Sorona Masina ny Alahady 14 janoary 2018

ALAHADY FAHA-2 mandavantaona — B

SAMY NANTSOIN’ANDRIAMANITRA TSIRAIRAY ISIKA

Tononkira fidirana

Sal. 65, 4

Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo Indrindra.

 

Asiana VONINANITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky voalohan’i Samoela

1 Sam. 3, 3b-10. 19

Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao.

Tamin’izany andro izany, i Samoela nandry tao an-Tempolin’ny Tompo izay nisy ny fiaran’Andriamanitra; dia nantsoin’ny Tompo i Samoela ka namaly hoe: “Inty aho!” Sady lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Helî, nanao hoe: “Inty aho, fa niantso ahy ianao”. Ary hoy i Helî; “Tsy niantso aho, fa miverena mandry”; Dia lasa izy nandry. Nantsoin’ny Tompo indray i Samoela, ka niarina i Samoela dia nankany amin’i Helî nanao hoe: “Inty aho, fa niantso ahy ianao”. Namaly i Helî hoe: “Tsy niantso aho, anaka, fa miverena mandry”. Tsy mbola nahalala ny Tompo i Samoela, satria tsy mbola nanehoana ny tenin’ny Tompo izy. Ary nantsoin’ny Tompo fanintelony indray i Samoela ka niarina, dia nankany amin’i Helî, nanao hoe: “Inty aho, fa niantso ahy ianao”. Fantatr’i Helî tamin’izay fa ny Tompo no niantso ny zaza, ka hoy i Helî tamin’i Samoela: “Mandehana mandry, fa raha misy miantso anao, valio hoe: “Mitenena, ry Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao”. Dia lasa i Samoela nandry tany amin’ny fitoerany. Ary tonga ny Tompo ka nitsangana tao, dia niantso toy ny taloha nanao hoe: “Ry Samoela ô! ry Samoela ô!” Dia namaly i Samoela hoe: “Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao”. Dia nitombo ho lehibe i Samoela sady nomba azy ny Tompo ary tsy navelany ho raraka an-tany ny teniny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 39, 2 sy 4ab. 7-8a. 8b-9. 10.

 

Fiv.: Inty aho, ry Tompo, mba hanao ny sitrakao.
na hoe: Ny teninao, Tompo ô, mamiko sy teliko; ny lalanao lalako, no sitrako.

Niandry ny Tompo aho ka niandry, niondrika Izy, nihaino talaho, hira vao no nataony teo am-bavako, fiderana an’ilay Tompontsika.
Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra: ny sofiko manko nosokafanao. Tsy misy ilainao mihitsy izay sorona dorana sy fanonerana;
Ka hoy aho hoe: Inty aho tamy. Voasoratra amin’ny boky ny momba ahy: ny manao ny sitrakao, no mamiko; ny lalànao, ry Tompo, no ato am-poko.
Ny fahamarinanao, ry Tompo, notorîko tamin’ny fiangonana; ny molotro tsy nakomboko: fantatrao tsara izany.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 6, 12e-15a. 17-20

 

Rantsam-batan’i Kristy ny vatanareo.

Ry kristianina havana, ny vatana tsy mba ho an’ny fijangajangana, fa ho an’ny Tompo; ary ny Tompo, ho an’ny vatana. Efa nanangan-ko velona ny Tompo Andriamanitra, ka hanangana antsika amin’ny heriny koa. Tsy fantatrareo va fa rantsam-batan’i Kristy ny vatanareo? Ary izay miray amin’ny Tompo dia fanahy iray aminy. Halaviro ny fijangajangana. Ny fahotana hafa rehetra dia ataon’ny olona any ivelan’ny tenany avokoa; fa ny fijangajangana ihany no ataony amin’ny tenany indrindra. Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatinareo, sy noraisinareo tamin’Andriamanitra, ka tsy anareo ny vatanareo? Fa olom-boavidy lafo ianareo. Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin’ny vatanareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 1, 35-42

Nahita izay nitoerany izy ireo, sy nitoetra teo aminy.

Tamin’izany andro izany, teo i Joany sy ny mpianany roa lahy, ka hoy izy nahatazana an’i Jesoa nandalo: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra”. Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo, dia nanaraka an’i Jesoa. Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka Azy, dia nanao taminy hoe: “Inona no tadiavinareo?” Ary hoy izy ireo taminy: “Raby, (izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika) aiza Ianao no mitoetra?” Dia hoy Izy taminy: “Avia fa ho hitanareo”. Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany, sy nitoetra teo aminy tamin’iny andro iny; ary tokony ho tamin’ny ora fahafolo tamin’izay. I Andre rahalahin’i Simôna Piera no anankiray tamin’izy roa lahy izay nandre ny tenin’i Joany ka nanaraka an’i Jesoa. Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa dia i Simôna rahalahiny ka nilazany hoe: “Efa hitanay ny Mesia” (izany hoe i Kristy, raha adika). Dia nentiny nankany amin’i Jesoa izy, ka nony nijery azy i Jesoa i dia nanao hoe: “Ianao no i Simôna zanak’i Joany; hatao hoe i Sefasy ianao”, izany hoe, Piera (vato).

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, maro ny olona ankehitriny, fa indrindra ny tanora, no toa sahiran-kevitra mitady ny anton’izao fiainana izao, isika aza toa tsy mahita hifaharana indraindray; koa mivavaha mba hahitan’ny olombelona ny lalana tokony hizorany, ary mba hanarahan’ny olona tsirairay ny feon’Andriamanitra miantso azy.

Valy: O, ry Jesoa Kristy Tompo ô, harahiko Ianao na aiza na aiza,

* Vitsy ny Pretra ho an’izao tontolo izao, ka misahana raharaha maro loha. Koa mivavaha mba tsy hisakana ny fandrosoan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fahavitsian’ny mpiasan’ny Eglizy, ary mba hiroborobo hatraiza hatraiza ny fiantsoan’Andriamanitra ho Petra sy Relijiozy.
* Mivavaha ho an’ny mpitondra fanjakana eran-tany sy ny loholona isan-tokony mba hampian’Andriamanitra hitombo fahafoizan-tena hanompo ny firenena sy ny mpiray tanindrazana ary hikendry ny soa iombonana lalandava.
* Velon-tebiteby sy fisalasalana ny tanora maro momba ny ho aviny; koa mivavaha amin’ny Tompo mba hanazava ny lalan-kombany sy hankahery ny sitra-pony, ary hanampy ny ray aman-dreny sy ny mpanabe, mba hanomana ny tanora amin’ny adidy sarotra miandry azy.
* Misy antitra mahatsiaro fa tsy ilain’ny olona ary tsy mahavita na inona na inona intsony, koa mivavaha mba ho tsapany fa mbola ilaina izy, ary mba ho haintsika atao izay hahasambatra azy.
* Ny angatahin’Andriamanitra amintsika dia ny hiasa sy hanao ny sitra-pony, na amin’ny mora na amin’ny sarotra; koa mangataha mba ho be herim-po mandrakariva, hanatanteraka ny adidy sy ny andraikitra na inon-kidona na inon-kihatra.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Tompo ô, Ianao miantso anay, ary izahay tsirairay kosa no tokony hamaly ny antsonao araka ny toeranay eo anivon’ny olona rehetra; koa mangataka aminao izahay mba ataovy vonona mandrakariva hanoina ny antsonao ary ho faly manatanteraka ny asa ampanaovinao anay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao, satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Pnfasy: Alahady tsotra I, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 22, 5

Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.

 

na hoe:

1 Jo. 4, 16

Isika efa nankalaza sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin’ny mofo iray, mba hiray fo tanteraka entanin’ny fitiavana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723