Bonjour a tous! Inona kay no mahatonga antsika kat...

1. srajerison5 ( 06/08/2014 09:17)
Bonjour a tous! Inona kay no mahatonga antsika katolika tsy mahazo mandray any @ fiangonana hafa?
novalian'i aimenhary ny 19/11/2014 07:57
2. rakantofinaritra ( 07/08/2014 11:08)
Na dia eo aza ny ezaka ataon'ny FFKM mikasika ny fampifandraisana ny mpino sy ny kristianina dia aza adinoina fa misy fomba any amin'ny Fiangonana hafa tsy azontsika katolika andraisana anjara , dia misy ihany tsy azon'ny mpino Fiangonana hafa andraisana anjara aty amintsika ary anisan'ny goavam-be amim'izany ny Eokaristia . Tsy mitovy manko ny fomba fijery. ary mbola ny batemy sy ny batisa ihany aloha izao no iraisana.
3. rakantofinaritra ( 07/08/2014 11:10)

4. aimenhary ( 19/11/2014 07:57)

Bjr! Ny antony mahatonga antsika Katôlika tsy mahazo mandray any @ Fiangonana hafa dia ny hevitry ny Eokaristia na ny fandraisan'ny finoana hafa io Eokaristia io mihitsy no tsy mitovy, ho antsika dia Izy Kristy no raisina amin'ny Komonio izany hoe Vatana aman-dRà hoy ny katezin'ny fiangonana katôlika lah: 1410 "Ny Tenan’i Kristy mihitsy, Mpisorombe mandrakizay amin’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, izay miasa amin’ny andraiki-panompoan’ny Pretra, no manolotra ny sorona eokaristika. Ary mbola io Kristy io ihany izay tena misy eo marina tokoa amin’ny endriky ny mofo sy ny divay, no fanatitry ny sorona eokaristika."
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115