Sorona Masina ny Alahady 04 martsa 2018

ALAHADY FAHATELO - Taona B KAREMY

TSY MAMELA HIPETRA-POANA NY FITIAVANA AN’ANDRIAMANITRA

Lokon’akanjo: volomparasy

Tononkira fidirana

Sal. 24, 15-16

Ny masoko any amin’ny Tompo lalandava: Izy no manala ny tongotro amin’ny harato. Mba todiho aho, iantrao, fa honjohonjoko izaho irery mahantra.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra fototr’izay mety ho famindram-po sy fitiavana rehetra, nasehonao fa fanafody amin’ny fahotana ny fifadian-kanina sy ny fivavahana ary ny fiantrana; koa jereo amin’ny fo antra izahay mpanota tsy mendrika, ary enga anie izahay aondriky ny eritreritray ankehitriny mba hoarenin’ny famindram-ponao lalandava.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Eksaody

Eks. 20, 1-17 (lava) na 1-3. 7-8. 12-17 (fohy)

Nomena tamin’ny alalan’i Môizy ny Lalàna.

Avela ny ao anatin’ny […] raha ny fohy no atao

 

Tamin’izany andro izany, Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto nanao hoe: “Izaho no Tompo Andriamanitrao, izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana. Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao. [Tsy hanao sarin-javatra voasikotra ho anao, na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Tompo Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro: ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra; ary amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa, mamindra fo hatramin’ny taranaka faharivo. ] Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao, fa tsy havelan’ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany. Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasinana azy.

[Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao. Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an’ny Tompo Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona, na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy, na ny ankizy lahinao, na ny ankizy vavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao. Satria ny andro enina no nanaovan’ny Tompo ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, mbamin’izay rehetra ao aminy, fa ny andro faha fito dia nitsaharany, ka izany no nanasoavan’ny Tompo ny andro Sabata sy nanamasinany azy.]

Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao. Tsy hamono olona ianao. Tsy hijangajanga. Tsy hangalatra ianao. Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao. Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao, tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny ankizy lahiny na ny ankizy vaviny, na ny ombiny na ny ampondrany, na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 18, 8. 9. 10. 11.

 

Fiv.: Ianao ry Tompo, no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.

Ny lalan’ny Tompo lavorary, mamelombelona fanahy; ny didin’ny Tompo mahatoky, mampahendry olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy: ny fo falifaliany; ny baikon’ny Tompo mazava, fanilo ho an’ny maso
Ny tahotra ny Tompo madio, maharitra mandrakizay; ny fitsaran’ny Tompo marina, samy rariny avokoa.
Irîna noho ny volamena, ny volamena madio miavosa; mamy noho ny tantely, ny toho-tantely mitsonika.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 1, 22-25

 

Izahay mitory an’i Kristy voafantsika izay hadalana ho an’ny olombelona, fa fahendren’Andriamanitra ho an’izay voaantso.

Ry kristianina havana, ny Jody mila famantarana; ny Jentily mitady fahendrena; ary izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana. Fanafintohinana amin’ny Jody izany, ary fahadalana amin’ny Jentily; fa i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra kosa amin’izay voaantso, na Jody na Jentily. Fa izay toa fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’ny olombelona, ary izay toa fahalemen’Andriamanitra, dia mahery noho ny herin’ny olombelona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 2, 13-25

Ravao ity Tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana.

Akaiky ny Pakan’ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa. Ary hitany tao anatin’ny Tempoly ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola nipetraka tao, ka nanao kotopia tamin’ny tady madinika Izy, dia nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry hiala amin’ny Tempoly; nararany ny volan’ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra, ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromailala: “Esory eto ireto, fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko”. Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe: Ny fitiavako ny tranonao no maharîtra ny aiko. Fa niteny kosa ny Jody ka nanao taminy hoe: “Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao Ianao?” Dia namaly i Jesoa nanao hoe: “Ravao ity Tempoly ity, fa hatsangako indray amin’ny hateloana”. Ka hoy ny Jody: “Enina amby efapolo taona no nanaovana ity Tempoly ity ka Ianao ve dia hanangana azy indray amin’ny hateloana e”. Ny vatany anefa no Tempoly nolazainy. Ary nony tafatsangan-ko velona Izy dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany, ka nino ny Soratra masina sy ny teny voalazan’i Jesoa izy ireo. Raha mbola tany Jerosalema Izy tamin’ny fetin’ny Paka, dia maro no nino ny Anarany, fa nahita ny fahagagana nataony; nefa tsy natoky azy ireo i Jesoa, satria nahalala azy rehetra Izy, sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin’ny olona Izy, fa ny Tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon’ny olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, tsy tian’i Jesoa hatao toeram-pivarotana na filam-bola ny Tranon’ny Rainy; koa mangataha koa isika amin’ny Tompo mba tsy hivaona amin’ny zavatra hafa, ny nanirahana antsika kristianina.

Valy: Tompo ô, henoy ny vavakay olonao.

* Vilany misarona toa misy hena, ka heverin’ny sasany fa mpanefoefo ny Eglizy; koa mivavaha mba hisava ny ahiahy, sy hazava eo imason’ny olona ireo asa fanasoavana maro loha, sahanin’ny Fiangonana; ary mangataha koa mba ho tsapa hatraiza hatraiza ny fahafoizan-tenan’ireo mpanao raharahan’Andriamanitra.
* Mivavaha ho an’ireo mpitondra vahoaka sy mpampanjana-bola ary mpivarotra, mba hampian’Andriamanitra izy tsy ho jamban’ny vola izy fa hanaraka ny rariny sy ny hitsiny mandrakariva.
* I Jesoa dia tsy natahotra fa niteny sy niasa araka ny nanirahana Azy; koa mivavaha ho an’ny tompon’andraikitra rehetra hahasahiany miasa amim-pahamarinana, sy mijoro amin’ny adidiny hatrany.
* Revo amin’ny rotsirotsim-piainana ny manan-katao fa ny mahantra kosa mihevi-tena tsy mba manana anjara amin’ny fitiavan’Andriamanitra; koa mangataha mba hoentanim-pitiavana isika, hifampitsimbina sy hifampizara ny manta sy ny masaka.
* Noroahin’i Jesoa ireo nanembantsembana tao an-Tempoly; koa mangataha mba horoahiny koa amin’izao Karemy izao, izay rehetra manembantsembana ny fontsika, ary mba hohamafisiny ny finoantsika

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Jesoa Tomponay ô, nahariharinao ny fahefanao tamin’ireo mpivarotra tao an-Tempoly; koa mba ampianaro izahay hahitsy eo amin’ny toe-piainanay, ary hitandro mandrakariva ny tena maha-kristianina anay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Hampitony Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao, ka enga anie izahay mitalaho famelan-keloka mba hiezaka hamela heloka ny namanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy:

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay: Ilay nampitsimoka ny finoana tao am-pon’ilay vehivavy samaritanina nangatahany rano hosotroina, ary nahatonga azy hangetaheta ny finoana, mba handrehitra ny fitiavana an’Andriamanitra ao am-pony.

Izahay koa mankasitraka Anao ary miaraka amin’ny Anjely mankalaza ny herinao manao hoe:

Masina, Masina, Masina...

 

Kômonio

Jo. 4, 13-14

Na iza na iza misotro amin’ny rano homeko azy dia hahazo loharano miboiboika ao anatiny, ho fiainana mandrakizay.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nahazo ny antoky ny harena mandrakizay mbola miafina izahay, ry Tompo, ary nihinana ny mofo avy any an-danitra na ety an-tany aza; koa mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie ho tanteraka tokoa amin’ny toe-piainanay, izay afafin’ny Sakramenta ao am-ponay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1304