Sorona Masina ny Alakamisy 29 martsa 2018

ALAKAMISY MASINA HARIVA

FAHATSIAROVANA NY FANASAN’NY TOMPO

Lokon’akanjo: fotsy

Araka ny efa fomban’ny Eglizy hatrizay, dia tsy azo anaovana Sorona anio raha tsy misy vahoaka mamonjy.
Ny hariva, amin’izay fotoana antonona ny olona indrindra, no aroso ny Sorona ankalazana ny Fanasan’ny Tompo, iarahan’ny mpiangona rehetra manolotra, miaraka amin’ny Pretra sy ny mpanao raharaha masina rehetra eo an-toerana, samy manao ny anjara tadrifiny avy.
Izay Pretra efa nisorona tamin’ny fanamasinana diloilo sy izay efa voatery nanao Sorona hafa ho an’ny vahoaka, dia mbola mahazo miara-misorona ny hariva.
Raha hita fa mety hahasoa, dia azon’ny Eveka na ny solony omena lalana hanaovana Sorona masina koa, ny hariva, ireo fiangonana madinika (oratoires publics, semi-publics) ary koa ny maraina aza, rehefa tena ilaina: saingy ho an’izay tena tsy afaka hariva ihany. Fa tandremana sao ny tombontsoa ho an’ny olom-bitsy no mampihena ny mpiangona hariva.
Eo amin’ny Sorona ihany no azo izarana Kômonio, fa ny marary dia azo itondrana na amin’ny firy na amin’ny firy.
Tsy asiana na inona na inona ny tabernakla; fa ny hôstia amin’izao Sorona izao no atao ampy anio sy rahampitso.

Tononkira fidirana

Gal. 6, 14

Raha isika dia ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika no aoka hireharehantsika: ao aminy no misy ny famonjena, ny fiainana sy ny fitsanganan-ko velona. Izy no namonjy antsika sy nanafaka antsika.

 

Asiana Voninahitra anie ho an’Andriamanitra. Ka mandritra ny ihirana azy dia ampanenoina ny lakolosy, ary tsy velesina intsony hatramin’ny fotoam-pivavahana Sabotsy Masina alina, raha tsy hoe hafa ny hevitra tapaky ny Fivondronan’ny Eveka na ny Eveka tompom-paritany, satria hita fa ilaina.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, vory mankalaza ny Fanasanao masina izahay, dia ilay Fanasana nohafaran’ny Zanakao Lahy tokana tamin’ny Eglizy, fony Izy hanolo-tena ho faty mba ho sorona vaovao maharitra mandrakizay sy ho Fanasana hampiharihary ny fitiavany; koa ataovy afaka manovo fitiavana feno sy fiainana tonga lafatra izahay amin’izao Sakramenta ambony izao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka ... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Eksaody

Eks. 12, 1-8, 11-14

Hohenointsika izao ny Lalàna momba ny Sakafo fankalazana ny Paka.

Tamin’izany andro izany, izao no nolazain’ny Tompo tamin’i Môizy sy i Aarôna tany amin’ny tany Ejipta: “Ity volana ity no aoka ho fiandoham-bolana ho anareo; dia ho voaloham-bolana amin’ny taona izany ho anareo. Ary mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra ataovy hoe: “Amin’ny andro fahafolon’ity volana ity, samia ianareo maka zanak’ondry iray avy, isam-pianakaviana, zanak’ondry iray isan-trano. Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray dia hikambanany amin’izay namany akaiky azy indrindra izy, arakaraka ny isan’ny olona, fa araka izay tokony hohanin’ny olona iray no hanisanareo ny olona hihinana an’io zanak’ondry io. Dia ho zanak’ondry tsy misy kilema sady lahy ary efa herintaona; ny halainareo dia zanak’ondry na zanak’osy. Dia hotananareo izy hatramin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’io volana io, vao samy hamono azy ny fiangonan’i Israely rehetra, amin’ilay àty takariva iny.

Hangalana ny rany, hatentina amin’ny tolàna roa sy ny tataom-baravaran’ny trano hihinanana azy ary hohanina amin’io alina io ihany ny nofony. Voatsatsika amin’ny afo no hihinanana azy, miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy. Ary toy izao no hihinananareo azy: ny andilana voasikina, ny tongotra voaisy kapa; ny tanana mitan-tehina, ny fihinanana azy atao faingana. Pakan’ny Tompo izany. Handalo mamaky ny tany Ejipta Aho amin’io andro io, ka ny lahy matoa rehetra amin’ny tany Ejipta hovonoiko, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby, hisy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr’i Ejipta rehetra: fa Izaho no Tompo. Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo; ho hitako ny ra, dia holalovako fotsiny ianareo; ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rehefa hamely ny tany Ejipta Aho. Hataonareo tsy very tadidy izany andro izany, fa hankalazainareo amin’ny fety hiderana ny Tompo, hankalazainareo amin’ny taranakareo mifandimby, ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 115, 12-13. 154

 

Fiv.: Ny kalisy isaorantsika an’Andriamanitra, dia ilay isotroantsika ny Ran’i Kristy.

Inona no havaliko ny Tompo amin’ny soa rehetra nataony ahy? Handray ny kapoakam-pandresena aho sady hiantso ny Anaran’ny Tompo.
Tsy sitraky ny Tompo velively ny ahafatesan’ny sakaizany. Mpanomponao aho, ry Tompo: eny, mpanomponao tokoa, zanaky ny ankizy vavinao aho, ka nalànao fatorana.
Koa mitondra fanati-pisaorana aho sy miantso ny Anaran’ny Tompo, manefa ny voadiko tamin’ny Tompo atrehin’ny vahoakany tontolo.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 11, 23-26

 

Isaky ny mihinana sy misotro amin’izao ianareo, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo.

Ry kristianina havana, izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa: tamin’ny alina namadihana azy iny i Jesoa, dia nandray mofo, ka nony efa nisaotra Izy, dia namaky azy sy nanao hoe: “Raiso ary hano, fa Vatako ity ho anareo; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy”. Toy izany koa, nony efa nihinana, dia hoy izy: “Kalisy fanekena vaovao amin’ny Rako ity; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro ianareo”. Fa isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin’ity kalisy ity ianareo, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 13, 1-15

Dia fara fitiavana no nataony taminy.

Talohan’ny fankalazana ny Paka, fantatr’i Jesoa fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ka rehefa notiaviny tokoa ny azy izay amin’izao tontolo izao, dia fara fitiavana no nataony taminy. Ary raha mbola teo amin’ny fisakafoana hariva, i Jodasy Iskariôta zanak’i Simôna moa efa nomen’ny demony hevitra hamadika Azy, i Jesoa kosa nahalala fa efa napetraky ny Ray eo an-tanany ny zavatra rehetra, ary Andriamanitra no niaviany sady Andriamanitra koa no iverenany, dia nitsangana teo am-pihinanana izy: napetrany ny lambany, nalainy ny lamba famàohana ka nisikinany; raha efa izany, nampidina rano tamin’ny tavy Izy, dia nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra, sy namaoka azy tamin’ny lamba nisikinany. Ary nanatona an’i Simôna Piera izy; fa hoy i Piera taminy: “Adre! Ianao ve, Tompoko, no hanasa ny tongotro?” Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Tsy fantatrao izao izay ataoko, fa ho fantatrao aoriana”. Fa hoy i Piera taminy: “Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana oviana Ianao”. Ka hoy i Jesoa namaly azy: “Raha tsy sasako ianao, dia tsy hanana anjara amiko”. Dia hoy i Simôna Piera taminy: “Tsy ny tongotro ihany àry, Tompoko, fa ny tenako sy ny lohako koa”. Fa hoy i Jesoa taminy: “Izay efa nandro, tsy mila hosasana afa-tsy ny tongotra, fa efa madio avokoa ny tenany manontolo. Ary ianareo koa dia madio, nefa tsy ianareo rehetra”. Izy no nanao hoe: Tsy ianareo rehetra no madio, dia satria fantany ilay hamadika Azy.

Nony efa voasasany ny tongotr’izy ireo, dia nandray ny lamba Izy, ka nipetraka indray, ary nanao taminy hoe: “Moa fantatrareo va izay nataoko taminareo? Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filàzanareo; fa izany tokoa Aho. Ka raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia tsy maintsy hifanasa tongotra; satria nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Fanasan-tongotra

Asiana toriteny ivoasana ny zava-dehibe tsarovana amin’ny Sorona anio: ny namoronana ny Eokaristia sy ny Ordre ary ny Didin’ny Tompo momba ny fifankatiavana. Vita ny toriteny dia atao ny fanasan-tongotra, raha hita fa mahasoa.
Ireo lehilahy voafidy dia tarihin’ny mpanotrona hankeo amin’ny toerana voaomana ho azy. Dia manatona an’ireo ny Pretra (alàna ny “chasuble” raha manembantsembana), mandraraka rano amin’ny tongony ary mamafa azy, ampian’ireo mpanotrona. Hiraina mandritra izany izay sasin-kira fidina amin’ireto, na hira hafa mifanaraka amin’ny fotoam-pivavahana.

Sasin-kira voalohany

1 Jo. 13, 4. 5. 15.

Nitsangana teo am-pihinanana ny Tompo, dia nampidina rano tao amin’ny tavy fisasana ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianany. Izany ao oha-pitondran-tena navelany ho azy ireo.

Sasin-kira faha-2

Jo. 13, 14

«Tompo ô, Ianao ve no hanasa ny tongotro?» Hoy i Jesoa namaly azy: «Raha tsy sasàko ny tongotrao, dia tsy hanana anjara amiko ianao».
A. - Dia tonga teo amin’i Simôna Piera Izy, ka hoy i Piera hoe: «Tompo ô, Ianao ve no hanasa ny tongotro?»
A. - «Izay ataoko ankehitriny, dia tsy fantatrao izao, fa mbola ho fantatrao any aoriana. »
«Tompo ô, Ianao ve no hanasa ny tongotro?»

 

Sasin-kira faha-3

Jo. 13, 14

Raha Izaho Tompo sy Mpampianatra anareo aza manasa ny tongotrareo, mainka ianareo samy ianareo dia tokony hifanasa tongotra.

Sasin-kira faha-4

Jo. 13, 35

“Ny hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo dia ianareo mifankatia”

A. – Hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: «Ny hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, dia ianareo mifankatia» .

Sasin-kira faha-5

Jo. 13, 34

Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia ny mba hifankatiavanareo, toy ny nitiavako anareo.

Sasin-kira faha-6

1 Kôr. 13, 13

Enga anie honina ao aminareo ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana. Ary amin’ireo telo ireo, ny lehibe indrindra dia ny fitiavana.

A. - Fa ankehitriny dia samy misy ireto: ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana. Ary amin’ireo telo ireo, ny lehibe indrindra dia ny fitiavana.
- Enga anie honina ao aminareo ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana. Ary amin’ireo telo ireo, ny lehibe indrindra dia ny fitiavana.

 

Vao vita ny fanasan-tongotra (na aorian’ny toriteny raha tsy misy nosasan-tongotra) dia atao ny Ranombavaka. Fa tsy asiana Izaho mino.

 

Ranombavaky ny mpino

Indray takariva toy izao, ry kristianina havana, no nanaovan’i Jesoa Sorona Masina voalohany, nony avy nanasa tongotra ny mpianany Izy; koa hafanao ny fontsika hiara-kanao izao vavaka izao ho an’ny olombelona rehetra tiany hovonjena ka nanolorany ny Tenany.

 

Fiv.: O, ry Jesoa Kristy Tompo ô, harahiko Ianao na aiza na aiza.

* Mivavaha ho an’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra mba hahazo fahasoavana sesehena izy, hiainany araka ny Eokaristia sy araka ny maha-mpisorona azy.
* Mivavaha ho an’ny filoha rehetra eto an-tany, mba hanampian’Andriamanitra azy haka tahaka an’i Kristy, ka hiezaka ny hanompo fa tsy ny hotompoina.
* Mivavaha mba tsy hifaninana hiady ny olombelona fa hifaninana hifankatia ary mba ho maro ny apôstôly ho mpampihavana eto an-tany.
* Tsy ampy ny manome fiantrana sy ny mamonjy namana indraindray, fa mangataha mba hanana fo feno fitiavana hanompoantsika ny namana, araka ny irîn’Andriamanitra.
* Mivavaha mba ho fitiavana marina miseho eo amin’ny fiainantsika no hanomanantsika ny Sorona Masina rehetra hatolotsika.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Jesoa Tompo ô, tsaroanay tokoa ilay Sakafo farany nanaovanao veloma anay tety an-tany, amin’izao Sorona Alakamisy Masina hariva izao; tsaroanay ny fihetsikao sy ny teninao feno fitiavana; koa ampio izahay hanam-pitiavana tahaka Anao, ho tia amin’ny herinay rehetra, ary hatramin’ny fara fofon’aina.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Rehefa manomboka ny tena Sorona, dia mahazo mitanjozotra ny olona mitondra fanomezana ho an’ny mahantra. Mandritra izany no atao ity hira eto ity na hira hafa mifanaraka amin’ny fotoam-pivavahana.

Sasin-kira

 

Izay anjakan’ny fitiavana, anjakan’Andriamanitra!
- Ny fitiavana an’i Kristy no manambatra antsika ho iray.
- Aoka isika hientan-karavoana ka hifaly ao aminy
- Hajao sy tiavo ilay Andriamanitra velona.
- Ary mifankatiava amin’ny fontsika tokoa.

 

Sasin-kira

 

Izay anjakan’ny fitiavana, anjakan’Andriamanitra!
- Ary efa mitambatra ho iray isika;
- koa tandremo ny mifampiolonolona.
- Atsaharo ny fifandiran-dratsy sy ny ady ifampitoriana.
- Fa ilay Kristy Andriamanitra no aoka hanjaka eo ampovoantsika.

 

Sasin-kira

 

Izay anjakan’ny fitiavana, anjakan’Andriamanitra!
- Enga anie izahay rehetra hiaraka amin’ny olom-pinidy,
- hibanjina ny Endrikao be voninahitra, ry Kristy Andriamanitra
- loharanon-karavoana sady soa tsy lany lanîna
- mandritra ny taona tsy manam-pahataperana. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao, satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny fanavotana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Ny Eokaristia Masina I

 

Raha Kanôna rômanina no atao, dia misy manokana ny: Entanin’ny firaisana am-panahy , sy indro àry ny fanatitra atolotray , ary Fa ny andro nialoha ny nijaliany, dia ny andro toy izao.

Kômonio

1 Kôr. 11, 24. 25

Hoy ny Tompo hoe: «Vatako hatolotra ho anareo ity, ary fanekena vaovao amin’ny Rako ity kalisy ity. Isaky ny mihinana sy misotro amin’izany ianareo dia ataovy ho fahatsiarovana Ahy».

Rehefa voazara ny Kômonio, dia ajanona eo amin’ny ôtely ny siboara misy ny hôstia hanaovana Kômonio ny ampitso, ary faranana amin’ny Vavaka aorian’ny Kômonio ny Sorona Masina.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mba ekeo izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa efa nahazo hery tamin’ny fanasan’ny Zanakao tety an-tany, ka enga anie ho henika ny zava-tsoa any amin’ny mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

Famindràn-toerana ny Sakramenta Masina

Vita ny vavaka aorian’ny Kômonio, dia mijoro eo anoloan’ny ôtely ny Pretra, manisy emboka ny fanembohana, dia mandohalika ary manemboka ny Sakramenta Masina intelo. Avy eo izy dia manao “Voile huméral”, maka ny siboara, mandrakotra azy amin’ny sisin’ny lamba.
Entina amin’izay ny Sakramenta Masina, ialohavan’ny mpitondra ny Hazofijaliana ary otronina mpitondra jiro sy fanembohana, mamakivaky ny fiangonana, mankeny amin’ny toerana hametrahana Azy, nomanina amin’izany efitra kely fivavahana efa voaravaka. Mandritra izany dia hiraina ny antsa hoe “Pange lingua” (afa-tsy ny andininy roa farany) na hira hafa momba ny Eokaristia.
Rehefa tonga eo amin’ny toerana hametrahana Azy ny Sakramenta Masina, dia apetraky ny Pretra ny siboara; manisy emboka ny fanembohana izy, dia mandohalika. manemboka, mandritra ny ihirana ny “Miankohofa mba hitsaoka”.

 

Miankohofa mba hitsaoka
Ty mistery lehibe,
Ny lalàna teo aloha
Aoka hisolo vaovao.
Ny finoana anie hameno
‘Zay tsy mety ho azontsika.

 

Andriamanitra Ray sy Zanaka
Mba derao sy hobio:
Voninahitra, arahaba,
Saotra, haja ho Azy koa.
Mba derao toy izany
Ny Fanahy avy aminy. Amen.

 

Dia hidiana ny tabernakla na ny vata itoeran’ny Sakramenta Masina.
Rehefa avy mangina mitsaoka kelikely ny Pretra sy ny mpanotrona azy, dia mitsangana vao mandohalika ary miverina any amin’ny trano fiakanjoana.
Avy eo dia esorina izay rehetra eo amin’ny ôtely; tsy asiana Hazofijaliana ao am-piangonana raha azo atao; izay tsy azo alàna dia saronan-damba.
Tsy manao “Vêpres” izay teo amin’ny Sorona hariva.
Hafarana ny kristianina hitsaoka ny Sakramenta Masina mandritra ny alina, araka izay toerana sy toe-javatra misy; fa aorian’ny misasak’alina, dia atao tsotra dia tsotra ny fitsaohana.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0231