Sorona Masina ny Alahady 11 febroary 2018

ALAHADY FAHA-6 mandavantaona — B

SITRANA NY BOKA

Tononkira fidirana

Sal. 30, 3-4

Aoka Ianao ho Andriamanitra mpiaro ahy sy ho tany fialofana hamonjenao ahy; fa Ianao no vatolampy sy tany mimandako; ary ho voninahitry ny Anaranao, dia tariho lalana aho sy fahano.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Tompo ô, nambaranao mazava fa mitoetra ao amin’ny olo-marina sy mahitsy fo Ianao; koa ataovy marina sy mahitsy fo izahay ho mendrika honenanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Adriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Levitika

Lev. 13, 1-2. 45-46

Hitokana irery any ivelan’ny toby ny marary hoditra.

Tamin’izany andro izany, ny Tompo niteny tamin’i Môizy nanao hoe: “Raha mamontsina ny hoditry ny olona anankiray na misy anakandro na miseho hodi-potsy, ka tonga misy fery toy ny habokàna amin’ny hoditry ny nofony dia hoentina mankeo amin’i Aarôna mpisorona izy, na eo amin’ny iray amin’ireo zanany mpisorona. Izay boka ferena dia hanao fitafiana norovitina, ny volony harakaràkany, ny volombavany hosaronany, ary izy hiantsoantso hoe: “Maloto e! maloto e!” Ho maloto izy mandritra ny andro rehetra haharetan’ny feriny. Maloto izy, ka hitokana irery, any ivelan’ny toby”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 31, 1-2. 5. 11.


Fiv.: Ianao no fiereko miaro amin’ny loza; izaho hodidininao hiram-pahafahana.

Sambatra izay voavela heloka; eny, sambatra ny olona afaka ota, tsy itanan’ny Tompo hadisoana, fa nitsotra tamin’ny fo manontolo.
Koa nitsotra taminao aho, tsy nanafina hadisoana: «Miaiky heloka aho, ry Tompo!» ka noesorinao ny otako.
Mifalia ao amin’ny Tompo, ry olo-marina; miravoa, mihobia, ry fo mahitsy!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 10, 31—11, 1


Makà tahaka ahy, toy ny akako tahaka an’i Kristy.

Ry kristianina havana, na mihinana ianareo na misotro, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany. Aza manao izay hanafintohina ny Jody, na ny Jentily, na ny Eglizin’Andriamanitra, fa toy ny ataoko, dia manao izay hahafaly ny olona rehetra amin’ny zavatra rehetra aho, ka tsy mitady ny ho an’ny tenako, fa ny ho an’ny be sy ny maro, mba ho voavonjy izy rehetra. Makà tahaka ahy, toy ny akako tahaka an’i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Adriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 1, 40-45

Niala tamin-dralehilahy ny habokàna ka nadio izy.

Tamin’izany andro izany, nisy boka anankiray nanatona an’i Jesoa, nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: “Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy”. Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: “Mety Aho, madiova ianao”. Vantany vao niteny Izy, dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy. Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa, sady namepetra azy mafy nanao hoe: “Tandremo, aza milaza izany na amin’iza na amin’iza ianao, fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona, ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka”. Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza izany sy nampiely izany hatraiza hatraiza, hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangingina Izy, ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ankehitriny efa hitan’ny manam-pahaizana ny fanafody anasitranana ny habokana, saingy ny habokam-panahy vokatry ny fahotana kosa dia toa mbola manenika an’izao tontolo izao. Koa mivavaha mba ho takatry ny olona ny haratsian’ny fahotana ary mba ho hainy mitsara araka ny fahazavan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.

Valy: Tsarovy izahay fa be indrafo Ianao.

* Nanafaka an’izao tontolo izao tamin’ny fahotana i Kristy ary ny Egliziny no manohy ny asany; koa mivavaha mba ho feno fitiavana sy fangorahana ny mpanota ny kristianina, ary hanampy azy hiarina ho olom-baovao araka ny irîn’Andriamanitra, sy tsy ho resin’ny herin’ny maizina.
* Andraikitry ny mpitondra fanjakana ny miahy ny fahasalamam-bahoaka, kanefa mbola maro ny velon-tebiteby amin’ny loza ateraky ny asa ataon’ny sasany. Koa mivavaha mba hotsilovin’Andriamanitra ny sain’ny mpitondra, hitarihany ny olona amin’ny tsara.
* Aretina mampitondra fangirifiriana ny habokana, eran’izao tontolo izao, koa mivavaha ho an’ireo marary hoditra eran-tany sy ho an’ireo mahafoy tena mikarakara azy, ary mivavaha mba ho hitan’ny olombelona izay hamongorana tanteraka io areti-mandoza io.
* Mivavaha koa isika ho an’ny mararin’aretina samihafa tsy hay sitranina mba hahay hatoky sy hanantena an’Andriamanitra izy amin’ny adin-tsaina mahazo azy.
* Mamàka ankehitriny ny fampianaran-diso hoe tsy misy ny fahotana, ka mamela ny olona hanao ny danin’ny kibony. Koa mivavaha isika mba ho tsapantsika ny haratsian’ny fahotana, ary mba ho haintsika aseho amin’ny fiainantsika ny hasoan’ny hatsaram-panahy.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, nanasitrana ny boka Ianao tety an-tany, na dia tsy araka ny lalàna tamin’izany aza; koa mihanta aminao izahay, mba ampio hahay hitana ny tena votoatin’ny Evanjely, fa tsy hanaraka ambokony fotsiny ny fomba amam-panao mahazatra.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Hanadio anay sy hanavao anay anie, ry Tompo izao fanatitra izao, ka hampahazo ny valisoa mandrakizay an’izay miezaka hanatanteraka ny sitraponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra V, ohatra.


Kômonio

Sal. 77, 29-30

Nihinana ireo zanak’i Israely ka voky, nomen’ny Tompo izay niriny, ka afa-diana izy.


na hoe:

Jo. 3, 16

Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany Lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ampoky ny sakafo mahafa-po avy any an-danitra izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: mba ataovy maniry mandrakariva izay hahazoanay ny tena fiainana marina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1929