FIVAVAHANA AMIN'NY HAZOFIJALIANA MASINA

1. cmbolatiana ( 09/12/2016 12:37)
FIVAVAHANA AMIN'NY HAZOFIJALIANA MASINA

Ry Andriamanitra Mahery izay maty sy nijaly mba ho onitry ny fahotako, mamindrà fo amiko, Ry Hazofijaliana Masin'i Jesoa Kristy, aoka homba ahy Ianao. Ry Hazofijaliana Masin'i Jesoa Kristy, aoka ho fanantenako Ianao Ry Hazofijaliana Masin&#... Tohiny
novalian'i Solofo74 ny 09/12/2016 12:48
2. Solofo74 ( 09/12/2016 12:37)
FIVAVAHANA HITA TAO AMIN’NY FASAN’I JESOA KRISTY

Ity vavaka ity, raha araka ny lovan-tsofina, dia hita tao amin’ny fasana nilevenan’i Jesoa Kristy Tompontsika, tamin’ny taona 1505, ary nalefan’ny Papa Léon III tany amin’ny Amperora Charlemagne, raha iny izy handeha hanafika ny fahavalon’i Kristy iny izy. Voarakitra an-tsoratra vita amin’ny sora-bolamena izy ity, ary notehirizina tao amin’ny Lasapelin’i Md. Michel tany Frantsa nony avy eo. Mety mbola mitoetra ao angamba izy ity amin’izao.
Na iza na iza mandre na mamaky na mitahiry eny aminy ity vavaka ity, dia tsy ho faty tampoka, tsy ho rendrinka an-drano, tsy ho may, tsy handairam-poizina, tsy ho azon’ny fahavalony eo am-pela-tanany, ary tsy ho resy na dia amin’ny ady faran’izay mafy indrindra aza. Ny vehivavy izay mihetsi-jaza, ka mamaky, na mihaino, na mitondra eny aminy ity vavaka ity, dia ho mora fiterahana, ary ho vehivavy tia anaka. Rehefa teraka ny zaza, dia ampetraho eo an-kavanany ity taratasy misy ity vavaka ity, fa hiaro azy amin’ny ratsy rehetra. Izay mitondra, na mitahiry ity vavaka ity eny amin’ny tenany, dia tsy ho voan’ny “Epilepsi” na “Androbe” ; ary raha mahita olona iharan’izany aretina izany aza ianao, dia ampetraho eo an-kavanany ity vavaka ity, fa hitsangana an-kafaliana izy. Miaro ny trano izay misy azy amin’ny varatra ity vavaka ity. Izay mamaky na mampamaky azy isan’andro, dia ampandrenesina amin’ny alalan’ny famantarana izy, telo andro alohan’ny hahafatesany. Izay manoratra ity vavaka ity ho azy na hoan’olon-kafa, dia hitahy azy Aho, hoy ny Tompo, ary izay maneso na manaratsy ity vavaka ity dia ho voasazy.

VAVAKA
Ry Andriamanitra Mpahary, niharan’ny fahafatesana teo ambonin’ny hazofijaliana Ianao, mba hanonerana ny fahotako ; mamindra fo amiko !
? Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy : Mitoera mandrakariva amiko !
? Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy : Alaviro ahy ny fiadiana maranitra rehetra !
? Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy : Arovy amin’ny loza rehetra ny vatako !
? Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy : Avilio tsy ho amin’ny lalako ny ratsy rehetra !
? Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy : Arotsahy ato amiko ny soa rehetra, mba hahazoako mamonjy ny fanahiko !
? Ry Hazofijaliana Masin’I Jesoa Kristy : Alaviro ahy ny fiahiana ny fahafatesana, ary omeo ahy ny Fiainana mandrakizay !
? Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy : Tahio aho, ary ireo fanahy ratsy rehetra, na ny hita maso na ny tsy hita maso, mba handositra ahy manomboka anio, ary amin’ny taona rehetra !
Ho tanteraka anie izany !
? Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy, izay teraka tamin’ny Noely, noforàna, ary nandray ny fanomezan’ireo Majy Telolahy !
? Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy, izay nofantsihina tamin’ny Zomà Masina, teo ambonin’ny Hazofijaliana, nanesoran’I Nikodema sy I Josefa Azy, ary ny nametrahana Azy tao am-pasana !
? Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy, izay niakatra any an-danitra, ka angatahiko mba hitsimbina sy hiaro ahy amin’ny ratsy rehetra ataon’ny fahavaloko ahy, na ny hita maso na ny tsy hita, hatramin’ny anio, ary mandritra ny taona rehetra mandrakizay. Amen !
Ry Andriamanitra mahery :
? Eo ambany fitahian’I Jesoa Kristy, Masina Maria, Md. Joachim !
? Eo ambany fitahian’I Jesoa Kristy, Masina Maria, Mb. Anna !
? Eo ambany fitahian’I Jesoa Kristy, Masina Maria, Md. Josefa !
Ankiniko tanteraka aminao ny fiainako !
Ry Tompo Mahery, amin’ny alalan’ilay fahoriana mafy izay nianjady taminao teo ambonin’ny Hazofijaliana ho fanavotana ahy, indrindra indrindra teo am-pialanao Aina. Mamindrà fo amiko rehefa handao izao tontolo izao aho !
Ho tanteraka anie izany !
RY FO MASIN’I JESOA, MATOKY ANAO AHO ! (IN-3)


3. Solofo74 ( 09/12/2016 12:48)
LALAN’NY HAZOFIJALIANA SY NY FAHASITRANANA
[b]VAVAKA MIALOHA[/b]
Mpitarika : Ry Jesoa Mponjinay mahatehotia, indreto izahay miankohoka eto amin’ny tongotrao, ary mihanta aminao mba hamindra fo aminay sy amin’ireo kristianina efa maty. Afindrao aminay rehetra ny fahasoavanao tsy mety lany avy amin’ny Fijalianao, izay hodinihinay izao. Mba ataovy malahelo amin’ny otanay sy manenina mafy izahay amin’ity lalana fitarainana sy fitomaniana atombokay ity, mba hozakainay ny zava-mahasosotra sy ny fijaliana ary ny henatra rehetra eto ambonin’ny tany.
Ry Maria Renin’Andriamanitra, ianao no voalohany hampianatra anay hanao Lalan’ny Hazofijaliana. Koa mba mangataha amin’ny Trinité Masina mba horaisiny ho onitry ny faniratsirana ataon’ny olona Azy, ny alahelo sy fitiavana velomin’ny Fanahy Masina ao am-ponay amin’ity fivavahana tsara ity.
Hira : Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa,Na aiza na aiza hitondranao ahy;
Tiako ny hiaraka aminao, Jesoa,Fa ianao no miantso ahy!
1 – Hiaraka aminao aho, ô ry Jesoa Tompoko,
Tsy manana olon-kafa aho fa ianao no fiainako:
Hanara-dia anao, 'zay no faniriako, Hifikitra aminao aho, Jesoa!
FINJANONANA VOALOHANY VOAHELOKA HO FATY I JESOA
? Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa,
? Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
Mpanentana : Diniho ity fanekena mahagaga asehon’i Jesoa raha manaiky izany fanamelohana tsy marina izany Izy. Tsarovy koa fa tsy i Pilaty irery ihany no nanameloka Azy, fa isika rehetra eto sy ny mpanota rehetra amin’izao tontolo izao koa no mangataka Azy ho vonoina. Koa noho izany, malahelova mafy isika, ary milazà aminy hoe : “Jesoa ivavahanay ô, ny otanay ihany no antony amonoana anao, ka ataovy mankahala azy amin’ny fonay tokoa izahay, ary aoka ny fanenenanay sy ny asa fivalozanay hampahazo anay famelan-keloka sy famindram-po avy aminao.”
EO INDRINDRA I JESOA NO MANAFATRA ANTSIKA MANAO HOE :
MPITARIKA : Anaka, atolory Ahy izay rehetra nahatonga anao hanameloka ny hafa, sy izay nahavoaheloka anao tsy an-drariny ; ary mitoera ianao am-pilaminana eto anatrehako fa aza mitaraina ; Homeko hery sy fanampiana ianao manomboka izao hizakanao ny tsy rariny sy ny fanamelohana anatin’ny fahanginana sy ny fanoloran-tena.
Atolory Ahy ny fanambonian-tenanao, fa homeko ny fanetren-tenako ianao. Hiaraka hifanindran-dalana isika amin’ny fanorenana izao toe-javatra izao sy ho famonjena ny fanahin’ny olona. Raha misy ny mahapotraka anao amin’ny fahalemenao dia ho eo Aho hitondra izay tsy zakanao entina, ka ny tanako no hanarina anao rehefa manambara Amiko ny fahotana ianao; ary dia hiaraka hanomboka ny dia indray isika.
VAHOAKA : “Midera Anao izahay Kristy, ary misaotra Anao satria Ianao no nanonitra ny fahotan’ny olona rehetra tamin’ny alalan’ny Hazofijalianao Masina”.
Rainay …! Arahaba ry Maria…! Voninahitra anie…!
? Mamindrà fo aminay ry Tompo
? Mamindrà fo aminay
Aoka anie mba handry amin’ny fiadanana, noho ny famindram-ponao Andriamanitra, ny fanahin’ny Kristianina efa maty. Amen !
? Noho ny fijaliana mangirifiry niaretanao,
? Mamindrà fo aminay sy amin’izao tontolo izao !
HIRA : Ô ry Jesoa Kristy Tompo ô, harahiko ianao n'aiza n'aiza. (bis)
2 – Tianao ve ny ho mpianatro?
Raiso ny hazo fijaliana e, dia izory izay nodiaviko.
[color=purple]FIJANONANA FAHA-02 :
MANDRAY NY HAZOFIJALIANA NY TOMPONTSIKA[/color]

? Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay ry Jesoa;
? Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny Hazofijalianao Masina
Mpanentana : Diniho ny halemem-panahy mahagaga asehon’ny Tompontsika raha mandray ity hazo mahatsiravina hamonoana azy, apetraky ny olona eo amin’ny sorony efa mangana sy mandeha rà Izy. Ny anton’izany dia mba hampianarany antsika ny hitondra ny hazofijalian-tsika, izany hoe : hizaka amim-pandeferana izay fahoriana na avy amin’Andriamanitra, na avy amin-javatra hafa naoriny.
EO INDRINDRA I JESOA NO MANAFATRA ANTSIKA MANAO HOE :
Mpitarika : Anaka, atolory Ahy ny tsy fanana-tsininao very, ny alahelo sy ny ratram-ponao tamin’ny lasa sy ny ankehitriny. Atolory Ahy ny fanirerinao sy ny fahorianao. Atolory Ahy ny fahadiovanao very, ny fanantenanao montsana sy ny nofinofinao rava. Atolory Ahy ny fijalianao rehetra fa handray an-kafaliana ny enta- mavesatrao Aho. Misaotra tamin’ireny ianao nitondra tamin-kerim-po ny hazofijaliana ireny. Eny, na dia teo aza ny fahalemenao dia nataonao izany ho an’ny olona tiako.
Ho sitraniko ny ratram-ponao, tamin’ny lasa sy ny ankehitriny. Haveriko aminao indray ny tsy fananan-tsininao sy ny fahadiovanao. Voleko fanantenana vovao ao am-ponao, dia hiaina indray anatin’ny fitiavana sy ny fahazavana ary hatsarana ianao. Ny fitsanganako ho velona no hamelona indray ny hadiovam-ponao. Izao no havelako ho anao : zanako ianao, zanak’Andriamanitra. Raha tsy eo ny finiavanao hanao ny tsara dia tsy manan-kery aho, satria mila ny fitiavana avy aminao Aho hanampy ahy amin’ny fitondrana an’ity Hazofijalian’ny tsy fananan-tsiny ity, izay mifantsika ao anatin’ireo olona manodidina anao sy ao anatinao ihany koa. Isika miaraka no handrombaka ny fandresena. Momba anao mandrakariva Aho.

Olom-bitsy : Ry Jesoa malemy Fanahy, tsy ianao no tokony hitondra io Hazofijaliana io, satria tsy manan-tsiny Ianao, fa izahay mpanota ratsy sy tototr’izao karazam-pahotana rehetra izao no tokony hitondra azy. Koa indreto izahay mba haka tahaka Anao, sy tsy himonjomonjo raha azom-pahoriana sy raha zoin-doza amin’ity fiainana ity, fa araka ny fandaharanao, dia izany no tokony hanoneranay ny ratsy nataonay taminao, sy hahatongavanay any an-danitra tanindrazanay.
Vahoaka “Midera Anao izahay Kristy, ary misaotra Anao satria Ianao no nanonitra ny fahotan’ny olona rehetra tamin’ny alalan’ny Hazofijalianao Masina.”
Rainay …! Arahaba ry Maria…! Voninahitra anie…!
? Mamindrà fo aminay ry Tompo. Mamindrà fo aminay
Aoka anie mba handry amin’ny fiadanana, noho ny famindram-ponao Andriamanitra, ny fanahin’ny Kristianina efa maty. Amen !
? Noho ny fijaliana mangirifiry niaretanao,
? Mamindrà fo aminay sy amin’izao tontolo izao !
HIRA : 1 – Mamela heloka isan'andro Ianao Jesoa, Zoky be fitia (be fitia)
Nefa, nefa re, indrisy! Fa lotoiko, fa lotoiko tamin'ny otako.
O! o! Miantsoantso aho e : Ray malala ô (Ray malala),
O! o! Atsangano aho, Atsangano aho fa efa trotraka.
2 – Tsaroako dia tsaroako, eny, ny hadisoako, zoky be fitia (be fitia)
Nefa, nefa re, indrisy ! Fa fiadanana, fa fiadanana no katsahiko.
FIJANONANA FAHA – 3
MIANJERA VOALOHANY NY TOMPONTSIKA

? Mitsaoka anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
? Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
Mpanentana : Diniho i Jesoa efa mby eny an-dalam-be makany Kalvery. Noho ny Ràny mandeha betsaka loatra azon’ny nikapohana Azy, sy azon’ny fehiloha tsilo, dia reraka mafy loatra Izy, ka lavo tsindrin’ny hazofijaliana mavesatra, ary ambara-piariny dia tevatevaina izay tsy izy kanefa zakainy tamin’ny fo tsy tezitra akory izany. Ny anton’izany dia mba hanonitra ny fahalavoantsika amin’ny fahotana ary mba hampianatra antsika hiaina sy hanao asa fivalozana mafy, raha sendra latsaka amin’ny tevan’ny fahotana.
ARY EO INDRINDRA I JESOA NO MANAFATRA ANTSIKA MANAO HOE :
Mpitarika : Anaka atolory Ahy ny fahalavoanao sy ny tsy fahombiazanao rehetra, ny fahakivinao sy ny famoizam-ponao, tamin’ianao nihataka tamiko sy nanorotoro Ahy tamin’ny fahotanao, ary namotika ny hasina maha Andriamanitra Ahy anatinao, sy tao am-pon’ny hafa. Atolory Ahy ny fiverenanao amin’ny tenanao sy ny fankatoavanao anatin’ny alahelo sy ny toloko. Fa avelao kosa Aho hanome anao, ny ho tambin’izany, ny fakasitrahako, amin’ireny ianao nahavita niarina sy nanohy ny dianao ireny.
Mamèla ahy hisaotra anao tamin’ny nitodihanao ho aty Amiko indray, tamim-panetren-tena ombam-panenenanao hatrany amin’ny làlana mankany amin’ Andriamanitra.
Olom-bitsy : Ry Jesoa tsara fo, tolory tanana mamonjy izahay eo afovoan’ny loza maro manontanona anay. Herezo izahay hanaraka Anao amin-kerim-po hatrany an-tampon’ny Kalvery, mba hanandrana any ny voankazo mamy avy amin’ny hazon’ny fiainana sy mba ho tonga hiara-pianaritra aminao mandrakizay.
Vahoaka : “Midera Anao izahay Kristy, ary misaotra Anao satria Ianao no nanonitra ny fahotan’ny olona rehetra tamin’ny alalan’ny Hazofijalianao Masina.”
Rainay …! Arahaba ry Maria…! Voninahitra anie…!
? Mamindrà fo aminay ry Tompo. Mamindrà fo aminay
Aoka anie mba handry amin’ny fiadanana, noho ny famindram-ponao Andriamanitra, ny fanahin’ny Kristianina efa maty. Amen !
? “Noho ny fijaliana mangirifiry niaretanao,
? Mamindrà fo aminay sy amin’izao tontolo izao !
HIRA : 1 – Mandia tany anie aho, ka solafaka,
Miloloha lanitra e, ka lena ihany;
Tondroina molotra aho ary esoina,
Dia indro entina hotoraham-bato.
Ianao koa ve, ô ry Tompo ô, Ianao koa ve hanameloka ahy? (bis)
Mandehàna ianao, fa aza manota intsony. (bis)
FIJANONANA FAHA -4
MIFANENA AMIN’NY RENINY ONTSAN’ALAHELO NY TOMPONTSIKA

? Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
? Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny Hazofijalianao Masina
Mpanentana : Diniho ny hamafin’ny alahelon’ity Zanak’Andriamanitra raha nahita ny Reniny malalany tamin’ny fahoriana lozan-tany nanjo Azy, ary diniho koa ny alahelon’i Maria nahita ity Zanany tsy foiny taritaritin’ny olo-masika maro sy hodidinin’ny vahoaka be samy manevateva Azy. Notanterahin-defona anivo sy hontsan’alahelo mafy dia mafy ny fon-dReniny nahita izany. Ta-hanafaka sy ta-hanesotra ny Mpamonjy antsika eo an-tanan’ireo mpamono ireo izy, kanefa fantany fa tsy ho voavonjy isika raha tsy izany ; koa tsindriany ny fitiavany an-Janany, dia miray fo amin’ireo izay mahafoy aina izy sy miombom-pijaliana Aminy ary tsy misaraka Aminy hatreny am-pialany aina.
Ka eo indrindra i Jesoa no nanafatra antsika manao hoe :
Mpitarika : Ry Ray sy Reny, atolory Ahy ny alahelo sy ny fahorianareo, raha tsy afaka mamonjy ny zanakareo mijaly ianareo, ny fahotana sy ny aretina no mandrombaka azy tsy eo am-pelatananareo. Atolory ahy ny tsy fahafahanareo manao na inona na inona raha mahita azy ireny mihataka Amiko ianareo. Razandry, atolory Ahy ny adin-tsainareo raha voatery handia làlana Izay tsy fantatry ny ray aman-dreninareo tanteraka ianareo, nefa tsy hainareo hazavaina. Mibanjinà ny fitiavana tsy miova eo amin’ny Reniko madio indrindra sy Izaho, dia hirindra ny zavatra rehetra.
Omeko anareo ny Reniko mba ho Reninareo. Asehoko anareo ny Raiko mba ho Rainareo. “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana (Joany 14:6). Avia manaraka Ahy amin’ity lalan’ny fitiavana ity.”
Olom-bitsy : Ry Maria tototry ny alahelo, mba ataovy azonay ilay fitiavana mafy nanarahanao an’i Jesoa Kristy tany an-tampon’ny tendrom-bohitra masina, sy ny herim-po nasehonao teo am-pototry ny Hazofijaliana, mba hiarahanay mipetraka aminao lalandava eo, ary mba tsy hisy hahalala anay eon a oviana na oviana.
Vahoaka “Midera Anao izahay Kristy, arymisaotra Anao satria Ianao no nanonitra ny Fahotan’ny olona rehetra tamin’ny alalan’ny Hazofijaliana Masina.”
Rainay …! Arahaba ry Maria…! Voninahitra anie…!
? Mamindrà fo aminay ry Tompo. Mamindrà fo aminay
Aoka anie mba handry amin’ny fiadanana, noho ny famindram-ponao Andriamanitra, ny fanahin’ny Kristianina efa maty. Amen !
? Noho ny fijaliana mangirifiry niaretanao,
? Mamindrà fo aminay sy amin’izao tontolo izao !
Hira : Ô Maria, mba tantano hatrany, Ô Maria, tantano izahay;
Ô Maria, mba tariho hatrany, Ô Maria, tariho ny fiainanay.
1 – Tsy mitsahatra misompatra, tsy mba sasatra mamitaka
I Satàna fahavalonay, te-handrendrika ny fiainanay,
Ka aza avela haniasia izahay.
FIJANONANA FAHA-05
SIMON AVY ANY CYRENE MANAMPY NY TOMPONTSIKA

? Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
? Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
Mpanentana : Diniho ny hatsaram-pon’i Jesoa amintsika. Ny anekeny ho ampiana amin’ny fitondrana ny hazofijaliana dia tsy noho Izy tsy manan-kery, satria Izy aza no iankinan’izao tontolo izao, fa te-hampianatra antsika hanakambana ny fahoriantsika aminy Izy sy hisotro amin’ny kapoaka mangidy miaraka Aminy.
EO INDRINDRA I JESOA NO MANAFATRA ANTSIKA MANAO HOE :
Mpitarika Anaka, atolory Ahy ny fandavanao rehetra ny hanampy ny hafa tamin’ny fotoana nahafahanao nanao izany. Atolory Ahy izay rehetra nahatonga anao nanampy trotraka, fa tsy Nanamaivana vesatry ny fahorian’ny hafa, tamin’ianao nandà tsy hitondra ny Hazofijaliana na nandray izany tsy fidiny. Atolory Ahy ny vesatry ny hadalanao fa ho tsaroako, ho tambin’izany ireny nanampy ny hafa, hibaby an-kafaliana vesatry ny fahorian’nyhafa, nifampizara tamiko ny vesatry ny fijaliako.
Hitari-dalana anao Aho, ary hanampy anao amin’ny ho avy, hanao tsaratsara kokoa sy hahafoy tena bebe kokoa ho an’ny hafa, satria izay ataonao min’ny hafa dia ataonao Amiko koa.

Olom-bitsy : Ry Jesoa Tomponay, efa nosotroinao ny mangidy indrindra, ary kely foana sisa navelanao ho anay. Koa aza avela hanary tena tsy hanaikiy hisotro azy izahay. Fa vao amaika ataovy mandray azy an-tsitra-po aza izahay, mba ho mendrika hisotro amin’ny onim-pifaliana izay ampiravoravoanao ny olom-pinidy any amin’ny tanin’ny velona.
Vahoaka : “Midera Anao izahay Kristy, ary misaotra Anao satria Ianao no nanonitra ny fahotan’ny olona rehetra tamin’ny alalan’ny Hazofijalianao Masina”.
Rainay …! Arahaba ry Maria…! Voninahitra anie…!
? Mamindrà fo aminay ry Tompo. Mamindrà fo aminay
Aoka anie mba handry amin’ny fiadanana, noho ny famindram-ponao Andriamanitra, ny fanahin’ny Kristianina efa maty. Amen !
? Noho ny fijaliana mangirifiry niaretanao,
? Mamindrà.fo aminay sy amin’izao tontolo izao !
HIRA : Ento ny jiogako, mianara, mianara amiko,
Fa malemy fanahy aho, ka hahita fiadanana ianao.
1 – Tsy mba miavona ny foko, ô ry Tompo ô,
Ka ny masoko mijery tsy mianjona !
Ireo zavatra vaventy tsy enjehiko,
Ireo avo tsy sahaza halaviriko !
FIJANONANA FAHA-06
VERONIQUE MAMAOKA NY TAVAN’NY TOMPONTSIKA

? Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa
? Fa Ianao no nanavtra ny olombelona rehetra tamin’ny Hazofijalianao Masina
Mpanentana : Diniho ny herim-pon’io vehivavy masina io, fa he ity izy mandroso manavasava ny miaramila maro, mba hahitany ny Tompony Masina, feno rehoka sy vovoka, ary mivoadinitra miharo rà no ahitany Azy. Mangoram-po sy latsa-dranomaso izy mahita izany ; ka entanin’ny fitiavana hanitsaka ny tahotra, dia manatona an’i Jesoa mamaoka ity Tava efa miova izaitsizy, kanefa ilay tarehy mahavariana ny Olomasina rehetra, sy isaronan’ny Anjely loha amin’ny elany fa tsy mahajery ny famirapirany.
EO INDRINDRA I JESOA NO MANAFATRA ANTSIKA MANAO HOE :
Mpitarika Anaka, atolory, Ahy ny hena-masonao rehetra, izay nisakana anao tsy hivoaka an-daharana, ka hampiseho ny fitiavako eo imason’ny olona rehetra, noho ny fieritreretanao izay mety hiheveran’ny hafa anao taloha. Atolory Ahy ny fahatahoranao ny ho tsaraina, ny fangatsiaham-ponao, ny tsy fananao fo antra, ny hamafisanan’ny fonao. Homeko anao ny hiainanao eo ambany fiderako fa tsy ho eo ambany fideran’ny olona.
Homeko anao ny hery anatin’ny hamoram-po sy fahamalinana, manana olona maro Aho hanala alahelo ! Atolory Ahy ny fijerinao miavona sy ny fahatsiarovana mamoha tebiteby sy ahiahy ao antinao.
Homeko anao ny masoko feno famindram-po sy fitiavana ary hodioviko ny fitadidianao sy ny fiheveranao. Ianao sy Izaho miaraka, no hanafaka alahelo ireo sombin’Aiko.
Olom-bitsy : Ry Jesoa tsara tarehy noho ny zanak’olombelona rehetra ! Endrey ity manjo Anao amin’ny fitiavanao anay ! Eny, izao indrindra Ianao no tokony hivavahanay sy hohajainay. Koa mivavaka aminao izahay sy miankohoka eto anatrehanao, Andriamanitra ; mifona aminao izahay, mba hadinoy ny ratsy nataonay taminao, ka mba avereno amin’ny fanahinay ny fahadiovany fahiny, izay efa nesorin’ny fahotana.
Vahoaka “Midera Anao izahay Kristy, ary misaotra Anao satria Ianao no nanonitra ny fahotan’ny olona rehetra tamin’ny alalan’ny Hazofijalianao Masina.”
Rainay …! Arahaba ry Maria…! Voninahitra anie…!
? Mamindrà fo aminay ry Tompo. Mamindrà fo aminay
Aoka anie mba handry amin’ny fiadanana, noho ny famindram-ponao Andriamanitra, ny fanahin’ny Kristianina efa maty. Amen !
? Noho ny fijaliana mangirifiry niaretanao,
? Mamindrà fo aminay sy amin’izao tontolo izao !
Hira : Ry Tompoko, 'lay endrikao re no mahafinaritra ahy,
Tadiaviko 'lay endrikao re ka aza afenina ahy.
7 – ‘Zaho no Mpandresy, mitoetra eo havanan'ny Ray,
Indray andro ny endrikao hitovy amin'ny Endriko.
FIJANONANA FAHA -07
MIANJERA FANINDRONY NY TOMPONTSIKA

? Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
? Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny Hazofijalianao Masina.
Mpanentana : Jereo ity Lehilahy Andriamanitra, fa lavo fanindroany. Zahao ity Sorona Masina mihohoka amin’ny tany, tsindrin’ny Hazo mavesatra hanaovana Sorona ny Tenany, ka tonafan’ny miaramila masiaka sy ny mpamono Azy.
Ny amelan’i Jesoa Kristy ny Tenany ho lavo fanindroany, dia mba hampiseho ny fitiavany antsika tsy misy fetra. Ary te-hampahafantatran antsika koa Izy, fa na dia latsaka matetika amin’ny fahotana aza isika, dia tsy tokony hanary toky na oviana na oviana, fa hanantena ny famindram-pony ; ary tsy tokony hokivy na dia eo ampovoan’ny fahoriana lehibe indrindra aza. Te hampiseho koa Izy, fa ny lalana makany an-danitra dia dia lalana be fahasahiranana sy fahoriana, ka tsy maintsy tsapaina amin’ny fijaliana isika vao mahazo voninahitra any.
EO INDRINDRA I JESOA NO MANAFATRA ANTSIKA MANAO HOE :
Mpitarika Anaka, atolory ahy ny vesatry ny fahotanao fa mandreraka mafy anao! Tsapanao fa tsy manan-kery hanarenan-tena ianao, ary na dia vitanao aza izany, dia ny fahalemenao indray no mandavo anao avy hatrany avy eo, ary dia mijanona anatin’ny alahelo sy ny fahoriana hatrany ianao. Tonga aho hanarina anao, hitondra ity enta-mavesatra be izay mandreraka, mila hampamoifo anao.
Atolory ahy fotsiny ny fahotanao, tsy mampaninona izay halehibeny. Tsy tonga hanameloka anao Aho, fa tonga hanafaka alahelo sy hitia anao. Manantona Ahy milaza amiko ny fahotanao, aza manahy, raha tsy hainao izay nanombohana izany, manatòna ny Pretra ary hazavao aminy ny manahirana anao, ary angataho izy hanampy anao. Koa manantona Ahy matetika fa miandry anao Aho.
Olom-bitsy : Ry Jesoa herinay, tohano izahay tsy ho lavo intsony, ary aza avela hamery tena izahay, ka hanary foana ny hasasarana sy ny fijaliana mafy noleferinao mba hanafaka anay amain’ny fahafatesana mandrakizay.
Vahoaka Midera Anao izahay Kristy, ary misaotra Anao satria Ianao no nanonitra ny fahotan’ny olona rehetra tamin’ny alalan’ny Hazofijalianao Masina
Rainay …! Arahaba ry Maria…! Voninahitra anie…!
? Mamindrà fo aminay ry Tompo Mamindrà fo aminay
Aoka anie mba handry amin’ny fiadanana, noho ny famindram-ponao Andriamanitra, ny fanahin’ny Kristianina efa maty. Amen !
? “Noho ny fijaliana mangirifiry niaretanao,
? Mamindrà fo aminay sy amin’izao tontolo izao !
HIRA : 2 – Efa niezaka aho, efa namindra, Indrisy lavo indray, fa mbola osa;
Ka nohelohina aho, nalaim-baraka,
Tsy mendrika hiray amin'ny olo-marina.
Ianao koa ve, ô ry Tompo ô, Ianao koa ve hanameloka ahy? (bis)
Mandehàna ianao, fa aza manota intsony. (bis)
FIJANONANA FAHA-08
MANAFAKA ALAHELO NY VEHIVAVY AO JEROSALEMA NY TOMPONTSIKA

? Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
? Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny Hazofijalianao Masina.
Mpanentana : Igagao eto ny herim-po tsy azo heverina nasehon’i Jesoa Kristy. Toa hadinony ny fahoriany, mba hiheverany ny fahorian’ireo vehivavy masina sy mba hanafahany alahelo azy ireo amin’ny fahareraham-po maafy nanjo azy, tamin’ny nahitany Azy amin’izany toetra mampangorakoraka izany. Koa hoy Izy nananatra azy : “Aza mitomany ahy foana ianareo, fa ny tenanareo sy ny firenenareo mpamadika itomaniana.”
Ny nilazany izany dia mba hahafantarantsika fa tsy ankasitrahany loatra ny fontsika mangoraka Azy, raha tsy ny fahotantsika izay fototry ny fahoriany aloha no itomaniantsika.
EO INDRINDRA I JESOA NO MANAFATRA ANTSIKA MANAO HOE :
Mpitarika : Anaka, atolory Ahy ireny ianao tsy niraharaha nivavaka ho anao sy ho an’ny fianakavianao ireny, tamin’ny ianao nitsahatra nivavaka ireny, ka niteny hoe : “Tsy misy mihaino na mandre ny vavaka ataoko, tsy mamaly vavaka ahy Andriamanitra, tsy miraharaha ahy sy ny fianakaviako Izy Andriamanitra.” Atolory Ahy ny vavaka izay tsy novaliako araka ny niheveranao azy sy ny vavaka rehetra nohenoina izay novaliako araka ny niheverako azy, nefa nolavinao.
Mitondra anao amin’ny fahamasinan-toetra ireny vavaka rehetra ireny. Indraindray amin’ny endrika fijaliana, famoizana, fahoriana no isehoan’izany fahasoavana izany, mba hampitombo ny risi-po, ny fitiavana, ary ny fahafoizan-tenanao. Indraindray izany mifono fifaliana, fiadanam-po sy fahasambarana. Tsy misy na dia iray aza angatahin’ny zandriko ka tsy homeko, satria “Tiako loatra ianareo.” Ny voahary rehetra milaza aminao isan’andro hoe : “Tiako ianao.” Mahatsiarova Ahy ianao, satria izaho tsy manadino anao na oviana na oviana, na dia fotoana iray monja aza.
Olom-bitsy : Ry Jesoa mahatehotia sy tena Mpanafaka alahelo ny olona tra-pahoriana, mba jereo amin’ny maso feno fitiavana sy famindram-po izahay ; mba tahio izahay hiaraka amin’ireo zanakavavin’i Jerosalema hanaraka Anao mandrakariva eo amin’ny làlan’ny Hazofijaliana, mba handre teny mahavelombelona tahaka azy, sy mba hahazo ny fanalana alahelo tsy azo lazaina avy aminao.
Vahoaka “Midera Anao izahay Kristy, ary misaotra Anao satria Ianao no nanonitra ny fahotan’ny olona rehetra tamin’ny alalan’ny Hazofijalianao Masina”
Rainay …! Arahaba ry Maria…! Voninahitra anie…!
? Mamindrà fo aminay ry Tompo. Mamindrà fo aminay
Aoka anie mba handry amin’ny fiadanana, noho ny famindram-ponao Andriamanitra, ny fanahin’ny Kristianina efa maty. Amen !
? Noho ny fijaliana mangirifiry niaretanao,
? Mamindrà fo aminay sy amin’izao tontolo izao !
Hira : Omeo fitiavana aho, Tompo ô, hitiavako Anao.
Ampianaro koa, hifankatia izahay.
Hafatrao ny hoe, Tompo ô : Mifankatiava re,
Mba hahafantarana fa mpianatro ianareo.
'Ndrisy anefa feno ota etý an-tany etý.
Tebiteby lalandava no iainanay ety.
FIJANONANA FAHA-09.
MIANJERA FANINTELONY NY TOMPONTSIKA

? Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
? Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny Hazofijalianao Masina.
Mpanentana : Jereo i Jesoa fa tonga eo an-tampon’ny Kalvery. Topazany maso ity tany hamonoan’ny fahavalo masiaka Azy rehefa afaka kelikely. Ny nahîny tamin’izany dia ny filatsahantsika matetika amin’ny fahotana, sy ny fanarian’ny mpanota maro ny Ràny. Nampalahelo sy nandreraka ny Fony mafimafy kokoa izany noho ny fiheverany ny fijaliana sisa holeferiny. Voton’alahelo sy reraka mafy loatra ny Fanahiny amin’izany, hany ka tsy nanan-kery intsony toy ny tany amin’ny saha niadiany aina Izy, ka dia lavo mihohoka amin’ny tany.
Eo indrindra i Jesoa no manafatra antsika manao hoe :
Mpitarika : Anaka, atolory Ahy ireny ianao tsy mahavita miroso intsony amin’ny dianao ireny, satria fantatro tsara ny mahazo anao !
Miapatra eto Aho noho ny fitiavana anao. Atolory Ahy fahavoazana manjo anao, ary minoa amin’ny fahefan’ny Anarako. Miantsoa vonjy amin’ny Anarako: “Jesoa.” Tiako loatra ianao ary fantatro amin’ny anaranao. Atolory Ahy ny teny tsy amim-piheveranao rehetra izay mandratra ny hafa, sy izay mandratra anao ihany koa. Hataoko ambavanao ny fahanginana noho ny fitiavana, sy ny tenim-pitiavana sy fiderana. Jereo ny Reniko fa ny fony be fitiavana no manome risi-po Ahy hiarina sy hanohy ny diako hatrany.
Olom-bitsy : Ry Jesoa matin’ny fitiavana anay, indro fa efa hovonoina Ianao, ho famonjena ny olombelona ! Mba afindrao aminay ny fahasoavanao avy amin’ny fanoloranao ny Tenanao ho sorona ety ambonin’ny tany, mba hazoanay manolotra fiderana Anao any amin’ny mandrakizay.
Vahoaka “Midera Anao izahay Kristy, ary misaotra Anao satria Ianao no nanonitra ny Fahotan’ny olona rehetra tamin’ny alalan’ny Hazofijalianao Masina”
Rainay …! Arahaba ry Maria…! Voninahitra anie…!
? Mamindrà fo aminay ry Tompo. Mamindrà fo aminay
Aoka anie mba handry amin’ny fiadanana, noho ny famindram-ponao Andriamanitra, ny fanahin’ny Kristianina efa maty. Amen !
? Noho ny fijaliana mangirifiry niaretanao,
? Mamindrà fo aminay sy amin’izao tontolo izao !
HIRA : 5 – Na mpanota ny olombelona, tsy atosik'Izy Ray e,
Tsy arahiny hadalana, fa antsoiny hiarina indray e e.
Tahaka ny ray mangoraka ny zanany
No angorahan'ny Tompo Ny olombelona matahotra Azy.
FIJANONANA FAHA-10
ENDAHINA NY FITAFIANA ENY AMIN’NY TOMPONTSIKA

? Mitsaoka Anao sy misaotra Anao Izahay, ry Jesoa,
? Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny Hazofijalianao Masina.
Mpanentana : Hevero kely ny hamafin’ny fangirifiriana nanjo an’i Jesoa Kristy, nony nendahin’ny mpamono azy ny ankanjony. Nisokatra indray tamin’izay ny feriny rehetra izay nandraikitra ny akanjony tamin’ny Nofony Masina, ka tonga indray nihetsika daholo ny fijaliana nanjo Azy tamin’ny nikapohana Azy.
EO INDRINDRA I JESOA NO MANAFATRA ANTSIKA MANAO HOE :
Mpitarika Anaka, atolory Ahy ny fananana nomeko anao tany am-piandohana, izay sarotra aminao tokoa ny miala aminy. Atolory Ahy ny fanananao sarobidy indrindra fa homeko anao ny tena fananan’ny fo sy fanahy.
Atolory Ahy ny harenao rehetra ara-nofo, ara-tsaina ary ara-panahy. Omeo Ahy izay rehetra nomeko anao, fa ho tambin’izany dia hotondrahiko fahasoavana bebe kokoa noho izany ianao. Nahoana no matahotra ianao anaka? Andriamanitra Aho, ka matokia fa hiahy anao Aho ! Atolory Ahy ny tsy fahafoizan-tenanao, fa homeko ny fahafoizan-tenako rehetra ianao.
Olom-bitsy : Ry Jesoa Kristy Zanak’Ondrin’Andriamanitra, indro Ianao efa tonga eo amin’ny tany hamonoana Anao, kanefa tsy niloa-bava nitaraina akory. Indrisy ! Fianarana tsara sy manan-kery tokoa ny tsy fitenenanao, fa mampirisika anay mafy hanindry ny hatezerana sy ny fimonjomonjoana. Ny antony namelanao ny Tenanao hoendahana akanjo ihany koa, dia mba hanonitra ny hadisoanay tamin’ny nanarianay ny fahasoavana sarobidy. Koa mba ataovy azonay indray izany fahasoavana izany, ary esory ny haratsiana rehetra ao am-ponay, hanaovanay fitondran-tena mifanaraka ny Sitraponao Masina.
Vahoaka “Midera Anao izahay Kristy, ary misaotra Anao satria Ianao no nanonitra ny Fahotan’ny olona rehetra tamin’ny alalan’ny Hazofijalianao Masina”.
Rainay …! Arahaba ry Maria…! Voninahitra anie…!
? Mamindrà fo aminay ry Tompo. Mamindrà fo aminay
Aoka anie mba handry amin’ny fiadanana, noho ny famindram-ponao Andriamanitra, ny fanahin’ny Kristianina efa maty. Amen !
? Noho ny fijaliana mangirifiry niaretanao,
? Mamindrà fo aminay sy amin’izao tontolo izao !
HIRA : 2 – Raha mandalo aho, toa irìny, toa tondroiny, toa esoiny,
Raha mba mitalaho, Tompo ô, ny fivavahako no hamavoiny.
Ô izany diako, mahitsy hatrany re,
Ho any aminao, (aminao ry Tompo)
Fa ny hany tiako, ka hotompoiko anie, dia Ianao.
FIJANONANA FAHA-11
MIFANTSIKA AMIN’NY HAZOFIJALIANA NY TOMPONTSIKA

? Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
? Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny Hazofijalianao Masina.
Mpanentana : Jereo i Jesoa manolo-tena amin’ny mpamono mba ho fantsihana, ka miapatra ho azy eo ambonin’ny Hazofijaliana. Endrey ny hamafin’ny fangotsongotsohana niaretany, tamin’ny nandonan’ny tantanana ny fantsika tamin’ny Tongony sy ny Tanany Masina ! Rovidrovitra ny Nofony tamin’izany, folapolaka ny Taolany, tapatapaka ny Hozany, vakivaky ny Hoza-drany, ary niha-reraka Izy azon’ny Ràny mandriaka sady nanampy izany fahoriana mafy izany indray ny hetaheta lozan-tany.
EO INDRINDRA I JESOA NO MANAFATRA ANTSIKA MANAO HOE :
Mpitarika : Anaka, atolory Ahy toetra ratsinao rehetra, ny fahazaran-dratsinao sy ny fivilianao. Atolory Ahy izay rehetra nokasihinao ka nandoto ny vatanao, ny sainao ary fanahinao.
Ho dioviko ny fahatsapanao izay nokasihinao, ary hahitsiko ny fihevitra ama-pitondran-tenanao. Hapetrako amin’ny tena zava-tsoa tsara sy nohariko ho anao ianao. Atolory Ahy ireny ianao nitaraina rehetra ireny, nefa Aho nanolotra Anao mba hitoetra miaraka amiko eo ambony Hazofijaliana, noho ny fitiavana ny hafa. Atolory Ahy ny tahotrao ny amin’ny tenanao sy ny tahotra ny amin’ny hafa.
Izaho hanome anao ny herin-tsaina hahavitanao manolon-tena an-tsitra-po amin’ny fanorenana ny fitiavana. Aza manahy na inona na inona fa miaraka aminao Aho ; ary jereo fa manara-dia antsika ny Reninao any an-danitra.
Olom-bitsy : Ry fahotana ratsy, ry fahotana ozoniko ! ianao ihany no anton’ny fahoriana lehibe iletehan’io Sorona fanavotana anay io. Ry Kristianina, endrey izany halehibem-pitiavana sy famindram-po ! Koa amin’ny fahitantsika izany, aoka hangoraka sy hirehim-pitiavana Azy ny fontsika, aoka hahafoy ny fifaliana rehetra eto an-tany, sy hiara-mifantsika lalandava amin’ny Fon’i Jesoa, ary aoka ny masontsika mba handatsa-dranomaso mandriaka andro aman’alina.
Vahoaka “Midera Anao izahay Kristy, ary misaotra Anao satria Ianao no nanonitra ny Fahotan’ny olona rehetra tamin’ny alalan’ny Hazofijalianao Masina”.
Rainay …! Arahaba ry Maria…! Voninahitra anie…!
? Mamindrà fo aminay ry Tompo. Mamindrà fo aminay
Aoka anie mba handry amin’ny fiadanana, noho ny famindram-ponao Andriamanitra, ny fanahin’ny Kristianina efa maty. Amen !
? Noho ny fijaliana mangirifiry niaretanao,
? Mamindrà fo aminay sy amin’izao tontolo izao !
HIRA : 1 – Masìna ianao, ry Hazo nohamasinin'i Jesoa:
Arovy aho tsy ho resin'ny fanirin-dratsiko.
Raha izaho ho afaka aina, 'zaho te hanoroka anao,
Ka ianao no hanamasina sy hampandefa ny aiko :
Hazo isaorana, Hazo masina.
2 – Taloha ny hazofijaliana henatr'izao rehetra izao;
Fa anio izy tonga saina fireharehanay rehetra;
Izy rovan'ny olo-meloka sy ny mbola marina am-po,
Izy no mampangorohoro sy maharesy ny demony:
Saina hajaina, saina masina.
FIJANONANA FAHA-12
MATY EO AMBONIN’NY HAZOFIJALIANA I JESOA

? Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
? Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny Hazofijaianao Masina
Mpanentana : Jereo i Jesoa ilay Andriamanitra, fototry ny fahamasinana rehetra, miala aina eo anelanelan’ny jiolahy roa ; ary igagao ny hatsarana sy ny herin’ny fitiavany. Ifonany amin’ny Rainy izay namono Azy ; omeny toky ilay jiolahy nivalo, fa ho tonga any an-danitra ; ankininy amin’ilay mpianany malalany ny Reniny, apetrany eo am-pela-tanan-dRainy ny Fanahiny.
“Tontosa ny zavatra rehetra”, hoy Izy, dia miala aina ho antsika izy. Miaraka amin’izany ny voaary rehetra dia malahelo, ka toa maniry te-ho levona mahitany Nahary azy miala aina.
EO INDRINDRA I JESOA NO MANAFATRA ANTSIKA MANAO HOE :
Mpitarika : Anaka, atolory Ahy ny fahatahoranao fijaliana fa hanara-dia anao amin’izany Aho, amin’ny alalan’ny fanomezako anao ny fifaliana, avy amin’ny fikambanan’ny fontsika voatrobaka alahelo, miaraka amin’ny Reniko, ho famonjena ny olona rehetra.
Atolory Ahy ny tsy fahazakanao intsony ny manjo anao sy ny fahatahoranao fahafatesana ho anao sy ireo izay tia anao, satria nandresy ny fankahalana sy ny fahafatesana Aho teo ambonin’ny Hazofijaliana. Atolory Ahy ny feon’ny tebitebinao fa izaho hanome anao ny feon’ny fandresena : “Ho tanteraka anie ny sitra-ponao.” Mahatsiarova Ahy fotsiny ianao, dia ho anao ny fiainana eo anatrehako !
Olom-bitsy : Ry mpanota, ianao irery ihany va no tsy hangoram-po amin’ny fijerena io zavatra mapalahelo loatra io ? Jereo kely ity Mpanavotra anao, zahao ity nampijalian’ny fahotanao Azy. Kanefa havelany ny helokao, rah amanenina tokoa ianao.
Io ny Tongony mifantsika miandry anao ; io ny Tanany miampatra handray anao ; io ny lanivoany misokatra sy ny Fony voaloaka mba hampidina ny fahasoavany rehetra aminao ; io ny lohany miondrika mba hanoroka anao, ka hampihavana sy hampikambana anao aminy indray. Koa aoka isika hidodododo eo apototry ny Hazofijaliana, ary aoka ho faty ho Azy isika, fa efa maty ho antsika Izy.
Vahoaka “Midera Anao izahay Kristy, ary misaotra Ano satria Ianao no nanonitra ny fahotanan’ny olona rehetra tamin’ny alalan’ny Hazofijalianao Masina”.
Rainay …! Arahaba ry Maria…! Voninahitra anie…!
? Mamindrà fo aminay ry Tompo. Mamindrà fo aminay
Aoka anie mba handry amin’ny fiadanana, noho ny famindram-ponao Andriamanitra, ny fanahin’ny Kristianina efa maty. Amen !
? Noho ny fijaliana mangirifiry niaretanao,
? Mamindrà fo aminay sy amin’izao tontolo izao ! (3 fois)
HIRA : 4 – Nanaiky ho samborin-kijaly ianao hanafaka anay e
Nanaiky ny fahafatesana e hamelona anay e !
Tompo ô, Tompo ô, lehibe marina e ny fitiavanao anay e (bis)
FIJANONANA FAHA-13
AMPANDRIANA EO AN-TANAN-DRENINY I JESOA

? Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
? Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijalianao Masina.
Mpanentana : Diniho ny alahelo mafy nahaontsa an-dReniny, nony maty i Jesoa Andriamanitra naterany. Raisiny eo am-pofoany izany Faty masina sarobidy izany ; jereny ity tarehiny efa hantsatra sy feno Rà ary niova izaitsizy ; hitany ny masony efa maty, nyvavany mihidy, ny lanivoany misokatra, ny tanany sy ny tongony loaka.
Tsy azo lazaina ny fahoriana nanjo an-dReniny nahita izany, ka Andriamanitra irery ihany no mahalala ny halavorarian’ny fandeferany tamin’izany.
Eo indrindra i Jesoa no manafatra antsika manao hoe :
Mpitarika Anaka, atolory Ahy ny tsy fananan-tsininao voafantsika. Atolory Ahy ny tsy fahaizanao maneho fitiavana sy ny hafanam-pon’olombelona, tamin’ny lasa sy ny ankehitriny. Mitoera ary mandria tanteraka ianao eo an-tsandrin’ny fitiavan-Janaka ato amiko ho anao. Miantsoa ny Reninao any an-danitra. Mandray ny saina sy ny vatanao ary ny fanahinao maratra ny sandriny roa. Mangataka fifonana ho anao ny ranomasony. Tiavo izy, fa toa inona ny fitiavany anao!
Olom-bitsy : Ry Maria, izahay ihany no anton’izany alahelonao izany, ary ny fahotanay ihany no nandefona ny fonao, tamin’ny namantsihany an’i Jesoa Kristy tamin’ny Hazofijaliana. Ry Reny be indrafo, mba mifonà ho anay hahazoanay famelan-keloka, ary mba avelao izahay hitsaoka an’ilay malalanao voafantsika, izay eo am-peltananao. Mba araiketo mafy ao am-ponay izay fahoriana izay fahoriana noleferinao teo am-pototry ny Hazofijaliana mba tsy ho hadinonay mandrakizay.
Vahoaka “Midera Anao izahay Kristy, ary misaotra Anao satria Ianao no nanonitra ny fahotan’ny olona rehetra tamin’ny alalan’ny Hazofijaliana Masina”.
Rainay …! Arahaba ry Maria…! Voninahitra anie…!
? Mamindrà fo aminay ry Tompo Mamindrà fo aminay
Aoka anie mba handry amin’ny fiadanana, noho ny famindram-ponao Andriamanitra, ny fanahin’ny Kristianina efa maty. Amen !
? Noho ny fijaliana mangirifiry niaretanao,
? Mamindrà fo aminay sy amin’izao tontolo izao !
HIRA : 1 – Jereo tsara an-tampon'i Kalvery
Jesoa mijaly sy mahafoy ny ainy.
Jereo tsara Maria be alahelo
Mitomany mibanjina Azy. (2)
Mpanjakan'ny martiry, ny fahotanay ratsy
No mampijaly Anao toy izao :
Miombona alahelo aminao izahay,
Mifona, mivalo, mba iantrao 'zahay.
FIJANONANA FAHA -14
ALEVINA NY TOMPONTSIKA.

? Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Jesoa.
? Fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin’ny hazofijaliana Masina.
(Mijanòna eto, anatin’ny fahanginana)
Mpitarika Anaka, atolory Ahy izay rehetra ahatsapanao irery sy tsy misy aina ao anatinao. Omeko anao ny fitokiana, finoana, fitiavana ny sitra-poko, fitiavana ny fiainana, fanirina ny Fitiavako, sy ny mpiara-belona. Tsy irery na oviana na oviana ianao, na dia fotoana iray monja aza. Atolory Ahy ny tsy fisianao sy ny ranomasonao sy ny alahelonao. Omeko ny Fiadanako, ny Fanantenako ary ny Fitsanganako ho velona amim-boninahitra ianao.
Olom-bitsy : Ry Jesoa Mpanavotra anay malalanay, io ary no fipetrahan’ny Vatanao Masina, ilay aantoky ny famonjena anay ! Aoka ny fiheverana ny fijaliana sy ny fahafatesana mahamenatra noleferinao mba hanavotanao anay, no nanafaka alahelo anay indrindra amin’ity lohasaha fitomaniana ity.
Ny nifidiananao hilevina amin’ny fasana vaovao dia ny mba hahafantaranay fa fo vaovao no tokony hoentinay mandray ny Komonio Masina, izay fisehoan’ny fitiavanao anay. Koa diovy amin’ny pentina rehetra izahay, ary mba ataovy mendrika hanatona matetika ny latabatra masina. Aleveno ao anatin’io fasana io ny helokay rehetra sy ny fanirian-dratsinay mba hofaty izahay raha ny amin’ny filan-dratsy sy ny zavatra eto an-tany, ka hiaraka hiaina aminao ao anatin’Andriamanitra, ary amin’izany dia ho masim-pahafatesana sy hibanjina Anao an-karihary hodidinim-boninahitra tsy azo lazaina.
Vahoaka “Midera Anao izahay Kristy, ary misaotra Anao satria Ianao no nanonitra ny fahotan’ny olona rehetra tamin’ny alalan’ny Hazofijalianao Masina”
Rainay …! Arahaba ry Maria…! Voninahitra anie…!
? Mamindrà fo aminay ry Tompo Mamindrà fo aminay
Aoka anie mba handry amin’ny fiadanana, noho ny famindram-ponao Andriamanitra, ny fanahin’ny Kristianina efa maty. Amen !
? Noho ny fijaliana mangirifiry niaretanao,
? Mamindrà fo aminay sy amin’izao tontolo izao !
Hira : Tsy zakan'ny olombelona novesaran'ota ny marina
Tsy zakany ka novonoiny tsy ho eo anivony ny Tompo !
1 – Fa Jesoa Tompo Filohantsika, dia olona afaka lalandava :
Fa Jesoa Tompo Filohantsika, tsy nety nandefitra ny tsy rariny;
Fa Jesoa Tompo Filohantsika : dia olona afaka lalandava,
tsy nety nandefitra ny tsy rariny, ka tsy mba voafatotry ny henamaso !
Eny ê! eny ê, 'zany tokoa ny Filohantsika,
Eny ê! eny ê, 'zany tokoa i Jesoa Tompo.
VAVAKA
Ry Andriamanitra Mpahary, niharan’ny fahafatesana teo ambonin’ny hazofijaliana Ianao, mba hanonerana ny fahotako ; mamindra fo amiko !
? Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy : Mitoera mandrakariva aminay !
? Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy : Alaviro anay ny fiadiana maranitra rehetra !
? Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy : Arovy amin’ny loza rehetra ny vatanay !
? Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy : Avilio tsy ho amin’ny lalanay ny ratsy rehetra !
? Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy : Arotsahy ato aminay ny soa rehetra, mba hahazoanay mamonjy ny fanahinay !
? Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy : Alaviro anay ny fiahiana ny fahafatesana, ary omeo anay ny Fiainana mandrakizay !
? Ry Hazofijaliana Masin’i Jesoa Kristy : Tahio izahay, ary ireo fanahy ratsy rehetra, na ny hita maso na ny tsy hita maso, mba handositra anay manomboka anio, ary amin’ny taona rehetra ! Ho tanteraka anie izany !
? Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy, izay teraka tamin’ny Noely, noforàna, ary nandray ny fanomezan’ireo Majy Telolahy !
? Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy, izay nofantsihina tamin’ny Zomà Masina, teo ambonin’ny Hazofijaliana, nanesoran’I Nikodema sy I Josefa Azy, ary ny nametrahana Azy tao am-pasana !
? Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy, izay niakatra any an-danitra, ka angatahinay mba hitsimbina sy hiaro anay amin’ny ratsy rehetra ataon’ny fahavalonay anay, na ny hita maso na ny tsy hita, hatramin’ny anio, ary mandritra ny taona rehetra mandrakizay. Amen !
Ry Andriamanitra mahery :
? Eo ambany fitahian’i Jesoa Kristy, Masina Maria, Md. Joachim !
? Eo ambany fitahian’i Jesoa Kristy, Masina Maria, Mb. Anne !
? Eo ambany fitahian’i Jesoa Kristy, Masina Maria, Md. Josefa !
Ankininay tanteraka aminao ny fiainanay !
Ry Tompo Mahery, amin’ny alalan’ilay fahoriana mafy izay nianjady taminao teo ambonin’ny Hazofijaliana ho fanavotana anay, indrindra indrindra teo am-pialanao Aina. Mamindrà fo aminay rehefa handao izao tontolo izao izahay! Ho tanteraka anie izany !
[color=green]RY FO MASIN’I JESOA, MATOKY ANAO IZAHAY ! (IN-3)[/color]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119