Fanisana ireo herinandro tsotra mandavataona?

1. raboba ( 11/01/2016 07:49)
Salama é,

Azafady fa ny tenako dia mba nandalina kely momba ny "calendrier liturgique" ka misy tsy azoko ny fomba fanisana ireo herinandro tsotra mandavataona ka indro anotaniako eto:

- ny hitako izao ho an'ity taona 2016 ity dia misy herinandro tsotra 4 mialoha ny vanim-potoana karemy, izany hoe mifarana @ herinandro fahaefatra ny herinandro tsotra mialoha ny karemy sy ireo vanim-potoana ankalazana ny paka.

- rehefa tapitra ireo vanim-potoana ankalazana ny paka dia toa manomboka @ herinandro tsotra fahaenina indray ny fanisana.

Ka ny mahagaga ahy dia nankaiza izany ny herinandro tsotra fahadimy???

Misaotra indrindra @ valinteny homenareo.
novalian'i raboba ny 11/01/2016 17:14
2. raboba ( 11/01/2016 17:14)
Azafady fa nisy diso :
@ ity taona 2016 ity dia herinandro tsotra fahadimy (fa tsy efatra) ilay alohan'ny karemy,
dia manomboka herinandro tsotra fahafito indray aorian'ny vanim-potoana paka.
Nankaiza izany ny herinandro tsotra fahaenina???

Mankasitraka sahady ny valiteninareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103