tsy mahalala menatra sy mafy fo ireo, no anirahako anao. Izao no holazainao aminy: Izao no tenin’ny Tompo Andriamanitra. Ka na hihaino izy ireo, na tsy hihaino, — fa taranaka mpiodina izy — dia hahalala fa misy Mpaminany eo aminy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 122, 1-2a. 2bde. 3-4.

 

Fiv.: Ny masonay manaraka ny Tompo Andriamanitray mandra-piantrany anay.

Any aminao ny masoko no andraiko, ry Ilay mitoetra any an-danitra! Indro toy ny mason’ny ankizy lahy eny amin’ny tanan’ny tompolahiny,
Toy ny mason’ny ankizy vavy eny amin’ny tanan’ny tompovaviny: ny masonay any amin’ny Tompo Andriamanitray miandry fiantràna avy aminy!
Eny, iantrao izahay, ry Tompo ô, iantrao fa voky eso loatra, efa leon’ny tebaky ny tretrika, efa tofoky ny eson’ny mpiavona!

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

2 Kôr. 12, 7-10

 

Ny fahalemeko no ireharehàko mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.

Ry kristianina havana, fandrao mirehareha noho ny halehiben’ireo fanambaràna aho, dia nasiana tsilo tao amin’ny nofoko, dia anjelin’i Satàna hamely tehamaina ahy, mba tsy hireharehako. Ny amin’io dia intelo aho no nangataka tamin’ny Tompo, mba hanalany an’io amiko, fa izao no navaliny ahy: “Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko”. Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko. Izany no ifaliako amin’ny fahalemeko, amin’ny fahafaham-baràka, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny fahantrana, noho ny amin’i Kristy, satria ny fahalemeko no heriko.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hampahiratra ny masom-panahintsika anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 6, 1-6

Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nankany amin’ny tany nahabe Azy, ary nanaraka Azy ny mpianany. Ary rehefa sabata ny andro, dia nampianatra tao amin’ny sinagôga Izy, ka be tamin’izay nihaino Azy no gaga tamin’ny fampianarany sy nanao hoe: “Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany? Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao, ary ahoana no ahefan’ny tanany izany asa lehibe izany? Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak’i Maria, rahalahin’i Jakôba sy i Jôsefa ary i Joda sy i Simôna? Moa tsy aty amintsika va ny anabaviny?” Dia tafintohina taminy izy ireo. Fa hoy i Jesoa taminy: “Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany”. Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory Izy teo, fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin’ny fametrahan-tanana, ary gaga Izy noho ny tsy finoan’ireo. Dia nitety ny vohitra manodidina Izy sy ny mpianany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ny marina ankehitriny vitsy mpiraharaha, ary ny finoantsika mila hihozongozona; koa miaraha mangataka amin’Andriamanitra mba hohamafisiny ny finoantsika, ary mba hanirahany iraka maro sy be herim-po hanambara ny hafany amin’ny olombelona ankehitriny.

Valy: Tsy ho very mandeha izay rehetra mifefy aminao.

* Adidin’ny Eglizy ny mitandro ny finoana, koa mivavaha mba hoeken’ny Pretra sy ny kristianina fa ny irak’Andriamanitra voalohany tompon’andraikitra amin’izany dia ny Papa sy ny Eveka.
* Matetika dia mpaminany tsy masina an-taniny ny mpikatroka kristianina eo amin’ireo akaiky azy; koa mivavaha mba handaitra amin’ireo manodidina azy ahay, ny ohatra tsara asehony eo amin’ny fiainany.
* Ririnina izao aty amin’ny ilan’ny tany manontolo atsimo, ary mafana be any amin’ny ilany avaratry ny tany; koa mivavaha mba hanampian’Andriamanitra an’ireo rovi-damba ririnina sy mosarem-pahavaratra.
* Mivavaha ho an’ireo tsy mahazoazo antsika na havana, na mpiara-miasa na samy kristianina; mba samy hohazavain’Andriamanitra sy hampiany isika amin’ny fitenintsika sy ny ataontsika.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Jesoa Tompo ô, nisy nanohitra Anao tamin’ireo tokony ho voalohany handray Anao sy hankasitraka Anao; koa ampio izahay tsy ho kivy fa hahery fo mandrakariva, rehefa miresaka Anao sy mampiseho ny Evanjely.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan’andro hanao asa mendrika ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra II, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 33, 9

Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.

 

na hoe:

Mt. 11, 28

Mankanesa aty amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana, fa hanamaivana anareo Aho, hoy ny Tompo.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0688