Sorona Masina ny Alahady 13 mey 2018

ALAHADY FAHA-7 - Taona B fankalazana ny Paka

FITIAVANA SY FAHAMARINANA NO TENA ENDRIK’I KRISTY

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Sal. 26, 7-9

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Hoy ny foko taminao: «Mitady ny Endrikao aho; ny Endrikao, ry Tompo, no tadiaviko, aza afenina ahy ny salovan-Tavanao». Aleloia!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Tompo ô, mba atreho ny vavakay: mino izahay fa ny Mpanavotra ny taranak’olombelona dia efa miombom-boninahitra aminao any an-danitra; kanefa kosa, enga anie mba ho tsapanay fa, araka ny nampanantenainy, dia eo aminay mandrakariva Izy, mandra-pahatapitr’izao tontolo izao.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 1, 15-17

Aoka hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona.

Tamin’izany andro izany, dia nitsangana teo afovoan’ireo havana iray finoana i Piera (tokony ho roapolo amby zato no isan’izay nivory teo) ka nanao hoe: “Ry kristianina havana, tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan’ny Fanahy Masina tamin’ny vavan’i Davida momba an’i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an’i Jesoa; fa anisantsika koa izy, sady nanana anjara tamin’izao fandraharahantsika izao. Ary izany indrindra no voasoratra ao amin’ny bokin’ny Salamo hoe: ‘Aoka ho lasan’olon-kafa ny anjara raharahany’. Koa amin’ireo lehilahy niaraka tamintsika tamin’ny andro rehetra nitoeran’i Jesoa Tompo teto amintsika, hatramin’ny nanaovan’i Joany batemy Azy ka hatramin’ny andro niakarany any an-danitra, dia aoka hisy anankiray ho namantsika, mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona”.

Dia nanokana roa lahy tamin’izy ireo izy dia i Jôsefa atao hoe Barsabasy sy nampiana anarana hoe ilay Marina, ary i Matiasy, ka nivavaka nanao hoe: “Tompo ô, Ianao no mahalala ny fon’ny olona rehetra, ka asehoy izay voafidinao amin’izy roa lahy ireto, mba hanana anjara amin’izao fandraharahan’ny Apôstôly izao, izay nialan’i Jodasy hankanesany any amin’ny fitoerany”. Dia nanaovany loka izy roa lahy, ary i Matiasy no nahazo ny loka, ka izy no lany ho isan’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 102, 1-2. 11-12. 19-20


Fiv.: Naoriny any an-danitra ny fiketrahany.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko; ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Isaory ny Tompo, ry fanahiko ny soa avy aminy aza misy hadinoina.
Tahaka ny lanitra mambomba ny tany ny fitiavany mambomba ny matahotra Azy. Tahaka ny atsinanana lavitry ny andrefana, ny hadisoantsika halaviriny amintsika.
Naoriny any an-danitra ny fiketrahany, mifehy ny tontolo ny Fanjakany. Misaora ny Tompo, ianareo Anjeliny izay feno hery hankatò ny didiny.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 4, 11-16


Izay mitoetra ao amin’ny fitiavana, dia mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.

Ry hava-malala, efa notiavin’Andriamanitra fatratra isika ka tokony mba hifankatia koa. Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy. Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ao amintsika. Ary efa nahita izahay, ka manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray. Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra. Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra ao amin’ny fitiavana dia mitoetra ao amin’Andriamanitra ary Andriamanitra ao aminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 17, 11b-19

Ho iray tahaka Antsika anie izy ireo.

Tamin’izany andro izany dia niandrandra ny lanitra i Jesoa ka nivavaka hoe: “Ray masina ô, tahirizo amin’ny Anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray tahaka Antsika izy. Raha mbola teo amin’izy ireo Aho, dia nitahiry azy tamin’ny Anaranao. Eny, nitahiry izay nomenao Ahy Aho, ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana, mba ho tanteraka ny Soratra Masina. Ankehitriny mankany aminao Aho, ka manao izany fangatahana izany dieny mbola amin’izao tontolo izao, mba hananan’izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy. Nomeko azy ny teninao, ka halan’izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy no tsy mahaolon’izao tontolo izao azy koa. Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin’ny Ratsy. Tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy ireo koa. Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana. Tahaka ny nanirahanao Ahy ho ao amin’izao tontolo izao no nanirahako azy ho ao amin’izao tontolo izao koa. Manamasina ny tenako ho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaka

Ry kristianina havana, vavaka nataon’i Jesoa ny mba hiraisantsika sy hitanantsika ny fahamarinana; koa mivavaha isika anio, mba ho tonga ny firaisan’ny Mpino kristianina, ary mba hamiratra indray ny fifankatiavana, ka hanaraka ny marina izao tontolo izao.

Valy: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao.

* Nijoro ho vavolombelon’i Kristy tafatsangan-ko velona ny Apôstôly; koa mivavaha mba hody ventiny ny fisasaran’ny Eveka sy ny Pretra manambara an’i Kristy velona, sy hiarovan’Andriamanitra azy amin’ny fanembantsembanana ataon’ny mpisompatra.
* Adidin’ny mpitondra firenena rehetra ny mampiray ny vahoaka sy ny mihavana amin’ny firenen-drehetra; koa mivavaha mba hananany hery hanatontosana an’izany, hanjakan’ny fandriam-pahalemana sy ny fiadanana.
* Indraindray tsy ampy fihavanana ny mpiray tanàna, sy ny mpiray asa, ary na ny mpiray fianakaviana aza; koa mivavaha mba hampian’Andriamanitra isika ho mpandala fihavanana sy ho mpampihavana, eo anivon’ny mpiara-monina sy ny mpiray asa.
* Mivavaha ho an’ny renim-pianakaviana rehetra eran-tany mba tsy ho lefy fitiavana izy ary hahita valim-pitia; ka sady ho sambatra no hahasambatra ny olona rehetra.


—Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ry Jesoa Tomponay ô, efa enim-boninahitra any anilan’ny Ray Ianao, nefa mitahy anay hatrany mba hiraisanay sy hampanjakanay ny fahamarinana sy ny fitiavana; koa herezo izahay mba ho tena vavolombelonao lalandava eo amin’ny teninay sy ny asanay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin’ny voninahitra any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Niakaran’ny Tompo


Kômonio

Jo. 17, 22

Ray ô, mangataka Aho mba ho iray izy ireo tahaka ny maha-iray Antsika. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mba henoy vavaka izahay, ry Andriamanitra Mpamonjy anay: enga anie izao Sorona masina izao, hahazoanay toky fa ho tanteraka ao amin’ny Eglizy rantsam-batan’i Kristy izay efa tontosa rahateo ao amin’Izy Filohanay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083