Vavaka mba iraisan’ny Kristianina

1. Rakparfait ( 30/06/2014 06:45)
a) Ry Andriamanitra mahefa sy mandrakizay ô ! Ianao manangona izay mihahaka ary mitahiry izay voaangonao ; mba tsinjovy amin’ny fo tony ny andian’ondrin’ny Zanakao ; ka ireo nohamasinina tamin’ny Batemy tokana anie mba hiray finoana tanteraka sy hiray fitiavana. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen
b) Arotsahy hanenika any, ry Tompo, ny famindram-ponao ary enga anie ny herin’ny Fanahy Masina handrava ny fisarahan’ny Kristianina. Dia ho hitan’ny firenena rehetra mazava kokoa fa loharanom-pamonjena ny Eglizinao, ary ho hazavain’ny Fanahy Masina anie izao tontolo izao hino an’i Kristy ilay nirahinao. Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen
novalian'i tatiezzah ny 25/07/2016 13:46
2. tatiezzah ( 25/07/2016 13:46)
Tsara ity vavaka ity izany an! Tokony hazoto isika hanao azy ity fa mananontanona ny fahavalo! Mazotoa daholo ry zareo a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0269