Sorona Masina ny Alahady 21 janoary 2018

ALAHADY FAHA-3 mandavantaona — B

NY TAREHY RATSY NO TSY AZO OVANA, FA NY TOETRA RATSY AZO OVANA

Tononkira fidirana

Sal. 95, 1, 6

Iventeso hira vao ny Tompo; ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Fiandrianana sy fahamendrehana no mialoha Azy, hery sy harevaka no amin’ny toerany masina.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tantano araka ny sitrakao ny asa ataonay mba ho mendrika hahavita asa soa betsaka izahay amin’ny Anaran’ny Zanakao malalanao.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Jônasy Mpaminany

Jônasy 3, 1-5. 10

Niala tamin’ny lalan-dratsiny ny olona tao Niniva

Tamin’izany andro izany, dia tonga tamin’i Jônasy ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Mitsangàna ianao mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe, hitory aminy ny toriteny holazaiko aminao”. Dia nitsangana i Jônasy, ka nankany Niniva, araka ny tenin’ny Tompo. Ary i Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra, fa lalan-kateloana. Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasy, ka nitory izy nanao hoe: “Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Niniva!” Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva, ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra. Nahita ny nataon’izy ireo, sy ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra, ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra, ka dia tsy notanterahiny indray izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 24. 4bd-5ab. 6-7bd. 8-9


Fiv.: Ny lalanao, ry Tompo, ampianaro ahy.
na hoe: Ny teninao, Tompo ô, no faniloko; ny lalanao, ô ry Ray ô, no tianay haleha.


Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy; ny soritrao ampianaro ahy. Ny fahamarinanao itarihana ahy, Ianao no Andriamanitra Vonjiko.
Tsarovy ny indrafonao sy ny fitiavanao izay efa hatramin’ny fahagola. Noho ny fitiavanao, ry Tompo, hadinoy ny otako fahazaza.
Tsara sy mahitsy ny Tompo; ny mpanota toroany lalana, ny ory entiny amin’ny marina, ary ampisehoany ny lalany.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 7, 29-31


Mandalo ny endrik’izao tontolo izao.

Ry kristianina havana, izao no hevitro: fohy ny andro, ka amin’izao sisa izao, aoka ny manambady ho toy ny tsy manana; ny mitomany ho toy ny tsy mitomany; ny mifaly ho toy ny tsy mifaly; ny mividy ho toy ny tsy manana; ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra; fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; minoa ny Evanjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 1, 14-20

Mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely.

Tamin’izany andro izany, rehefa natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ka nanao hoe: “Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely”. Nony nandalo teny amoron’ny ranomasin’i Galilea Izy, dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Ary hoy i Jesoa taminy: “Andeha hanaraka Ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo”. Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy. Nony nandeha kelikely Izy, dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa nanamboatra ny haratony. Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy, ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambokeliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, sarotra ny miaiky fa diso; ary vao mainka sarotra ny miala amin’ny mahazatra; fa tsy vitako, hoy i Md. Paoly, ny tsara izay kendreko. Koa ndeha isika hifampivavaka mba hanampian’Andriamanitra ny ezaka ataontsika, hibebahana sy hanarahana ny antsony.

Valy: Jesoa, Jesoa ny herin’ny teninao anie hanova ny fiainanay.

* Fihavaozana mifanentana amin’ny toetr’andro ankehitriny no nokendren’ny Eglizy tamin’ny Kônsily Vatikana faharoa; koa mivavaha mba samy hivoatra sy hibebaka araka izany ny Eglizy manontolo, na ny Eveka sy ny Pretra na ny Relijiozy sy ny kristianina tsotra.
* Sori-dalana mazava no efa nomen’ny Kônsily sy ny Papa eo amin’ny fiaraha-monina sy ny pôlitika; koa mivavaha mba hahalala sy handinika izany ny olona rehetra, indrindra ireo mpitondra isan-karazany, mba tsy ho revon’ny soa ho an’olom-bitsy, fa hikatsaka ny hampivelatra sy hanasoa ny olona rehetra.
* Amin’ny sasany, ny fihavaozana sy fibebahana dia fialana sy fanariana izay antitra sy taloha tsy misy avakavaka, na fitadiavana vaovao manaitra fotsiny; koa mivavaha mba samy handray ny fahazavan’ny Evanjely ny olona rehetra, ka hivoatra araka ny herin’Andriamanitra.
* Misy antsoin’Andriamanitra hanao ny raharahany manokana tahaka an-dry i Jônasy, ry i Piera sy i Andre, ry i Joany sy i Jakôba henontsika androany, mba hiantso fibebahana na fanamboarana takin’Andriamanitra; ka aoka hifampivavaka sy hifanampy mba samy hirotsaka amin’ny asa fa tsy ho be fangataka andro.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany


Ry Tompo Andriamanitra ô, hainao nohazavaina sy nankaherezina ireo Mpaminany sy Apôstôly teo am-panarahana ny antsonao; koa ampio izahay tsy hiamboho adidy, ary hiaiky heloka sy hahafoy ny zavatra rehetra koa, araka izay takin’ny fahamarinanao, sy hahatanteraka ny fihavaozan’ny Eglizin’i Jesoa Kristy Zanakao, Ilay velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba raiso ary ankasitraho, ry Tompo, ireto fanatitra ireto, hanamasina anay sy hahavonjy anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra VII, ohatra.


Kômonio

Sal. 33, 6

Manatèna ny Tompo, ary itafio ny fahazavany, dia tsy hangaihay intsony ianareo.


na hoe:

Jo. 8, 12

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo. Izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina, fa hamirapiratan’ny fiainana.


Vavavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa nahazo aim-baovao avy aminao izahay, ka enga anie hifaly mandrakariva amin’ny fanomezanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0529