Sorona Masina ny Alahady 28 janoary 2018

ALAHADY FAHA-4 mandavantaona — B

IZA I KRISTY AMINTSIKA?

Tononkira fidirana

Sal. 105, 47

Vonjeo izahay, ry Tompo Andriamanitray, ka angony avy amin’ireo hafa firenena, mba hidera ny Anaranao masina sy hifaly amin’ny fiderana Anao!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Tompo Andriamanitray ô, ampio izahay ho feno fanajana Anao sy ho feno fitiavana ny olona rehetra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Deterônômy

Det 18, 1 5-20

Hanangana Mpaminany iray Aho, ary hapetrako eo am-bavany ny teniko.

Tamin’izany andro izany, i Môizy niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Hanangana Mpaminany anankiray tahaka ahy eo afovoanao, eo amin’ny iray firenena aminao, ny Tompo Andriamanitrao; hohenoinareo izy. Izany no nangatahinao tamin’ny Tompo Andriamanitrao tany Hôreba, tamin’ny andro nivoriana, nataonao hoe: ‘Aoka tsy ho feon’ny Tompo Andriamanitro intsony no ho henoko, ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho, fandrao maty’”. Dia hoy ny Tompo tamiko: “Tsara ny voalazan’izy ireo. Hananganako Mpaminany anankiray tahaka anao, avy eo amin’ny iray firenena aminao izy; hapetrako eo am-bavany ny teniko dia holazainy amin’izy ireo ny zavatra rehetra handidiako azy. Ka raha misy tsy mihaino ny teniko, izay holazainy amin’ny Anarako, dia Izaho no hampamoaka azy ny amin’izany. Fa ny Mpaminany izay entim-piavonavonana kosa, ka manambara amin’ny Anarako ny teny tsy nodidiako holazainy, na miteny amin’ny anaran’andriamani-kafa, dia ho faty izany Mpaminany izany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 94. 1-2. 6-7, 8-9


Fiv.: Enga anie ianareo anio ka mba hihaino ny feony, fa aza manamafy fo!

Avia! Ndeha isika hihoby ny Tompo, hankalaza ny Vatolampy famonjena antsika; andeha hiseho eo anoloany amin-tsaotra, hankalaza Azy amin’antsa.
Midira! Ndao hiankohoka sy hitsaoka, handohalika eo anoloan’ny Tompo nanao antsika. Fa izy no Andriamanitsika; isika kosa, vahoaka, ondriny eo an-tanany. Enga anie ianareo anio ka mba handre ny feony!
Aza manamafy fo toy ny tany an’efitra, tamin’ny andro nifandirana sy nihatsiana, raha naka fanahy Ahy ny razanareo, na dia efa nahita ny asako aza.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 7, 32-35


Izay tsy manambady dia miahy ny momba ny Tompo mba ho masina.

Ry kristianina havana, tsy tiako ho maro ahîna ianareo. Izay tsy manambady, dia miahy ny momba ny Tompo, mba hahafaly ny Tompo; fa ny lehilahy izay manambady kosa, miahy ny momba izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy, ka voazara izy. Toy izany koa ny vehivavy; izay tsy manambady sy ny virjiny, dia miahy ny momba ny Tompo, mba ho masina ny vatany amam-panahiny; fa ny vehivavy izay manambady kosa dia miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny lahy. Ny hahasoa anareo anie no nilazako izany, fa tsy ny hamadika anareo e! natoroko anareo ny tena mety hikambananareo amin’ny Tompo tsy aman-tsampona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md Marka

Mk. 1, 21-28

Nampianatra azy ireo toy ny manana fahefana Izy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany nankany Kafarnaôma, ka ny sabata voalohany ihany, dia niditra tao amin’ny Sinagôga Izy ary nampianatra ny olona. Dia gaga izy ireo tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. Ary tao amin’ny Sinagôgany dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto, ary niantso mafy izy nanao hoe: “Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga hampahita loza anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra”. Fa nandrahona azy i Jesoa nanao hoe: “Mangina, ary mivoaha amin’io lehilahy io”. Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy, dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy. Gaga ny olona rehetra, ka nifampilaza hoe: “Inona ity? Fampianarana vaovao inona re ity? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy”. Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, fahasoavana ny mihaona amin’i Kristy sy ny mahalala Azy ary ny manaraka Azy; kanefa be ny mitady ny Tompo fa tsy manampò ny hoe mizaha Azy, ao koa ny tsy mahalala akory fa misy Izy; ary isika mino Azy, tsy tapi-pahalalana Azy tanteraka; koa mangataha amin’i Kristy mba hiseho amintsika sy amin’ny olona rehetra Izy.

Valy: Ry Tompoko, ilay Endrikao no mahafinaritra ahy; tadiaviko ny Endrikao e, ka aza afenina.

* Misy mihevitra fa lany andro ny fampianaran’ny Evanjely ka tsy antonona ny olona ankehitriny. Koa mangataha amin’ny Tompo mba ho ren’ny olona amin’ny fampianaran’ny Eveka sy ny Pretra ny feon’i Kristy, handraisan’ny olona rehetra ny hafatr’Andriamanitra.
* Antsibe roa lela ny fahefana eo an-tanan’ny mpitondra; koa mivavaha mba ho araka ny finoana sy ny irîn’Andriamanitra mandrakariva no hampiasany ny fahefana ananany.
* Zava-dehibe sy ambony, hoy i Md. Paoly tamin’ny Soratra Masina novakina androany ny mahaonon-tena tsy hanambady noho i Kristy; koa mivavaha ho an’ireo mifidy ny tsy hanorin-tokantrano mba hanarahana ny Tompo sy hanompoana ny namana.
* Maro ny mahantra tsy manan-kitafy sy ny ory tsy manan-kohanina, ny mijaly tsy manan-kialofana sy ny very toky tsy manan-kianteherana; koa mangataha mba homen’Andriamanitra fo mahay mangoraka ny kristianina, hampiroborobo ny fifanampiana sy ny fifanasoavana.
* Mivavaha mba ho fantatra tsaratsara kokoa hatrany i Kristy, ary ho tiana sy hotompoina eto amin’ny fiangonantsika sy ny tanàna ary ny faritany misy antsika.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Jesoa Tompo ô, efa nampahafantarinao anay ny halehiben’ny asa nanirahana Anao tety an-tany, koa mba ataovy tsapan’ny olona mahita ny ataonay sy mandre ny teninay, fa marina Ianao ary miara-mitoetra eto afovoanay rehetra.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, aterinay eto amin’ny ôtelinao ny tolotray; koa mba raiso ary ankasitraho ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fanavotana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra III, ohatra.


Kômonio

Sal. 30, 17-18

Asehoy ny mpanomponao ny Endrikao, ry Tompo, ka vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao. Tompo ô, tsy ho azon-kenatra aho satria miantso Anao.


na hoe :

Mt. 5, 34

Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra; sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nahazo hery tamin’ny fanomezanao mitondra fanavotana izahay no mihanta aminao, ry Tompo: enga anie ny famonjena mandrakizay omenao, hampiroborobo mandrakariva ny finoana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0847