Sorona Masina ny Alahady 20 mey 2018

ALAHADY PANTEKÔTY — Taona B

MPANKAHERY SY MPANAZAVA ARY MPAMPIHAVANA, NY FANAHY MASINA

Lokon’akanjo: mena

Tononkira fidirana

Fahen. 1, 7

Manerana an’izao tontolo izao ny Fanahin’ny Tompo; ao aminy avokoa ny zavatra rehetra, ary hainy daholo ny karazam-pitenenana. Aleloia!

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fankalazana an’izao andro izao no anamasinanao ny Eglizinao manontolo manerana ny foko sy ny firenena rehetra; koa mihanta aminao izahay: mba rotsahy ny fanomezan’ny Fanahy Masina ny lafivalon’ny tany; ary efa niharihary ny hatsaram-ponao tamin’ny nanombohana nitory ny Evanjely, ka mba tohizo ankehitriny hanenika ny fonay mpino.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 2, 11

Samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra ary nanomboka niteny.

Nony tonga ny andro Pantekôty, dia tafavory tao amin’ny trano anankiray ny Apôstôly rehetra, ary tampoka injay nisy feo avy any an-danitra toy ny rivotra nifofofofo mafy ka nahenika ny trano nitoerany: sady nisy lela maro mitarehina afo niseho taminy sy nizarazara nipetraka teo amboniny tsirairay avy, ka samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra sy niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy avy.

Ary nisy Jody mpivavaka tsara nitoetra tao Jerosalema, avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra, nony nahare izany izy ireo, dia nidodododo maro be ka very hevitra izay tsy izy, fa samy nandre azy ireo niteny ny fiteniny avy izy rehetra. Gaga sy talanjona izy ireo, ka vaky nanao hoe: “Endre, tsy avy any Galilea daholo va ireo miteny ireo? Ka nahoana àry ity isika no samy mandre azy miteny ny fitenin-drazantsika avy; dia ny Parta, ny Meda, ny Elamita sy ny mponina any Mezôpôtamia, Jodea, Kapadôsa, Pônto, Azia, Frijia, Panfilia, Ejipta, ary ny any Libia akaikin’ny Sirena, sy ny vahiny avy any Rôma, na Jody na prôzelita, ary ny any Kreta sy ny Arabo, dia ahoana no samy mandre azy ireo milaza amin’ny fitenintsika avy ny zava-mahagaga ataon’Andriamanitra isika rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 103, 1ab sy 24ad. 29bd-30. 31 sy 34

 

Fiv : Alefanao ny fofon’ainao, ry Tompo, ka mihavao ny endriky ny tany.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko lehibe indrindra Ianao, ry Andriamanitro; fiandrianana sy voninahitra no itafianao. Maro tokoa ny asanao, ry Tompo sady vita amim-pahakingana. Ny tany henika ny harenao.
Ny fofon’ainy alanao: mody mandry izy; ny fofon’ainao alefanao: àry izy, ka indro mihavao ny endriky ny tany. Mandrakizay ny voninahitry ny Tompo. Hifaly amin’ny asany anie ny Tompo! Ho tonga anatrehany anie ny vetsoko: ny Tompo, ny ahy, no fifaliako.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia

Gal 5, 16-25

 

Ny vokatry ny fanahy dia fitiavana, fifaliana, fiadanam-po.

Ry kristianina havana, izao no lazaiko: mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filàn’ny nofo ianareo. Fa ny nofo manam-pilàna mifanohitra amin’ny an’ny fanahy, ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin’ny an’ny nofo: koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareo ianareo. Raha tarihin’ny fanahy anefa ianareo, dia tsy mba ambanin’ny Lalàna intsony. Ary miharihary ny asan’ny nofo: dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa nolazaiko fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana, fahalemem-panahy, fahalalana onony; tsy misy izay lalàna mikasika an’ireo. Izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilàndratsiny tamin’ny Hazofijaliana. Velona amin’ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin’ny Fanahy; fa aza te hoderaina foana amin’izay fifampilàna kisa amam-pifampialonana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Antsa amin’ny Fanahy Masina

Fiv: Avia, ry Fanahy Masina ô, arotsahy re avy any an-danitra ny tsirim-pahazavanao.

1. Avia re, ry Rain’ny malahelo,
Mpizarazara fanomezan-tsoa,
Avia re, Mpisolo vava anay.

 

2. Avia, ry Mpanafaka alahelo,
Fa maminay e ny honenanao.
Avia re, Mpamelombelona ô.

 

3. Fiadananay raha sendra ka mijaly,
Fialofanay raha sendra maina andro,
Avia re, Mpanampitamby ô.

 

4. Fenoy ny tsirim-pahazavanao
Ny fon’izay rehetra mino Anao:
Avia re, ry hasambaranay.

 

5. Zahay anie raha sendra ilaozanao
Dia zava-poana feno fahotana,
Avia re, ry Mpankahery anay.

 

6. Diovy re ny fo izay feno ota,
Ka tsofy rano tsy ho karankaina,
Avia re, sitrano ny fonay.

 

7. Lefaho re ny olona maditra,
Ny matimaty ovao ho maimay,
Avia re, Mpanitsy dia anay.

 

8. Ireny fanomezanao fito
Omeo anay vahoaka mino Anao,
Avia re, matoky Anao izahay.

 

9. Omeo anay ny hatsaram-panahy,
Ny famonjena nony miala ety,
Omeo anay ny hasambaranao.

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia, aleloia.

Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana.

Aleloia.

Evanjely masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 15, 26-27; 16, 12-15

Ny Fanahy Fahamarinana no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra,

Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Rehefa tonga ny Mpanafaka alahelo, Izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray, dia Izy no hanambara Ahy. Ary ianareo koa hanambara, satria teo amiko hatramin’ny voalohany ianareo... Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny; fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Hanome voninahitra Ahy Izy, satria handray ny avy amiko, ka hanambara izany aminareo. Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko; ka izany no nanaovako hoe: Handray ny avy amiko Izy, ka hanambara izany aminareo. Rehefa afaka kelikely dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray dia hahita Ahy ianareo, satria mankany amin’ny Ray Aho.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, mila Pantekôty vaovao lalandava izao tontolo izao, hanavaozan’ny Fanahin’Andriamanitra azy; koa mivavaha isika hangataka izay rehetra ilain’ny Eglizy, ary hiangavy an’Andriamanitra mba hamory ny zanany rehetra ao aminy.

Valy: Ampidino ao aminay ny Fanahinao, ry Tompo ô.

* Pantekôty no nanombohan’ny Eglizy, koa mangataha mba hahazo hery vaovao hatrany izy, isaky ny Pantekôty toy izao, hiasan’ny Fanahy Masina.
* Mizarazara ny firenena eto an-tany ary samy hafa fiteny; koa mangataha ho an’ireo solontenam-pirenena mivory matetika, mba hifankahazo izy sy hampanjaka ny fandriam-pahalemana.
* Maro ny mitady ny marina ary manampò fa hahita azy ivelan’ny Eglizy; koa mangataha amin’Andriamanitra mba hahay handray olona sy hamirapiratra hahatarika azy ny Eglizy.
* Sombin’ny Eglizy eran’izao tontolo izao ny fiangonantsika, koa angataho mba hitombo sy hiseho ny fitiavantsika mba hiroboroboan’ny finoana.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Andriamanitra ô, nomenao afo avy amin’ny Fanahy Masina ny Apôstôly ary nomenao hery hitory ny Evanjely eo amin’izao tontolo izao; koa mba andreheto fitiavana izahay rehetra zanakao amin’izao andro izao, hitarika ny olona hahalala Anao sy ho tia Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie ny Fanahy Masina hampiharihary aminay, araka ny nampanantenain’ny Zanakao, ny harena masina miafina amin’izao Sorona izao ary hanoro anay ny fahamarinana rehetra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy:

 

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.

Fa notanterahinao ny misterin’ny Paka nanangananao ny olombelona ho zanakao hiombona anjara amin’ny Zanakao Lahy tokana ary hanomezanao ny Fanahy Masina amin’izao andro izao. Satria Izy tany am-piandohan’ny Eglizy no nanambara Anao Andriamanitra tamin’ny firenena rehetra no sady hampiray ny fiteny samihafa hiara-mankatò ny finoana tokana.

Ka noho izao hafaliana lehibe amin’ny Paka izao dia mientan-karavoana ny tany tontolo; ary ny Hery any ambony sy ny Anjely dia mihira sy mankalaza ny voninahitrao tsy mitsahatra manao hoe: Masina, Masina, Masina...

 

Kômonio

Asa 2, 1-11

Samy feno ny Fanahy Masina avokoa ny mpianatra rehetra ary dia nankalaza ny asa mahagaga vitan’Andriamanitra. Aleloia!

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, notoloranao ny fanomezanao avy any an-danitra ny Eglizinao, koa ampio izahay hahatahiry ny fahasoavana nomenao hahavelona mandrakariva ao aminay ny fanomezan’ny Fanahy Masina, ary ny Kômonio raisinay anie, hanampy anay hahazo ny famonjena mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0998