Sorona Masina ny Alahady 11 martsa 2018

ALAHADY FAHA-4 – Taona B KAREMY

TIA ANTSIKA MPANOTA NY RAY

Lokon’akanjo: mavokely na volomparasy

Tononkira fidirana

Iz. 66, 10-11

Miravoravoa, ry Jerosalema, mivoria ianareo rehetra manam-pitiavana Azy. Ianareo malahelo, aoka hientan-kafaliana, miravoravoa fa ho dibo-kafaliana ny fonareo.


Fangatahana

Andriamanitra ô, fomba mahagaga no nampihavananao ny olombelona aminao tamin’ny alalan’ny Teninao tonga nofo; koa enga anie ny vahoaka kristianina hoentanim-pinoana, hidodododo hankalaza ny Paka efa akaiky.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka … Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky faharoan’ny Tantara

2 Tant. 36, 14-16. 19-23

Nihatra tamin’ny vahoaka ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny famindram-pony, fony izy ireo babo ary afaka avy eo

Tamin’izany andro izany, ny lehiben’ny mpisorona rehetra mbamin’ny vahoaka koa, nandroso nanao fahadisoana manaraka ny fahavetavetan’ny hafa firenena, sy nandoto ny Tranon’ny Tompo, izay efa nohamasininy, tao Jerosalema. Malaky sady matetika no nampitondra teny fananarana tany amin’izy ireo, ny Tompo Andriamanitry ny razany, tamin’ny alalan’ny irany, fa nangoraka ny vahoaka sy ny Fonenany Izy. Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra, notsiratsirainy ny teniny, ary novazivazîny ny mpaminaniny, mandra-pihàtran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony. Nodorany ny Tranon’Andriamanitra, noravany ny mandan’i Jerosalema, notselarany afo ny lapa rehetra teo, ary nosimbany ny fanaka saro-bidy rehetra. Nentin’i Nabokôdônôzôro ho babo tany Babilôna ny olona sisa tsy matin-tsabatra, ka tonga mpanompon’izy sy ny zanany ireny, mandra-panjàkan’ny mpanjakan’i Persa. Izany no nahatanterahan’ny tenin’ny Tompo, tamin’ny vavan’i Jeremia hoe: “Mandra-pahazon’ny tany ny onitry ny sabatany, dia hitsahatra izy mandritra ny fotoana nahafoana azy, dia mandra-pahafenon’ny fitopolo taona”.

Ary tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa, mpanjakan’i Persa, dia namporisihin’ny Tompo ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa mba hahatanteraka ny tenin’ny Tompo tamin’ny vavan’i Jeremia, ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra hiely eran’ny fanjakany izao teny izao: “Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa: Efa nomen’ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany: ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho Azy any Jerosalema. Koa iza avy moa aminareo no vahoakany? Homba azy anie Andriamanitra Tompony, ary aoka hiakatra izy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. - Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 136, 1-2. 3. 4-5. 6.


Fiv.: Aoka hipetaka amin’ny lanilaniko ny lelako, raha tsy mahatsiaro anao aho.

Teo amin’ny onin’i Babilôna izahay nitorovoka, nahatsiahy an’i Siôna ka nitomany. Tamin’ny hazomalahelo izay teny no nahantonay ny lokanganay.
Dia tonga ny mpamabo nangataka hira, nasain’ireo mpampahory hifaly izahay: «Anaovy hira izahay, hoy izy, ihirao hiran’i Siôna!»
Dia an-tanin’olona ve izahay no hihira ny hiran’ny Tompo? Raha manadino anao aho, ry Jerosalema, aoka ho maina ny tanako!
Ny lelako hipetaka amin’ny lanilaniko, raha tsy mahatsiahy anao aho, raha tsy ianao, ry Jerosalema, no hany antom-pifaliako!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 2, 4-10


Na dia fony mbola matin’ny fahotana aza ianareo, dia ny fahasoavana no namonjena anareo.

Ry kristianina havana, Andriamanitra izay manan-karena amin’ny famindram-po, noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin’ny fahotana aza isika, no nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo); niara-natsangany isika, sy niara-napetrany amin’i Jesoa Kristy any an-danitra, mba hanehoany amin’ny andro ho avy ny haben’ny harem-pahasoavany, amin’ny hatsaram-pony amintsika ao amin’i Kristy Jesoa. Satria ny fahasoavana no namonjena anareo, noho ny finoana, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha. Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa, mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Dera sy laza anie ho Anao, ry Kristy Mpanavotra anay.

Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

Dera sy laza anie ho Anao, ry Kristy Mpanavotra anay.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 3, 14-21

Naniraka ny Zanany mba hamonjy an’izao tontolo izao Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe: “Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay”.

Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara an’izao tontolo izao, fa mba hamonjy an’izao tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy tsaraina; fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana. Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany; fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, tsy mba ny hanameloka akory no nanirahan’Andriamanitra ny Zanany Lahy tokana tety an-tany fa ny hamelona sy hanome ny fiainana; koa angataho Andriamanitra mba ho tena andro fibebahana sy famonjena ho an’ny olona rehetra izao Karemy izao.

Valy: Ray ô, tia anay ny Zanakao, ka tsinjovy izahay.

* Amin’izao fotoana anomanana ny Paka izao, mivavaha isika mba hitondra vokatra betsaka ny ezaka ataon’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra hampitodika ny olona amin’Andriamanitra; ka ho maro no hangataka sy handray ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra Raintsika.
* Mila ny fahazavan’Andriamanitra ny mpitondra vahoaka rehetra; koa mivavaha mba hanampian’Andriamanitra azy hiezaka hitondra ny olona araka ny rariny sy hikatsaka ny soa ho an’ny vahoaka rehetra.
* Betsaka amin’ireo mpiara-belona amintsika no mitady ny marina fa mbola tsy mahita; koa amin’izao Karemy efa misasaka izao, mivavaha isika mba hitarihan’Andriamanitra azy hahita ny fahazavan’i Kristy sy ny fahamarinany.
* Mivavaha ho an’ireo ankizy mianatra katesizy, mba hazoto sy haharitra amin’ny fandalinam-pinoana ataony, ary mivavaha koa ho an’ireo tsy mba handre na oviana na oviana ny momba an’i Kristy, ka ny fitiavana nentin’i Kristy namonjy an’izao tontolo izao anie hanentana azy koa hanao ny marina sy ny tsara mandrakariva.
* Mivavaha mba hampian’Andriamanitra isika ho mafy finoana sy ho fatra-pikatsaka ny fahamarinana, ary ho mpiaro ny marina, na dia maro zava-manahirana aza.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Tompo ô, tonga tety aminay Ianao mba hamonjy an’izao tontolo izao, ary hamonjy izay olona rehetra azon’ny fijaliana, koa ampio izahay haka tahaka Anao: ka ho antra sy ho mora fo ary ho vonon-kamonjy ny olona rehetra.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Faly izahay, ry Tompo, manolotra ny fanatitra loharanom-panafody maharitra mandrakizay; koa mitalaho an-tanan-droa: ampio izahay ho feno finoana sy fanajana hanolotra ny sorona famonjena an’izao tontolo izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy:

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Fa ny taranak’olombelona nandeha amin’ny maizina dia notarihiny hohazavain’ny finoana tamin’Izy naka nofo, ary ireo teraka voan’ny fahotana tamin’ny fototra dia natsangany ho zanakao amin’ny rano manome aim-baovao.

Noho izany ny tany aman-danitra dia miara-miredona hira mba hitsaoka Anao, ary izahay koa miaraka amin’ny tafiky ny Anjely rehetra, mankalaza Anao lalandava manao hoe: Masina, Masina, Masina...


Kômonio

Jo. 9, 11

Ny Tompo no nanao feta nanosorany ny masoko; nisasa aho, dia nahiratra, ary ankehitriny aho mino.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, hazavainao avokoa izay olombelona tonga amin’izao tontolo izao, koa mba hazavao amin’ny fahasoavanao mamirapiratra ny fonay, tsy hikendry afa-tsy izay mendrika Anao sy mahafaly Anao Avo indrindra, ary ho tia Anao amin’ny fonay tokoa.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083