Sorona Masina ny Alahady 03 jona 2018

ALAKAMISY MANARAKA NY TRINITE MASINA Taona B

NY VATANA AMAN-DRA MASIN’I KRISTY

SOROM-PIHAVANANA SY SAKAFO MAMPIRAY, NY EOKARISTIA

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Sal. 80, 17

Nofahanany vary matsiro izy, ary novokisany tantely remby.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Jesoa Kristy Tompo ô, namelanao ny fahatsiarovana ny fijalianao izahay amin’izao Sakramenta mahagaga izao, koa enga anie ho fatra-panaja izany mistery misy ny Vatanao sy ny Ranao izany izahay mba handrenesanay lalandava ny vokatry ny fanavotanao.

Fa Ianao Andriamanitra velona sy manjaka miaraka amin’Andriamanitra Ray ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Eksaody

Eks. 24, 3-8

Ity no ran’ny fanekena nataon’ny Tompo taminareo.

Tamin’izany andro izany, dia tonga i Môizy nitondra tamin’ny vahoaka ny tenin’ny Tompo rehetra sy ny lalàna rehetra, ka indray niredona ny vahoaka namaly hoe: “Izay teny rehetra voalazan’ny Tompo dia hotanterahinay avokoa”. Nosoratan’i Môizy avokoa ny tenin’ny Tompo. Dia nifoha maraina koa izy, nanorina ôtely teo am-pototry ny tendrombohitra, sy nanangana tsangam-bato roa ambin’ny folo ho an’ny fokon’i Israely roa ambin’ny folo. Ary naniraka zatovolahy zanak’i Israely izy, ka nanolotra sorona dorana tamin’ny Tompo ireo sy namono ombalahy hatao sorom-pisaorana. Nalain’i Môizy ny antsasaky ny ra nataony teo amin’ny tany, ary ny antsasany nararany teo ambony ôtely. Izay vao nalainy ny bokin’ny Fanekena ary novakîny teo anatrehan’ny vahoaka, izay namaly hoe: “Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan’ny Tompo”. Dia nalain’i Môizy ny ra, nafafiny tamin’ny vahoaka sy nolazainy hoe: “Ity no ran’ny Fanekena nataon’ny Tompo taminareo momba izany teny rehetra izany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihina

Sal. 115, 12-13. 15-16bd. 17-18


Fiv.: Hanainga ny kapoakan’ny famonjena aho ho fiantsoana ny Anaran’ny Tompo.

Inona no havaliko ny Tompo amin’ny soa rehetra nataony ahy? Handray ny kapoakam-pandresena aho sady hiantso ny Anaran’ny Tompo.
Tsy sitraky ny Tompo velively ny hahafatesan’ny sakaizany. Mpanomponao aho, ry Tompo: ka nalànao fatorana.
Koa mitondra fanati-pisaorana aho sy miantso ny Anaran’ny Tompo, manefa ny voadiko tamin’ny Tompo atrehin’ny vahoakany tontolo.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 9, 11-15


Ny Ran’i Kristy no hanadio ny fontsika.

Ry kristianina havana, i Kristy, nony efa tonga Mpisorombe ny amin’ny soa ho avy, dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra, tsy nataon-tanana, izany hoe tsy mba anisan’izao zava-boaary izao: sady tsy mba ran’osilahy na ran-janak’omby, fa ny Ran’ny Tenany no nentiny niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra, indray mandeha monja dia ampy, ka nahazoany fanavotana mandrakizay. Ary raha ny ran’osilahy sy ny ranjanak’omby aza mbamin’ny famafazana ny lavenom-bantotr’omby vavy nanamasina izay voaloto amin’ny fanadiovana ny nofo, mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona! Noho izany, dia Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao Izy, mba hahazoan’izay voaantso ny lova mandrakizay nampanantenaina azy, rehefa nisy fahafatesana hanala ny fahotana, natao tamin’ny fanekena taloha.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Antsa (Azo avela, na ny anatin’ny […] ihany no atao raha hafohezina)

Derao ny Mpamonjy, ry Siôna, Hobio sy antsao ny Kiadinao sy Mpifehy anao.
Mikezaha araka izay tratry ny ainao, satria ambony noho ny dera rehetra Izy, ka tsy ampy hidera Azy ianao.
Ny deraintsika anio indrindra dia ilay Mofo velona, ilay Mofo manome aina.
Dia ilay Mofo nomena ny Apôstôly roa ambin’ny folo araka ny efa fantatsika, tamin’ilay Fanasana farany.
Aoka ny fiderana ataontsika hanetriketrika ary aoka ny hirantsika hahate-hihaino, aoka ny hafaliantsika ho tsara.
Satria ilay andro malaza namoronana io Fanasana masina io no deraintsika anio izao.
Amin’izany fanasan’ny Mpanjaka vaovao izany dia ny Paka vaovaon’ny Lalàna vaovao no misolo ny Paka taloha.
Ny fomba vaovao: mandimby ny fomba taloha; ny marina mampisava ny aloka, ary ny fahazavana mamono ny haizin’ny alina.
Izay nataon’i Kristy tamin’ilay sakafo hariva dia nodidiany hatao ho fahatsiarovana Azy.
Ny nataony no arahinay ka dia manamasina ny mofo sy ny divay hanjary ho sorom-pamonjena izahay.
Teny finoana ho an’ny kristianina no ahatongavan’ny mofo ho Nofo, sy ny divay ho Ra.
Izay tsy azonao, izay tsy hitan’ny masonao dia ampiaiken’ny finoana velona, na dia tsy araka ny fomban’ny zava-boaary aza.
Ao anatin’ny endri-javatra samy hafa endrika fotsiny tsy misy ventiny intsony no iafenan’ny zava-tsoa faran’izay ambony.
Ny Nofo dia hanina ary ny Ra dia fisotro, fa ny endrika roa dia samy misy ny Tenan’i Jesoa Kristy manontolo.
Tsy tapaka izy, tsy mivaky, tsy saratsarahin’ny mpandray fa raisina manontolo.
Na olona iray na olona arivo no mandray dia izay raisin’ny arivo no raisin’ny iray mandray izy rehetra fa tsy mahalany Azy.
Mandray ny tsara fanahy, mandray koa ny ratsy fanahy fa tsy mitovy izay anjarany: na ho fiainana izany na ho fahafatesana.
Fahafatesana no azoa’ny ratsy fanahy, ary fiainana no hitan’ny tsara fanahy: endrey ity tsy fitoviam-bokatra nefa hanina iray ihany no hanina! Ilay vakîna iny ny endrika dia aza misalasala ianao fa tsarovy fa na hôstia sombiny na manontolo tsy mivaky; dia samy misy an’i Jesoa Kristy manontolo.
Ny Tena izay takon’ny endrika dia tsy vaky akory; ilay endrika hita maso ihany no motika fa Ilay ambarany dia tsy miova toetra.


(Eto no manomboka raha ny fohy)


[Indro Ilay Mofon’ny Anjely manjary vatsy ho an’ny olombelona mpivahiny: tena sakafon’ny zanaka tokoa ka tsy tokony hatsipy hohanin’ny amboa.
Efa voatandindona fahiny izy, na tamin’i Isaaka natao sorona, na tamin’ny zanak’ondrin’ny Paka, na tamin’ny mana namelona ny razantsika tany an’efitra.
Ry Jesoa Mpiandry ondry tsara, ry Mofo mahavelona, mamindrà fo aminay, aoka Ianao ho hanina hamelona sy hanohana anay, ary aoka Ianao hampahita anay ny soa any amin’ny tanin’ny Velona.
Ianao no mahalala sy mahefa ny zavatra rehetra, ka mamahana anay eto an-tany; koa eto izahay miara-misakafo aminao, ka dia tongavy ho mpiray lova, sy ho naman’ireo mponina masina any an-danitra. Amen.]


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo: izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 14, 12-16. 22-26

Vatako ity, Rako ity.

Tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka, dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe: “Aiza no tianao halehanay hanamboaranay ny hihinananao ny Paka?” Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe: “Mankanesa any an-tanàna, ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo, ka manaraha azy. Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe: ‘Izao no asain’ny Mpampianatra lazaina aminao: Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin’ny mpianatro?’Dia hotoroany efitrano malalaka voavoatra tsara ianareo, ka ao no anamboary ho antsika”.

Dia nandeha ny mpianatra ka tonga tany an-tanàna, ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka. Ary raha mbola nihinana Izy, dia nandray mofo i Jesoa, ka nony efa notsofiny rano sy novakiny dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe: “Raiso, fa Vatako ity”. Raha efa izany dia nandray ny kalisy Izy, ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra. Ary nolazainy taminy hoe: “Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro. Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra”. Nony efa nanao hira fiderana izy ireo, dia nankany amin’ny tendrombohitra Oliva.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, nanolo-Tena ho antsika i Jesoa Kristy ary mamelona antsika amin’ny Vatany sy ny Rany; koa eto am-panomanana ny sakafo noforoniny ho antsika dia akambano amin’ny fanolorany ny Tenany ny vavaka ataontsika, ho zary hery sy vonjy ho antsika.

Valy Aina sy Vonjy Ianao, ry Tompo ô.

* Ny Eokaristia no sakafon’ny Eglizy; koa mivavaha mba hanovozan’ny Pretra sy ny Relijiozy ary ny Kristianina hery sy fahasambarana ny fandraisana azy; ary mangataha mba hitombo ny fitiavana sy ny fanajana ny Sakramenta Masina.
* Indraindray dia mitovy amin’ny lanonana samihafa no iheveran’ny olona sasany ny Sorona Masina; koa mivavaha mba hitombo hatrany ny finoantsika ny Eokaristia Masina, ary mba hanaja mandrakariva ny tranon’Andriamanitra itoerany isika araka ny hasina mendrika azy.
* Vokatry ny asa tanan’ny olombelona ny mofo sy ny divay ovana ho Vatan’i Jesoa sy ho Rany; koa mivavaha mba ho azon’ny mpiasa rehetra ny valy mendrika ny hasasarany.
* Mitady fifankatiavana sy firaisana ny Fiangonana sy ny Firenena maro ankehitriny; koa mivavaha mba hanampy hahatontosa izany, ny fitiavana sy ny fanajana ny Eokaristia Masina.
* Mivavaha mba ho tena fivoriam-pianakaviana ny fotoam-pivavahana isan’alahady, ary mangataha mba hampitombo firaisan-kina sy fitiavana antsika ny Kômonio raisintsika.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ry Jesoa Tompo ô, vorînao izahay hofahananao amin’ny Eokaristia; koa enga anie ny Sorona Masina rehetra atolotray sy ny Kômonio raisinay hanavao ny fiainanay ara-panahy sy hampitombo ny fifankatiavanay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mitalaho aminao izahay, ry Tompo, mba ataovy miray fo sy miadana ny Eglizinao fa izany no ambaran’ireto fanatitra atolotray ireto.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Eokaristia Masina II


Kômonio

Jo. 6, 57

Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, hoy ny Tompo, dia mitoetra ao amiko ary Izaho ao aminy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba ataovy faly mahita Anao Andriamanitra mandrakizay fa izany no santarinay rehefa mandray ny Vatanao sy ny Ranao masina ety an-tany.

Fa Ianao velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008