Sorona Masina ny Alahady 04 febroary 2018

ALAHADY FAHA-5 mandavantaona — B

MISY ANTONY AMBONY NY FIJALIANA

Tononkira fidirana

Sal. 94, 6

Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an’Andriamanitra: mandohaliha eo anoloan’ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitsika.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka ... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Jôba

Jôb. 7, 1-4. 6-7

Feno tebiteby aho nandra-pahazavan’ny andro.

Tamin’izany andro izany, niteny i Jôba nanao hoe: “Andro fanompoana, ny fiainan’ny olona eto an-tany, ary toy ny an’ny mpikarama ny androny. Toy ny mpanompo maniry alokaloka, toy ny mpikarama miandry ny karamany, mova tsy izany aho nanana izay anjara volana mampahory, sy nanana izay anjara volana mampijaly. Fa nony handry aho manao hoe: “Rahoviana aho no hifoha? Rahoviana ny alina no ho tapitra?” Dia mandry an-driran’antsy foana eo aho, mandra-pahazavan’ny andro. Mihelina faingana toy ny famahanan-tenona ny androko, dia lany: tsy misy fanantenana intsony! Andriamanitra ô! tsarovy fa fofona kely foana ny aiko! ka tsy hahita fiadanana intsony ny masoko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 146, 1-2. 3-4. 5-6


Fiv.: Derao ny Tompo manasitrana ny torotoro fo.

Derao ny Tompo fa tsara, antsao ny Andriamanitsika fa mamy: ary fiderana voakaly no tena mendrika Azy: Izy ilay manorina an’i Jerosalema, manangona ny tafaely amin’i Israely.
Mitsabo ny fanahy torotoro, manasitrana ny fo maratra, Ilay manisa tsirairay ny kintana sy miantso azy amin’ny anarany avy.
Tompontsika lehibe sy mahery, Ilay tsy misy fetra ny fahalalany, Izy Tompo manandratra ny ory, fa ny olon-dratsy adabony aman-tany.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 9, 16-19. 22-23


Mila loza aho raha tsy mitory ny Evanjely.

Ry kristianina havana, raha mitory ny Evanjely aho, dia tsy mba izany no voninahitro, fa adidy tsy maintsy efaiko izany, ka mila loza aho raha tsy mitory ny Evanjely. Raha safidim-poko fotsiny no anaovako izany, dia hoe mendri-baly aho; fa didy no anaovako azy, ka dia adidy napetraka hiandraiketako izany. Inona àry ny valisoa azoko? Izao ihany: mitory ny Evanjely aho, ary mitory azy maimaim-poana, fa tsy mampiasa ny fahefana ananako avy amin’ny Evanjely. Eny, na dia olona afaka aza aho, ka tsy mpanompon’iza na iza akory, dia nilatsaka ho mpanompon’ny olona rehetra kosa, mba hahazoako olona maromaro kokoa. Tamin’ny malemy aho, dia hoatra ny malemy, mba hahazoako ny malemy. Eny, tonga toa azy rehetra tamin’ny olona rehetra aho, mba hamonjeko azy rehetra. Ary noho ny Evanjely no nanaovako izany rehetra izany, mba hananako anjara aminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 1, 29-39

Nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy.

Tamin’izany andro izany, raha nivoaka avy tao amin’ny Sinagôga i Jesoa sy i Jakôba ary i Joany, dia nankany an-tranon’i Simôna sy i Andre. Ary ny rafozambavin’i Simôna nandry teo am-pandriana fa nanavy, ka noresahin’izy ireo taminy niaraka tamin’izay. Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nanompo Azy izy. Nony hariva efa maty masoandro, dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon’ny demony, ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa. Dia nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy, sady nandroaka demony maro, fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra Azy. Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany amin’ny tany mangingina, ka nivavaka tany. Dia lasa nitady Azy i Simôna sy ny namany, ka nony nahita Azy dia nilaza taminy hoe: “Tadiavin’ny olona rehetra Ianao”. Fa izao no navaliny: “Andeha isika hankany amin’ny tanàna akaiky, mba hitoriako any koa; fa izany no nivoahako”. Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagôgan’ny olona sy eran’i Galilea rehetra, sady nandroaka ny demony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, manempotra an’izao tontolo izao ny tabataba tsy ifandrenesana sy ny lahasa tsy misy iainana, ka mila tsy ho afa-mandre an’Andriamanitra na manatona Azy intsony ny olombelona; koa mangataha amin’ny Tompo mba hohain’ny olona ny manokam-potoana hitadiavam-pahanginana sy hivavahana, toy ny nataon’i Kristy.

Valy: Mandrosoa e, mandrosoa ao an-tranonay Ianao ry Jesoa.

* Efa nasehon’i Masindahy Paoly tamintsika androany ny tsy fitsitsiany aina mitarika ny olona hankeo amin’i Kristy; koa mangataha ho an’ireo mpitory ny tenin’Andriamanitra, mba ho feno hafanam-po tahaka Azy hahafoy tena ho an’ireo madinika.
* Mivavaha ho an’ny dokotera sy ny mpanampy azy ary izay rehetra mikarakara ny marary mba hanomezan’Andriamanitra azy hatsaram-po sy halemem-panahy ary fitiavana, tahaka an’i Jesoa.
* Sitrak’i Jesoa ny nanopy maso ireo marary sy nanasitrana azy, koa tsarovy ireo any amin’ny hôpitaly ary mivavaha mba hanatanterahan’ny Tompo izay irîny sy angatahiny.
* Mazàna ny fahoriana sy ny fijaliana dia ahitan’ny olona ny lalana mankany amin’Andriamanitra, nefa koa indraindray, mitondra famoizam-po tsy ahafahany mitraka. Koa mivavaha ho an’ireo rera-po sy rera-tsaina mba hankahery azy Andriamanitra sy hamindra fo aminy.
* Mila ny fanampian’Andriamanitra mandrakariva isika, mila ny fanilovany hanatontosantsika ny adidy aman’andraikitra; koa mivavaha mba hahay hankamamy ny fahanginana sy hazoto mivavaka.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, tsy nanampi-maso tamin’ny fahorian’ny olombelona Ianao, ka nirohotra nanatona Anao ireo mijaly, mba hovonjenao sy hositraninao; koa mba topazo maso miantra ny marary sy ny mijaly rehetra, ary enga anie izahay hahery fo sy ho be fitiavana amin’ny fanampiana ny namana zoim-pahoriana hanohizanay ny fitiavanao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ireo ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra II, ohatra.


Kômonio

Sal. 106, 8-9

Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.


na hoe:

Mt. 5, 56

Sambatra ny ory, fa halana alahelo; sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray amin’i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091