Sorona Masina ny Alahady 01 jolay 2018

ALAHADY FAHA-13 mandavantaona — B

NY HAHAVELONA ANTSIKA NO IRIN’ANDRIAMANITRA

Tononkira fidirana

Sal. 46, 2

Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay: aza avela ho rakotry ny haizin’ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin’ny fahazavan’ny fahamarinana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Fahendrena

Fah. 1, 13-15; 2, 23-25

Ny fialonan’ny demony no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao.

Tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra, ary tsy sitrany ny fahaverezan’ny velona. Noarîny ho amin’ny fiainana ny zavatra rehetra, ka mahasoa ny zava-boaarin’izao tontolo izao; tsy misy foto-pahalevonana ao aminy, ary tsy mba manjaka eto ambonin’ny tany ny fahafatesana. Satria tsy mety maty ny fahamarinana. Noarîn’Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona, ary nataony mitovy tarehy amin’ny Tenany: Fa ny fialonan’ny demony no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao: dia hanandrana izany, ry zareo izay azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 29, 2 sy 4. 5-6. 11 sy 12a ary 13b.

 

Fiv.: Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy.
na: Te hidera ny Tompo aho e, hankalaza Azy mandrakizay.

Izaho midera ny Tompo nanafaka ahy: tsy navelany hifaly ny rafiko. Ny fanahiko efa tany an-tSeoly dia nakarinao, ry Tompo ô! izaho efa tany am-pasana dia novelominao indray!
Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka; isaory ny Anarany masina. Mandalo ihany ny hatezerany, ny fanambinany kosa maharitra; hariva aho nitomany, fa nony maraina, velon-kira.
Tompo ô, aoka Ianao handreny, miantrà re, tongava hamonjy. Dia navadikao ho dihy ilay hira fitarainako; Ry Tompo Andriamanitro ô.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

2 Kôr. 8, 7. 9.13-15

 

Ny ambim-bavanareo no hanentsina ny tsy ampy amin’ireo havanareo mahantra.

Ry kristianina havana, aoka ho araka ny fahambonianareo amin’ny zavatra rehetra, dia amin’ny finoana, amin’ny teny, amin’ny fahalalana, amin’ny fahazotoana na amin’inona na amin’inona, ary amin’ny fitiavana anay, no ho fahambonianareo koa amin’ity fahasoavam-piantrana ity. Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa na dia mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany. Satria tsy mety raha ny sasany, alàm-pahoriana, ianareo, tra-pahoriana; fa ny fitoviana ihany e. Amin’izao fotoana izao aloha, ny ambim-bavanareo no hanentsina ny tsy ampy amin’izy ireo; dia toy izany koa, ny ambim-bavan’izy ireo no hameno ny tsy anananareo kosa; ary amin’izany dia hisy fitoviana; araka ny voasoratra hoe: Ny nanangona be tsy nanana ambiny; ny nanangona kely, tsy nanan-tsy ampy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 5, 21-43 (lava); na 21-24. 35b-43 (fohy kokoa)

Ry zazavavy, hoy Aho aminao, mitsangàna.

Avela ny ao anatin’ny […] raha ny fohy no atao.

 

Tamin’izany andro izany, dia niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa ka nony tafita, dia nitangoronan’ny vahoaka teo amoron-dranomasina Izy. Dia avy ny anankiray amin’ny lehiben’ny sinagôga atao hoe Jaïra, ka nony nahita Azy dia niankohoka tamin’ny tongony izy, sady nihanta mafy taminy nanao hoe: “Marary efa ho faty ny zanako vavy, ka andeha re mba hametra-tanana aminy Ianao, mba ho sitrana sy ho velona izy”. Dia nandeha niaraka taminy Izy ary be ny vahoaka nanaraka Azy sy nifanety taminy.

[Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin’ny folo taona, izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin’ny mpitsabo maro sy nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nihatsara velively, fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza. Nony nahare ny amin’i Jesoa izy, dia nisisika tamin’ny vahoaka ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony, fa hoy izy: “Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho”. Dia ritra niaraka tamin’izay ny loharanon’aretiny, ka tsaroany tao amin’ny tenany fa sitrana izy. Teo no ho eo ihany dia fantatr’i Jesoa fa nisy hery nivoaka tamin’ny Tenany, ka nitodika ny vahoaka Izy nanao hoe: “Iza no nanendry ny fitafiako?” Ary hoy ny mpianany taminy: “Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao ka Ianao manontany hoe: Iza no nanendry Ahy?” Dia nijerijery manodidina Azy Izy hizaha ilay vehivavy izay nanao izany. Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy, ka nanatona Azy sy niankohoka teo anatrehany izy, dia nilaza ny marina rehetra. Ary hoy Izy taminy: “Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana ary sitràna amin’ny aretinao”. Raha mbola niteny i Jesoa,] dia tonga kosa ny avy any an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga ka nanao taminy hoe: “Maty ny zanakao vavy, ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?” Fa nony nandre izany teny izany i Jesoa dia nilaza tamin’ilay lehiben’ny sinagôga hoe: “Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany”. Ary tsy nisy navelany hanaraka Azy afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahan'i Jakôba.

Ary nony tonga tany an-tranon’ilay lehiben’ny sinagôga izy ireo, dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan’i Jesoa. Ary niditra Izy ka niteny tamin’ireo hoe: “Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory”. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona; fa Izy kosa nandroaka azy rehetra, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin’ireo nanaraka Azy niditra tao amin’izay niamparan-drazazavavy, ary nandray ny tanany sy nilaza taminy hoe: “Talità, komy” izany hoe: “Ry zazavavy, hoy Aho aminao: mitsangàna”. Niaraka tamin’izay dia nitsangana razazavavy ka namindra, fa efa roa ambin’ny folo taona izy, dia talanjona indrindra ny olona. Fa noraràny mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr’olona izany, ary nasainy nomen-kanina razazavavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, i Jesoa Kristy no Tompon’ny aina, na amin’ny ara-nofo na amin’ny ara-panahy, koa mangataha aminy mba hovelominy lalandava amin’ny Ainy isika, ary mivavaha mba hanatona ny Tompo amim-pinoana ny olombelona rehetra, ka homeny fiainana araka ny iriny.

Valy: Aina sy vonjy Ianao, ry Tompo.

* Samia mivavaka isika mba tena ho fantatry ny mpianatr’i Kristy rehetra ny zo aman-kasin’ny mpiara-belona aminy, ka samy hanana ny anjara masoandrony mibaliaka ny isam-batan’olona.
* Misy disadisa ny fiainana na an-tsaha na an-tanàna, koa mivavaha mba hohazavain’i Kristy ny mpitondra ka ho voatsimbina tsy hisy hatao ambin’olona ny madinika.
* Mivavaha ho an’ireo marary sy antitra, mba hampiana handalina ny fiainany ara-panahy izy sy hotsimbinina eo amin’ny fiainany ara-nofo, ka hananany ny tena fiadanana marina.
* Mivavaha ho an’ireo Ray aman-dReny manan-janaka marary, mivavaha ho an’ireo maty anaka, mba hanankerim-po hizakàna ny manjo izy ary hanantena ny fiainana mandrakizay.
* Mivavaha ho antsika kristianina rehetra mba hanana ny tena fiainana hiriariavana isika, ary hampiasa ny fiainantsika hahasambatra ny hafa, hakana tahaka an’i Jesoa.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Tompo ô, fantatrao ny fijalian’ilay raim-pianakaviana nanan-janaka marary ka nanaovanao fahagagana; koa ampio izahay ho be fitiavana sy tsara fo amin’ny olona rehetra, mba hahasambatra azy.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin’ireto fanatitra masina ireto.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra II, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 102, 1

Isaory ny Tompo, ry fanahiko; isaory, ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!

 

na hoe:

Jo. 17, 20-21

Ray ô, hoy ny Tompo, mangataka ho azy ireo Aho, mba ho iray ao amintsika izy rehetra, ka hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa, ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany, ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.059