Sorona Masina ny Alahady 18 febroary 2018

Taona B - ALAHADY VOALOHANY KAREMY

TE HIHAVANA AMINTSIKA ANDRIAMANITRA

Lokon’akanjo: volomparasy

Tononkira fidirana

Sal. 90, 15-16

Hoy Andriamanitra hoe: Hiantso Ahy izy ary hohenoiko, hombako amin’ny androm-pahoriana, hafahako, homeko voninahitra, hovokisako andro sesehena.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, manaraka ny fomba masina amin’ny Karemy isan-taona izahay, ka enga anie hitombo fahalalana ny harena miafina ao amin’i Kristy ary hampiasa ny vokatr’izany amin’ny toe-piainana mendrika.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka ... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Jenezy

Jen. 9, 8-15

Ny faneken’Andriamanitra tamin’i Nôe, dia ny hanafaka azy amin’ny safo-drano.

Taorian’ny safo-drano Andriamanitra niteny tamin’i Nôe sy ny zanany niaraka taminy nanao hoe: “Izaho dia hanao fanekem-pihavanana aminareo sy amin’ny taranaka mandimby anareo, amin’ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo, na vorona, na biby fiompy, sy ny bibin’ny tany rehetra, hatramin’izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara ka hatramin’ny biby rehetra ambonin’ny tany. Manao fanekem-pihavanana aminareo aho: tsy hisy levon’ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano handringana ny tany intsony”. Dia hoy Andriamanitra: “Ity no famantarana ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin’ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo, amin’ny taranaka ho avy rehetra: Nataoko eo amin’ny rahona ny avako, ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko, sy amin’ny tany. Ka rehefa hampiangona rahona ambonin’ny tany Aho, dia hiseho eo amin’ny rahona ny avana ka hotsarovako ny fanekena misy amiko sy aminareo mbamin’ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, ka dia tsy hisy rano hanjary safo-drano mandringana ny nofo rehetra intsony”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 24, 4bd-5ab. 6-7bd. 8-9

 

Fiv.: Ny teninao, Tompo ô, mamiko sy teliko.

Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy; ampianaro ahy ny soritrao.
Ny fahamarinanao itarihana ahy, ianao no Andriamanitra Vonjiko.
Tsara sy mahitsy ny Tompo: ny mpanota toroany lalana, ny ory entiny amin’ny marina, asehony azy ireo ny lalany.
Ny lalany: fahamarinana, fitiavana amin’izay mitandrina ny fanekeny. Izay matahotra ny Tompo tsy anafenany: atorony azy ny fanekeny.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Piera Apôstôly

1 Pi. 3, 18-22

 

Ny Batemy izay tenan’io tandindona io no amonjena anareo.

Ry kristianina havana, na i Kristy aza niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy. Ary tamin’io fanahy io ihany koa no nandehanany nitory teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina, dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Nôe, mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsivitsy, dia valo monja, sy namonjena azy ireo tamin’ny safo-drano. Ary amin’ny rano ihany koa ankehitriny, dia amin’ny Batemy izay tenan’io tandindona io, sy tsy fanadiovana ny loton’ny vatana, fa fangatahana fo tsara amin’Andriamanitra, no amonjena anareo noho ny nitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, dia ilay nandevona ny fahafatesana mba hahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay, ary efa lasa any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra, eken’ny Anjely sy ny fahefana ary ny hery.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Voninahitra anie ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 1, 12-15

Nalain’i Satana fanahy Izy, ary ny Anjely nanompo Azy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia nentin’ny Fanahy ho any an’efitra, ka nitoetra tany efapolo andro dia nalain’i Satana fanahy sy niara-nitoetra tamin’ny bibidia, ary ny Anjely nanompo Azy. Ary rahefa natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ka nanao hoe: “Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho anao ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, tsy fotoana natao hivavahana sy hamolahan-tena fotsiny ny Karemy, fa hiezahana hanaraka an’i Kristy koa hatrany an-tampon’ny Kalvery mba hitsanganantsika ho velona tahaka Azy; koa mivavaha mba ho hain’izao tontolo izao toherina ny Ratsy izay fahavalo mandoza ny taranak’olombelona, tahaka ny nanoheran’i Kristy azy.

Valy: Henoy, ry Tompo ô, henoy ny vavakay, henoy re izahay.

* I Kristy no fanekem-pihavanana vaovao maharitra madrakizay antoky ny fanohizam-pihavanan’ny olombelona amin’Andriamanitra Ray, koa mivavaha mba hiharihary amin’izao tontolo izao fa i Kristy irery no lalana mitondra any an-tranon’Andriamanitra Ray.
* Tsy isika Katôlika ihany akory no mahatakatra ny lanjan’ny fifadian-kanina sy fifehezan-tena; mafy sy be lavitra noho izay vitantsika aza ohatra ny nataon’ny Jody sy ny Silamo; koa mivavaha mba hankasitrahan’Andriamanitra ny fiezahan’ireo hafa finoana havantsika ao amin’ny Tompo.
* Nankany an’efitra i Jesoa hivavaka sy hifady hanina. Amin’izao Karemy izao kosa ireo relijiozy rehetra na lahy na vavy, dia mampitombo ny fihafiana fanaony ho famonjena an’izao tontolo izao; koa miaraha isika aminy mivavaka sy manolotra ny fiainantsika isan’andro.
* Samy miomana hankalaza ny Paka avokoa ny fiangonana rehetra eran-tany ary samy manana ny fomba entina manomana azy, toy ny toriteny, ny laretirety, ny dinidinika samihafa... Koa mivavaha mba ho fiasana mahomby avokoa ireny handrenesan’ny olon-drehetra ny hafatry ny lanitra.
* Ho an’ny sasany angamba dia hitovy amin’ny andro hafa rehetra ihany izao Karemy izao, koa mivavaha mba hampitomboin’Andriamanitra ny fitiavam-bavaka sy ny finoantsika fa androm-pivalozana izao.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Jesoa Tomponay ô, efa nanome ohatra anay Ianao raha nifidy ny fahanginana tany an’efitra mba hivavahana, koa mba ataovy mahita fotoana hanginana izahay handinihanay tena sy hivavahanay ary hibebahanay marina tokoa.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba ataovy mifanaraka amin’ireto tolotra ireto ny toetranay, fa sorona anombohanay ny karemy izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy:

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Ilay nisantatra izao fomba masina izao tamin’Izy nifady hanina efapolo andro, ary nampianatra anay handresy ny herin’ny ratsy rehetra tamin’Izy nandrava ny fandrika novelarin’ny demony, mba hankalazanay ny Paka amin’ny fanahy mendrika sy hahatafita anay any amin’ny Paka mandrakizay indray andro any.

Izany no iarahanay amin’ny Anjely sy ny Olomasina rehetra mihira sy mankalaza Anao, amin’ilay antsa ventesinay lalandava manao hoe:

Masina, Masina, Masina …

 

Kômonio

Mt. 4, 4

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Mofo avy any an-danitra nanovozanay hery dia mamelona ny finoana, mampitombo ny fanantenana ary mankahery ny fitiavana; koa mihanta aminao izahay: ampianaro haniry an’Ilay tena Mofo velona sy hanovo aina amin’ny teny rehetra aloaky ny vavanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0579