Sorona Masina ny Alahady 22 aprily 2018

ALAHADY FAHA-4 – Taona B fankalazana ny Paka

I JESOA, MPIANDRY ONDRY TSARA

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Sal. 32, 5-6

Ny hatsaram-pon’ny Tompo dia manerana ny tany; ny lanitra no vita, dia ny tenin’ny Tompo. Aleloia!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba tantano izahay hiombon-kafaliana amin’ny lanitra; ka enga anie izahay andian’ondrinao osa sy malemy, hiaraka handresy amin’Ilay Mpiandry anay.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa. 4, 8-12

Tsy misy anarana hafa hahazoana famonjena.

Tamin’izany andro izany, dia feno ny Fanahy Masina i Piera ka nilaza hoe: “Ry mpitondra ny vahoaka sy loholon’i Israely, raha ny amin’ny soa nataonay tamin’ilay lehilahy nalemy sy ny nahasitrana azy no anadinana anay anio, dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra, fa ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana, fa natsangan’Andriamanitra ho velona, no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io. Iny Jesoa iny no vato narianareo mpanao trano, kanjo tonga vato fehizoro kosa; ary tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 117, 1 sy 8-9. 21-23. 26 sy 28 ary 29


Fiv.: Ny vato niavonan’ny mpanao trano no indro tonga fehizoro!

Derao ny Tompo fa tsara: Eny, mandrakizay ny fitiavany! Aleo mialoka amin’ny Tompo toy izay amin’ny olombelona; aleo matoky ny Tompo toy izay matoky ny mpifehy.
Misaotra Anao namaly ahy: Tenanao no tonga namonjy! Ny vato narian’ny mpanao trano no indro tonga fehizoro; ny Tompo no nanao izany: zava-mahagaga imasonay!
Izahay eto an-tranon’ny Tompo no mitso-drano anareo. Ianao no Andriamanitro ka isaorako, no Andriamanitro ka asandratro. Derao ny Tompo fa tsara: eny, mandrakizay ny fitiavany!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 3, 1-2


Hahita an’Andriamanitra araka ny tena toetrany isika.

Ry hava-malala, endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika, amin’ny iantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady tena zanany tokoa isika! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala Azy. Ry malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 10, 11-18

Ny mpiandry ondry tsara mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe: “Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny; fa ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry, vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry, fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy, satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry. Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy, tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko. Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’ity vala ity, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko; dia ho tonga valan’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana. Izao no itiavan’ny Ray Ahy: satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray. Tsy misy maka azy amiko, fa ny Tenako ihany no mahafoy azy; manam-pahefana hahafoy azy Aho, ary manam-pahefana handray azy indray: izany no didy azoko tamin’ny Raiko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, henontsika teo i Jesoa nilaza hoe: “Izaho no mpiandry ondry tsara”. Koa mivavaha ho an’ireo rehetra mpandimby asa Azy nanankinany ny vahoakany, mba ho sahala amin’i Kristy izy hahalala ny ondriny sy ho fantatry ny ondriny.

Valy: Tsy ho very mandeha izay rehetra mifefy aminao.

* Mivavaha ho an’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra mba homen’Andriamanitra ny finoana sy ny herim-po ilainy izy hitondrany ny vahoakan’Andriamanitra nankinina aminy.
* Mivavaha ho an’ny Relijiozy, mba hampian’Andriamanitra izy ho tena vavolombelona hahitan’izao tontolo izao ny hatsaram-pon’i Kristy mpiandry ondry tsara, ka hahatarika ny tanora hanara-dia azy ireo.
* Mivavaha ho an’ireo rehetra mpitondra ara-nofo mba hampian’Andriamanitra izy ho mpiandry ondry mendrika sy mahafoy tena hahita izay mahasoa ny vahoaka.
* Mivavaha isika mba hanomezan’Andriamanitra mpiandry ondry tsara hikolokolo ny fanahy sy ny vatan’ireo mahantra sy madinika tsy mba misy mpikarakara.
* Mangataha ho an’ny tenantsika mba hahery fo sahala amin’i Piera sy i Joany isika, hijoro hanambara ny finoana tsy amin-tahotra, hanohy ny asan’i Jesoa Mpiandry ondry tsara amin’izay misy antsika.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ry Tompo Mpiandry ondry tsara ô, omeo fo sy fanahy mahafantatra izay hahasoa ny vahoakanao ireo mpitondra ao amin’ny Eglizy sy izao tontolo izao, ary miantsoa Pretra sy Relijiozy maro eto amin’ny Nosinay, ka hahafahan’ny andian’ondrinao mizotra amim-pitokiana sy fanantenana eo anoloanao.

Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba omeo hafaliana lalandava noho izao misterin’ny Paka izao, ka hitohy hatrany eo aminay anie ny vokatry ny fanavotana loharanon-kafaliana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka


Kômonio

Nitsangan-ko velona Ilay Mpiandry ondry tsara izay namoy ny ainy ho an’ny ondriny ary maty ho an’ny andian’ondriny. Aleloia.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Jereo amin’ny fo tony izahay andian’ondrinao, ry Mpiandry ondry tsara; ary izahay ondry navotanao tamin’ny Ra masin’ny Zanakao, mba omeo toerana soa aman-tsara, any an-tanim-bilonao mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.082