Ny Katolika sy ny Olomasina

1. hery ( 26/12/2014 09:54)
Nasandratra ho olomasina tamin'ny 27 aprily 2014 ny Papa Joany XXIII sy ny Papa Joany Paoly II. Amin'ny fotoana toa izao dia misy hatrany ny  fanontaniana vitsivitsy mateti-pitranga. Koa ezahina hapetraka sy valiana izy ireo ho an'ny Katolika izay mety tsy mbola mahalala izany indri... Tohiny
2. Bii ( 26/12/2014 09:54)
"Efa manana olontsambatra iray ny Malagasy dia i Victoire Rasoamanarivo izany".
Efa manana olontsambatra roa ny Malagasy ka i Victoire Rasoamanarivo no voalohany, fa ao koa i Frera Raphael Louis Rafiringa.
3. miarizo15 ( 19/02/2015 11:37)
katolika aho,fa mahagaga ahy iatsoina ny maty am fakamasinana ohatra: batemy sns... mazava ny baiboly fa "ny maty dia tsy mahalala na inona na inona fa hadino ny fitiavany sy ny fakahalany" ny velona ihany no midera an'iaveh, hoy ny salamo.
4. admin ( 19/02/2015 23:11)
miarizo15> Mahagaga ihany ilay hoe "Katolika aho..."
- Na tena katolika tokoa ianao fa tsy fantatrao ny finoana katolika, ka tokony miezaka mandalina ianao fa katesizy ankapobeny ny zavatra anontanianao.
- Na tsy katolika ianao, noho izany mandaiinga sahady
5. miarizo15 ( 22/02/2015 15:44)
azafady zay v tafaverina eto am sit? tsy misandoka aho sagnatria fa vita batemy tao am katolika aho ary mbola katolika mandrk'izao. mety tsy apy ny fapianarana mikasika ny olo-masina sy ny fanazavana mikasika ny atao hoe olomasina eo@fandalinam-pinoana noratoviko ka izany no mahatonga ahy hametraka ny fanotaniana. tsy ho katolika an-karazany sy anjambany fotsiny fa mba hijoro ka ho sahy manao toy ny md paoly hoe"tsy menatra aho fa fantatro izay inoako"
6. salamentoria001 ( 06/03/2015 07:33)

[quote=miarizo15]
azafady zay v tafaverina eto am sit? tsy misandoka aho sagnatria fa vita batemy tao am katolika aho ary mbola katolika mandrk'izao. mety tsy apy ny fapianarana mikasika ny olo-masina sy ny fanazavana mikasika ny atao hoe olomasina eo@fandalinam-pinoana noratoviko ka izany no mahatonga ahy hametraka ny fanotaniana. tsy ho katolika an-karazany sy anjambany fotsiny fa mba hijoro ka ho sahy manao toy ny md paoly hoe"tsy menatra aho fa fantatro izay inoako"
[/quote
miarahaba antsika rehtra, tena marina ny anao satry ny finoana dia ilaina fandalinana fa tsy atao anjambany satria ilaina ny mahafantatra tsara ny zavtra iray vao mandroso ao aminy. izay no logikam-paianana.
ko manasa anao ny tenako mba handalina tsara ny finoan-tsika @ alalan'ny fanatoanana pretra mangataka fanazavana momba an'io resaka io ary mb hifampizara izan @ mpiray finoana satry ts vitsy @tsika no mba te hahalala sy ts mahay ihany koa! dia samy ho tahin'ny Tompo jiaby e!
7. salamentoria001 ( 06/03/2015 07:34)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161