Ny Katolika sy ny sary vongana

1. hery ( 22/08/2013 08:13)

Tsy vao voalohan'ny lahatsoratra mikasika ny Katolika sy ny sary vongana ity lahatsoratra ity. Ary tsy vao voalohany iezahana manazava ihany koa hoe ahoana marina no fandraisan'ny Katolika ireny sary vongana ireny. Natao ho an'ny Katolika indrindra ity lahatsoratra ity, satria ny tsy Katolika dia e... Tohiny
2. Fiphanie ( 22/08/2013 08:13)
zay a vo tena maazo an le izy za mantsy misy manontany foana fa ts vovaliko
3. Francis_Odet ( 27/07/2014 16:43)
Merci tam'le fifampzarana fa mba misy hoentna miatrika ny fanontanian'reo namana aman-tsakaiza 'zani ary hoampitapitaina koa..
4. rakantofinaritra ( 04/08/2014 08:42)

Fiphanie:

zay a vo tena maazo an le izy za mantsy misy manontany foana fa ts vovaliko
5. ragotso ( 19/04/2015 21:33)
misaotra anareo tamin'ny fanampim-panazavana. Zah tamin'ny volana aogositra 2012 dia nanana anjara fanazavana mikasika ny relique sy ny sary vongana ary ny taolambalo tsotra satria tamin'izay no nandalo tao amin'ny Communauté anay ny relique de saint Don Bosco. Maro moa ny olona mihevitra fa isika Katolika manompo sampy na mivavaka amin'ny sary(indrindra moa ho anay dia refa 24 mey dia anaovanay procession eran'ny tanana ny statue de la Vierge Marie Auxiliatrice). Ny marina anefa tsy mivavaka amin'ny sary isika fa ny sary masina na sary vongana ireny dia "famantarana hita maso maneho sy manambara ary maniraka na hoe mampitodika antsika, mametraka antsika, maneho amintsika ilay zavatra tena misy nefa tsy hita maso" (amin'ny teny vahiny moa dia hoe "symbole" ireny.Ireny sary vongana na statue ireny dia "symbole" iaby ireny ho antsika Katolika. Tsy mitovy ny hoe famantarana tsotra(signe) fa symbole no izy. Ary ny "Constitution Sacrosanctum Concilium = foto-pampianaran'ny Fiangonana katolika mahakasika ny litorjia", n°125 dia milaza mazava fa azo atao sy ampirisihina ny mpino mba hanaja ireny sary masina na sary vongana ireny. Fitaovana manampy antsika hitodika any amin'ilay tena olona hasehony izy ireny. Misaotra tompoko.
6. jean michel ( 01/03/2017 16:13)

[quote=Fiphanie]
zay a vo tena maazo an le izy za mantsy misy manontany foana fa ts vovaliko. Miotra fa nahazo fampianarana e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114